mercredi 31 août 2016

Alarobia 31 Aogositra 2016 - Jao 2 : 1 - 12

1Ary tamin'ny andro fahatelo dia nisy fampakaram-bady tany Kanà any Galilea; ary tao ny renin'i Jesoa. 2Nasaina ho amin'io fampakaram-bady io koa i Jesoa mbamin'ny mpianany*. 3Ary satria efa lany ny divay, dia hoy ny renin'i Jesoa taminy:
–Tapitra ny divain-dry zareo!

4Ary hoy i Jesoa tamin'ny reniny:
–Ravehivavy, inona no tadiavinao amiko? Moa tsy efa tonga ve ny fotoanandroko?

5Dia hoy ny renin'i Jesoa tamin'ireo mpanompo:
–Na inona na inona lazainy aminareo dia ataovy!

6Ary nisy siny vato enina nipetraka teo, ho fidiovana araka ny fanaon'ny Jiosy. Samy nahalany zato litatra eo ho eo ny siny tsirairay avy. 7Dia hoy i Jesoa tamin'ny mpanompo:
–Fenoy rano ireto siny ireto.

Dia nofenoiny hatramin'ny molony. 8Ary hoy i Jesoa tamin'ny mpanompo:
–Tovozy amin'izao ka ento any amin'ny mpandahatra ny fanasana.

Dia nentin'ireo mpanompo.

9Ary nanandrana ny rano nanjary divay ity mpandahatra ny fanasana, nefa tsy fantany izay niaviany (fa ireo mpanompo nanovo ny rano no nahafantatra). Dia niantso ny mpampakatra kosa ity mpandahatra ny fanasana 10ka nilaza taminy hoe:
–Ny an'ny olona rehetra dia ny divay tsara no arosony aloha; ary rehefa mamomamo ny nasaina, vao arosony izay ratsiratsy kokoa. Fa ianao kosa dia nitahiry ny divay tsara hatramin'izao!

11Izany nataon'i Jesoa tao Kanà any Galilea izany no santatr'ireo famantarana narosony. Ary nasehon'i Jesoa ny voninahiny, ka nino Azy ny mpianany.

12Taorian'izany, dia nidina nankany amin'ny tanàna Kafarnahòma i Jesoa mbamin'ny reniny sy ny rahalahiny ary ny mpianany; nefa andro vitsivitsy ihany no nitoeran'izy mianakavy tao.

mardi 30 août 2016

Talata 30 Aogosita 2016 - Lio 5 : 1 - 11

1Indray andro i Jesoa, raha ilay nijanona teo amoron'ny farihin'i Genesareta iny, dia nitangoronan'ny vahoaka te hihaino ny tenin'Andriamanitra. 2Hitany fa nisy sambokely roa niantsona teo amoron-drano fa nidina nanasa harato ny mpanarato. 3Dia niakaran'i Jesoa ny sambokely anankiray izay an'i Simôna, ka niangavian'i Jesoa i Simôna hihataka kely amin'ny tany. Ary teo an-tsambokely Izy no nipetraka hampianatra ny vahoaka.

4Nony nitsaha-niteny i Jesoa, dia nanao tamin'i Simôna hoe:
–Mandrosoa eny amin'ny lalina, dia alatsaho ny haratonareo hahazoana trondro.

5Fa novalian'i Simôna hoe:
–Mpampianatra ô, niasa mafy izahay halina tontolo, saingy tsy nahazo na inona na inona; kanefa noho ny baikonao, dia halatsako ihany ny harato.

6Vao nandatsaka ny harato izy ireo, dia nahazo trondro be tokoa ary saika rovitra ny harato. 7Koa nohatsihin'izy iray tarika mba ho avy hanampy azy ny namany izay teny amin'ny sambokely hafa. Dia avy ireo, ka samy feno safomorona saika hilentika ny sambokely anankiroa.

8Raha nahita izany i Simôna Petera, dia niankohoka teo an-tongotr'i Jesoa nanao hoe:
–Tompo ô, halaviro aho fa mpanota!

9Taitra loatra manko izy mbamin'ireo niaraka taminy noho ny haben'ny trondro azony. 10Toa izany koa ry i Jakôba sy i Jôhany zanakalahin'i Zebedeo izay niombona asa tamin'i Simôna. Ary hoy i Jesoa tamin'i Simôna:

–Aoka izay ny tahotra; manomboka izao dia olona kosa no halainao!
11Ary rehefa nampiantsona ny sambokely teo an-tanety i Simôna sy ny namany, dia nandao ny zavatra rehetra ka lasa niaraka tamin'i Jesoa.

lundi 29 août 2016

Alatsinainy 29 Aogositra 2016 - Jak 1 : 2 - 7

2Ry havako, ataovy ho tretrika tokoa ny tenanareo raha ifandafaran'ny fitsapana samihafa; 3satria fantatrareo fa ny fisedrana ny finoanareo dia mahatonga faharetana. 4Ary aoka ny faharetanareo homban'asa tanteraka mba ho lavorary sy tonga ohatra ianareo, ka tsy ho orin-javatra na amin'inona na amin'inona. 5Kanefa raha misy aminareo tsy manam-pahendrena, dia aoka izy hangataka amin'Andriamanitra fa homeny; satria manome malalaka ho an'ny olona rehetra Andriamanitra sady tsy mba mandatsa. 6Tsy maintsy mino tsara anefa izy rehefa mangataka, fa tsy hiahanahana; satria izay miahanahana dia toy ny alon-dranomasina tsofin'ny rivotra sy atopatopany. 7Aoka tsy hanampo handray zavatra avy amin'ny Tompo ny olona toy izany, 8fa miroa saina sady mivadibadika amin'ny fiaimpiainany rehetra.

dimanche 28 août 2016

Alahady 28 Aogositra 2016 - Ezr 3 : 8 - 13

 8Ary tamin'ny volana faharoan'ny taona faharoa nahatongavany teo amin'ny tranon'Andriamanitra tao Jerosalema, dia nisantatra ilay asa i Zerobabela zanakalahin'i Sealtiela, sy i Jesoa zanakalahin'i Jôtsadàka mbamin'ireo mpisorona mpiombom-panompoana aminy sy ny levita* ary izay rehetra tafaverina avy any an-tsesitany ka tonga tao Jerosalema. Nanendry ny Levita hatramin'ny roapolo taona no ho miakatra ny daholobe mba ho tonian'izao asa amin'ny tranon'ny TOMPO izao; 9ary niray hina nijoro ho tonian'ny mpiasa ireo levita: dia ry i Jesoa sy i Kadmiela mirahalahy zanak'i Hôdavià mbamin'ny taranany avy, ireo zanakalahin'i Henadada mbamin'ny taranany avy, ary koa levita hafa mpiray foko aminy.

10Nony nandatsaka ny fototr'ilay tempolin'ny TOMPO ireo mpiasa, dia nasaina nanatrika teo ny mpisorona nanao fanamiana sy nitondra trômpetra ary koa ny levita terak'i Asafa nitondra kipantsona, mba hidera ny TOMPO araka ny nandidian'i Davida mpanjakan'i Israely. 11Dia nidera sy nisaotra ny TOMPO ireto terak'i Asafa ka nanao hira nifamalivaly hoe: «Tsara ny Tompo, ary maharitra mandrakizay ny fitiavany an'i Israely!» Nihoby mafy koa ny vahoaka rehetra raha nidera ny TOMPO, satria vita ny fototry ny tranon'ny TOMPO.

12Maro ny mpisorona sy ny levita ary ny loham-pianakaviana, dia ireo antitra efa nahita ilay trano taloha, no nitomany mafy dia mafy nony nalatsaka teo imasony ny fototr'izany trano vaovao izany; nefa maro koa no nanandra-peo nihoby sy nifaly. 13Ka dia tsy hay navahany ny hobin-kafalian'ny andaniny sy ny feo fitomanian'ny ankilany, satria samy nanao horakoraka mafy sy re lavitra tokoa ny olona.

samedi 27 août 2016

Sabotsy 27 Aogositra 2016 - II Sam 10 : 9 - 19

9Rehefa hitan'i Jôaba fa sady teo anoloany no teo ivohony ny vava ady, dia nifantina izay miaramila israelita mendrika indrindra izy ka nandahatra azy teo anoloan'ny Sirianina. 10Ny miaramila sisa kosa nankininy tamin'i Abisay rahalahiny ka nalahany teo anoloan'ny Hamônita. 11Dia hoy i Jôaba tamin'ity rahalahiny:
–Raha mahery noho izaho ny Sirianina, dia aoka ianao hamonjy ahy; fa raha ny Hamônita kosa no mahery noho ianao, dia izaho no ho avy hamonjy anao. 12Mahereza ianao, ary aoka isika hahery miady ho an'ny firenentsika sy ireo tanànan'Andriamanitsika. Ary aoka ny TOMPO hanao izay heveriny ho tsara.

13Nandroso hiady amin'ny Sirianina i Jôaba sy ny tafiny ka vaky nandositra teo anoloan'ny Israelita ireo. 14Rehefa hitan'ny Hamônita fa nandositra ny Sirianina, dia mba nandositra teo anoloan'i Abisay koa ry zareo ka nitsofoka tao an-tanàna. Ary nitsahatra nanafika ny Hamônita i Jôaba ka niverina ho any Jerosalema.

15Fa rehefa nahatsapa ny fahareseny teo anoloan'ny Israelita ireto Sirianina ireto, dia nivory nitambatra. 16Naniraka olona i Hadadehezera mba hanetsika ny Sirianina izay tany am-pitan'ny ony Eofrata. Dia tonga tao Helama ireo; ary i Sôbàka filohan'ny tafik'i Hadadehezera no nitarika azy. 17Nambara tamin'i Davida izany; koa namory ny tafika israelita manontolo izy, dia nita an'i Jôrdàna ary tonga tany Helama. Nitandahatra teo anoloan'i Davida ny Sirianina ka nandrafitra ady taminy. 18Vaky nandositra teo anoloan'ny Israelita ireo Sirianina, ka nahafatesan-dry i Davida olona tao an-kalesy fitonjato sy mpitaingin-tsoavaly 40 000. Naratrany koa i Sôbàka filohan-tafika, ka maty teo.

19Rehefa nahatsapa ny fahareseny teo anoloan'ny Israelita ireo mpanjaka rehetra mpanoa an'i Hadadehezera, dia nandrindra fihavanana tamin'i Israelita ka nanoa azy. Ary tsy sahy namonjy ny Hamônita intsony ny Sirianina.

vendredi 26 août 2016

Zoma 26 Aogositra 2016 - Rom 10 : 5 - 17

5Izao no voasoratr'i Mosesy momba ny fahamarinana avy amin'ny lalàna: «Ny olona manatanteraka ny didy amam-pitsipika dia ho velona amin'izany.» 6Fa izao kosa no voalaza momba ny fahamarinana avy amin'ny finoana: «Aza manao anakampo hoe: Iza no hiakatra any an-danitra?» (dia ny mba hampidina an'i Kristy* izany). 7Na hoe: «Iza no hidina any amin'ny hantsana?» (dia ny mba hampiakatra an'i Kristy avy any amin'ny maty). 8Fa inona no voalaza? Izao: «Eo akaikinao ny teny, dia eo am-bavanao sy ao am-ponao.» Izany no teny momba ny finoana, izay torînay. 9Satria raha manaiky ampahibemaso amin'ny vavanao ianao fa Tompo i Jesoa, ary mino ao am-ponao fa nanangana Azy ho velona avy tany amin'ny maty Andriamanitra, dia ho voavonjy. 10Mino ao am-po manko ny olona mba hoeken'Andriamanitra ho marina, ary manaiky ampahibemaso amin'ny vava, mba hahazoany famonjena. 11Fa hoy ny Soratra Masina* hoe: «Izay (rehetra) mino Azy tsy mba hangaihay.» 12Koa mitovy na Jiosy na hafa firenena*, fa ny Tompo iray ihany ny an'ny rehetra, Tompo malala-tanana amin'izay rehetra miantso Azy. 13Satria izao no tenin'ny Soratra Masina: «Izay rehetra hiantso ny Tompo, dia ho voavonjy.»

14Hataon'ny olona ahoana àry no fiantso ny anaran'ny Tompo, raha tsy efa ninoany? Hataony ahoana no fino Azy, raha tsy efa reny? Hataony ahoana no fandre, raha tsy misy mpitoriteny? 15Ary hatao ahoana no fitoriteny, raha tsy nirahina? Araka ny voalazan'ny Soratra Masina hoe: «Endrey, tsara izany mahita ireo mpitondra Vaovao Mahafaly* tonga hanambara teny soa!» 16Tsy àry nanaiky ny Vaovao Mahafaly avokoa anefa ny olona rehetra, fa hoy i Isaià hoe: «Tompo ô, iza no nino ny hafatra nambaranay?» 17Koa ny finoana dia vokatry ny hafatra ambara; ary ny hafatra ambara dia ny teny momba an'i Kristy.

jeudi 25 août 2016

Alakamisy 25 Aogositra 2016 - I Tan 12 : 19 - 22

19Tamin'izay, dia nentanin'ny Fanahin'Andriamanitra i Hamasay, filohan'ny «andian'ny telopolo lahy», ka niantso hoe:
–Anao izahay, ry Davida ô!

Miandany aminao izahay, ry zanakalahin'i Jisay!
Fiadanana, fiadanana anie ho anao
ary fiadanana anie ho an'ireo mpanampy anao,
satria ilay Andriamanitrao no efa manampy anao!

Dia noraisin'i Davida ireo ka notendreny ho isan'ny filohan'ny andian-tafika.

20Ary nisy avy amin'ny fokon'i Manase lasa nikambana tamin'i Davida fony izy nomba ny Filistinina mba hiady amin'i Saoly; saingy tsy nanampy ny Filistinina ry i Davida, satria rehefa nifampidinika ny andrianan'ny Filistinina dia nampiverina azy, fa hoy ireo hoe: «Hikambana amin'i Saoly tompony i Davida, ka hanolotra antsika aminy». 21Koa raha niverina ho any Tsiklaga iny i Davida no tonga nikambana taminy kosa ireo olona anisan'ny fokon'i Manase, dia i Hadnà sy i Jôzabada, i Jedihaela sy i Mikaela mbamin'i Jôzakara sy i Elihò ary i Tsiletahy izay samy mpifehy arivo tao amin'i Manase. 22Nanampy ny andian-tafik'i Davida ireo satria lehilahy mahery avokoa, ary nanjary komandy tao amin'ny tafiny.

mercredi 24 août 2016

Alarobia 24 Aogositra 2016 - Fil 1 : 1 - 8

1Avy amiko Paoly ity taratasy ity.
Mamangy anareo vahoakan'Andriamanitra* rehetra atỳ Filipy aho, dia ianareo efa tafaray amin'i Kristy* Jesoa ary ao anatin'izany ireo mpitondra Fiangonana sy diakônina*. Mamangy anareo koa i Timôty. Samy mpanompon'i Kristy Jesoa izahay. 2Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy i Jesoa Kristy Tompo!

3Velom-pisaorana an'Andriamanitro ny aminareo aho, isaky ny mahatsiaro anareo. 4Ary isaky ny mivavaka ho anareo rehetra aho, dia manao izany amin-kafaliana, 5noho ianareo niray hina nanampy ahy hampandroso ny Vaovao Mahafaly* hatramin'ny andro voalohany ka mandraka ankehitriny. 6Matoky aho fa Andriamanitra, Izay nanomboka asa tsara tao aminareo, dia hanohy izany hatrany ka hahatanteraka azy amin'ny andro hiavian'i Kristy* Jesoa. 7Rariny tokoa ny iheverako anareo rehetra toy izany. Eny, entiko ato am-poko ianareo, satria mpiombona ny tombon-tsoa nomen'Andriamanitra ahy ianareo rehetra, na amin'izao maha voafonja ahy izao na fony aho nampandresy lahatra sy nanamafy orina ny Vaovao Mahafaly. 8Andriamanitra no vavolombeloko fa marina izao lazaiko izao: manina anareo rehetra amin'ny fon'i Kristy Jesoa aho.

mardi 23 août 2016

Talata 23 Aogositra 2016 - Gal 3 : 23 - 29

23Talohan'ny hahatongavan'izany finoana izany, dia voagadra sy voageja eo ambany fahefan'ny lalàna izahay Jiosy mba hiandrandranay ny finoana izay efa hambara atỳ aoriana. 24Koa ny lalàna dia nanjary mpitaiza anay mba hiandrandranay an'i Kristy, ka hahatonga anay ho marina eo imason'Andriamanitra noho ny finoana. 25Efa tonga kosa ankehitriny izany finoana izany, ka tsy fehezin'ny mpitaiza intsony izahay.

26Noho ny finoana manko dia zanak'Andriamanitra* avokoa ianareo, satria tafaray amin'i Kristy Jesoa. 27Eny, ianareo rehetra izay natao batisa* mba ho tafaray amin'i Kristy Jesoa dia henika ny fiainan'i Kristy. 28Koa tsy misy intsony ny hoe Jiosy na hafa firenena*, tsy misy intsony ny hoe mpanompo na tsy mpanompo, tsy misy intsony ny hoe lehilahy na vehivavy; fa olona iray ihany ianareo rehetra, noho ianareo tafaray amin'i Kristy Jesoa. 29Ary raha an'i Kristy ianareo, dia taranak'i Abrahama sy mpandova araka ny fampanantenana nataon'Andriamanitra.

lundi 22 août 2016

Alatsinainy 22 Aogositra 2016 - Gal 3 : 1 - 9

1Tsy misaina ianareo, ry Galatianina! Iza moa no nanodoka anareo? Kanefa dia i Jesoa Kristy* voahombo tamin'ny hazofijaliana no naseho mazava teo imasonareo. 2Izaho ihany no tiako ho fantatra avy aminareo: noho ianareo nanatanteraka ny lalàna ve nandraisanareo ny Fanahy Masina sa noho ianareo nihaino sy nino ny Vaovao Mahafaly*? 3Tsy misaina mihitsy ve ianareo no dia nanomboka tamin'ny herin'ny Fanahy Masina kanefa ankehitriny miafara amin'ny maha olombelona osa sy malemy? 4Dia ho very maina foana ve ny nahatsapanareo zava-dehibe toy ireny, raha ohatra ka ho very maina foana tokoa izany? 5Rehefa manome anareo ny Fanahy Masina sy manefa asa mahery eo anivonareo àry Andriamanitra, moa ve noho ianareo manatanteraka ny lalàna no mahatonga izany sa noho ianareo mihaino sy mino ny Vaovao Mahafaly?

6Izao no voalazan'ny Soratra Masina*: «Nino an'Andriamanitra i Abrahama ary nankatoavan'Andriamanitra azy ho marina izany!» 7Koa fantaro fa izay velona noho ny finoana no tena zanak'i Abrahama. 8Tsinjon'ny Soratra Masina rahateo fa ny finoana no hankatoavan'Andriamanitra ny hafa firenena* ho marina; noho izany, dia nambaran'ny Soratra Masina mialoha tamin'i Abrahama izao hafatra mahafaly izao: «Ao aminao no hombàn'Andriamanitra fitahiana ny firenen-drehetra!» 9Nino i Abrahama ary nomban'Andriamanitra fitahiana; ary izay velona noho ny finoana dia hombàn'Andriamanitra fitahiana tahaka azy koa.

vendredi 19 août 2016

Zoma 19 Aogositra - Heb 11 : 23 - 30

23Finoana no nanafenan'ny ray aman-drenin'i Mosesy azy telo volana, raha vao teraka izy. Hitany manko fa zazakely mahafatifaty i Mosesy, ka tsy natahorany izay baikon'ny mpanjaka.

24Finoana no nandavan'i Mosesy hantsoina hoe zanak'ilay zanakavavin'ny Farao mpanjakan'i Ejipta, nony efa lehibe izy; 25fa naleony niara-nampahorîna tamin'ny vahoakan'Andriamanitra, toy izay hifaly amim-pahotana mandritra ny fotoana fohifohy. 26Nataony fa ny miaritra fanaratsiana noho ny amin'ny Mesia* dia harena be lavitra noho ny zava-tsoan'i Ejipta, fa nibanjina ny valisoa mbola ho avy izy.

27Finoana no nandaozan'i Mosesy an'i Ejipta ka tsy natahorany izay hatezeran'ny mpanjaka; fa naharitra tamin'ny fanapahan-keviny izy, toy ny nahita maso an'ilay Andriamanitra tsy hita. 28Finoana no nanorenan'i Mosesy ny fankalazana ny Paska* sy nanomezany baiko hanentenana ra ny varavarana, fandrao mikasika ireo lahimatoa israelita* ilay anjely* mpandringana ka mamono azy.

29Finoana no nitan'ireo Israelita ny Ranomasina Mena toy ny nandia tany maina; fa nony mba nanandrana nanao toy izany ireo Ejiptianina, dia voatelin'ny rano.

30Finoana no nampirodana ny mandan'i Jerikao, nony efa nohodidinin'ny Israelita nandritra ny fito andro.

jeudi 18 août 2016

Alakamisy 18 Aogositra 2016 - Fil 1 : 27 - 30

27Izao ihany: manàna fitondrantena mendrika ny Vaovao Mahafaly momba an'i Kristy. Ka amin'izany, tonga moa aho, dia hahita anareo; tsy tonga kosa, dia handre ny aminareo: ka ho fantatro fa miorina tsara amin'ny firaisam-panahy ianareo, sady miray fo miara-miezaka hampandroso ny finoana vokatry ny Vaovao Mahafaly. 28Aoka tsy ho azon'ireo mpanohitra ampitahorina ianareo na amin'inona na amin'inona: mariky ny fahaverezana izany ho azy; fa ho anareo kosa mariky ny famonjena, dia famonjena avy amin'Andriamanitra. 29Eny, tombon-tsoa nomena anareo ny hanompoanareo an'i Kristy, ka tsy hoe ny hino Azy ihany fa ny hiaritra fijaliana koa noho ny aminy: 30dia ny miatrika ady mitovy amin'izay hitanareo natrehiko fahiny sady renareo fa mbola atrehiko ankehitriny.

mercredi 17 août 2016

Alarobia 17 Aogositra 2016 - Eks 18 : 13 - 27

13Nony ampitso dia nipetraka mba hitsara ny adin'ny vahoaka i Mosesy. Nanomboka ny maraina ka mandra-paharivan'ny andro dia nijajirika teo ny olona mba hahazo miseho eo anatrehan'i Mosesy. 14Koa raha nahita ireo zavatra rehetra tsy maintsy hataony amin'i vahoaka ny rafozany, dia niteny tamin'i Mosesy hoe:
–Inona izao zavatra ataonao amin'ny vahoaka izao? Nahoana no ianao irery no manao ny asa, ka mahatonga ny olona hijajirika manomboka ny maraina ka mandra-paharivan'ny andro rehefa hiseho eo anatrehanao?

15Fa namaly an-drafozany i Mosesy hoe:
–Satria ireo olona ireo dia tonga atỳ amiko mba hitady ny fitsarana avy amin'Andriamanitra. 16Rehefa misy raharaha mampifanolana azy, dia tonga atỳ amiko izy ireo: mitsara ny raharaha mampifanolana azy aho, ary mampahafantatra azy ny fitsipik'Andriamanitra sy ny lalànany.

17Dia hoy indray ny rafozany:
–Tsy tsara ny fomba anaovanao ny raharaha! 18Samy ho reraka mihitsy na ianao na ireto olona tonga atỳ aminao. Mavesatra loatra aminao izao andraikitra izao ka tsy ho vitanao samirery! 19Henoy àry ny torohevitro aminao, ka homba anao anie Andriamanitra: Ny anjaranao dia ny misolotena ny vahoaka amin'Andriamanitra, ka mitondra eo anatrehan'Andriamanitra ny raharaha mampifanolana. 20Ianao koa no hampianatra azy ny fitsipik'Andriamanitra sy ny lalànany, ka hampahalala azy ny lalana tokony hizorany sy ny asa tokony hataony. 21Fa ny amin'ny sisa, dia mifidiana lehilahy be herimpo ao amin'ny vahoaka, dia lehilahy fatra-panaja an'Andriamanitra, tia fahamarinana sady tsy mandray tsolotra; ka tendreo ireo ho mpifehy arivo sy mpifehy zato na ho mpifehy dimampolo sy mpifehy folo. 22Ireo no hitsara ny vahoaka isan'andro, ka ny raharaha lehibe no hoentiny any aminao, fa ny raharaha madinika dia halaminy ihany. Amin'izay dia hihamaivana ny andraikitrao fa miara-mitondra aminao ireo. 23Raha ataonao izany zavatra izany, ka izay no andidian'Andriamanitra anao, dia tsy ho reraka ianao; ary ny olona koa dia ho afaka mody any aminy vita fihavanana.

24Narahin'i Mosesy avokoa ny torohevitry ny rafozany: 25nifidy lehilahy be herimpo teo amin'ny Israelita izy, ka nanendry azy ho tompon'andraikitra amin'ny vahoaka, ho mpifehy arivo sy mpifehy zato na ho mpifehy dimampolo sy mpifehy folo. 26Ireo no nitsara ny vahoaka isan'andro amin'ny zavatra madinika mampifanolana azy; ny raharaha lehibe dia nentiny tany amin'i Mosesy, fa ny raharaha madinika dia nalaminy ihany.

27Dia nalefan'i Mosesy nandeha nody any amin'ny taniny ny rafozany.

mardi 16 août 2016

Talata 16 Aogositra 2016 - Gal 5 : 2 - 6

 2Indro fa izaho Paoly no miteny aminareo: raha manaiky hoforana ianareo, dia tsy hahasoa anareo na dia kely akory aza i Kristy. 3Ary ambarako indray amin'ny olona rehetra manaiky hoforana fa manana adidy hahatanteraka ny lalàna* manontolo izy. 4Tafasaraka amin'i Kristy ianareo miezaka ho marina eo imason'Andriamanitra amin'ny fanoavana ny lalàna; miendaka amin'ny fahasoavan'Andriamanitra ianareo. 5Isika kosa dia matoky fa Andriamanitra no mahatonga antsika ho marina eo imasony; izany no andrasantsika ho vokatry ny finoantsika noho ny asan'ny Fanahy Masina. 6Fa ho an'izay tafaray amin'i Kristy Jesoa, tsy dia ny hoe maha voafora na tsy maha voafora no tena zavatra fa ny finoana izay miasa amin'ny fitiavana.

lundi 15 août 2016

Alatsinainy 15 Aogositra 2016 - Jao 3 : 9 - 16

9Dia niteny tamin'i Jesoa i Nikôdema nanao hoe:
–Hatao ahoana no hahatonga izany?

10Ka izao no navalin'i Jesoa azy:
–Mpampianatra eto amin'i Israely* ianao, ka tsy mahalala izany ve? 11Lazaiko marina dia marina aminao fa izay fantatray no lazainay ary izay hitanay no ijoroanay ho vavolombelona, nefa tsy raisinareo izany fijoroanay ho vavolombelona izany. 12Raha nilaza taminareo ny zavatra etỳ an-tany Aho, dia tsy inoanareo; ka ahoana no hinoanareo Ahy, raha milaza aminareo ny zavatra any an-danitra Aho? 13Ary tsy nisy niakatra any an-danitra afa-tsy Ilay nidina avy tany an-danitra, dia ny Zanak'olona*. 14Ary tahaka ny nanandratan'i Mosesy ny bibilava varahina tany an-taniefitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak'olona 15mba ho velona aina mandrakizay izay rehetra mino Azy. 16Eny, notiavin'Andriamanitra fatratra izao tontolo izao*, ka nomeny ny Zanany lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy fa ho velona aina mandrakizay.

dimanche 14 août 2016

Alahady 15 Aogositra 2016 - Rom 15 : 30 - 33

30Noho ny amin'i Jesoa Kristy Tompontsika ary noho ny fitiavana avy amin'ny Fanahy Masina, dia izao, ry havana, no angatahiko aminareo: aoka hiara-miady amiko ianareo ka hivavaka amin'Andriamanitra ho ahy. 31Mivavaha mba hahafahako amin'ny tanan'ny tsy mpino any Jodea ary mba hankasitrahin'ny vahoakan'Andriamanitra ilay fanampiana hoentiko any Jerosalema. 32Ary dia ho faly tonga atỳ aminareo aho, raha sitrak'Andriamanitra izany, ka hiala sasatra eo afovoanareo. 33Homba anareo rehetra anie ilay Andriamanitra loharanon'ny fiadanana! Amen*.

samedi 13 août 2016

Sabotsy 13 Aogositra 2016 - Asa 11 : 19 - 26

19Niely patrana ny mpino noho ilay fanenjehana nitranga taorian'ny namonoana an'i Stefàna. Ny sasany dia tonga hatrany Fenisia sy hatrany Sipra ary hatrany Antiôkia, nefa tsy nitory ny tenin'Andriamanitra afa-tsy tamin'ny Jiosy ihany. 20Nisy ihany mpino sasantsasany avy any Sipra sy avy any Sirena izay tonga tany Antiôkia ka niteny tamin'ireo Grika koa, ary nanambara ny Vaovao Mahafaly* momba an'i Jesoa Tompo. 21Nombàn'ny herin'ny Tompo izy rehetra ka marobe ny olona nino sy nitodika tamin'ny Tompo.

22Nandre ny lazan'izany ny Fiangonana tany Jerosalema, ka naniraka an'i Barnabà hankany Antiôkia. 23Hafaliana ny azy nony tonga tany ka nahita ny vokatry ny fahasoavan'Andriamanitra; ary nananatra azy rehetra i Barnabà mba tsy hiroa fo fa haharitra hiombona amin'ny Tompo. 24Lehilahy tsara fanahy i Barnabà, sady feno Fanahy Masina sy vontom-pinoana, ka vahoaka maro no niandany tamin'ny Tompo.

25Ary lasa i Barnabà naka an'i Saoly tany Tarsa. 26Rehefa hitany izy, dia nentiny nankany Antiôkia. Nandany herintaona ngarangidina tao amin'io Fiangonana io izy roa lahy ary nampianatra vahoaka maro. Tao Antiôkia no voalohany niantsoana ny mpianatra* hoe kristianina.


vendredi 12 août 2016

Zoma 12 Aogositra 2016 - heb 11 : 1 - 12


1Ny hoe mino dia mahazo antoka tsara ny zavatra antenaina ary matoky ny zavatra tsy hita. 2Izany finoana izany manko no vavolombelon'ny mahatsara laza ny ntaolo.

3Finoana no ahafantarantsika fa ny tenin'Andriamanitra no nanaovana izao tontolo izao*; koa izao hita maso izao dia natao avy amin'ny tsy hita maso.

4Finoana no nanoloran'i Abela ho an'Andriamanitra sorona tsara noho ny an'i Kaina. Izany finoany izany no vavolombelona niantoka fa marina i Abela, satria nankatoavin'Andriamanitra ny fanatitra nataony; ary noho ny finoany, dia mbola miteny ihany i Abela na dia efa maty aza.
5Finoana no nahatafafindra an'i Henôka ho eo akaikin'Andriamanitra, ka tsy mba niharan'ny fahafatesana izy; ary tsy nisy olona nahita an'i Henôka intsony, noho izy nafindran'Andriamanitra ho eo akaikiny. Ny Soratra Masina no mijoro ho vavolombelona fa efa sitrak'Andriamanitra i Henôka talohan'ny namindrany azy. 6Raha tsy misy finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka amin'Andriamanitra; koa izay manatona an'Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Andriamanitra sady mamaly soa izay mitady Azy.

7Finoana no nanoavan'i Noà tamim-panajana, fony izy notoroan'Andriamanitra hevitra ny amin'ny zava-hitranga tsy mbola hita; dia nandrafitra sambofiara i Noà hamonjena ny tenany sy ny ankohonany. Izany no nanamelohan'i Noà an'izao tontolo izao, fa nahatonga azy kosa handray ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra noho ny finoany.

8Finoana no naneken'i Abrahama fony izy nantsoin'Andriamanitra hiainga ho any amin'ny tany izay horaisiny ho lova; ka nandao ny tany nahabe izy, nefa tsy fantany izay halehany. 9Finoana no nonenany toy ny mpiavy tao amin'ny tany nampanantenain'Andriamanitra ho azy. Tranolay no nitoerany, dia izy mbamin'i Itsehàka sy i Jakôba, izay samy nandray izany fampanantenana izany. 10Fa i Abrahama dia niandry ilay tanàna mafy orina, ka Andriamanitra no tompo-marika tamin'izany sady nanao azy.

11Finoana no nahazoan'i Abrahama hery hanana anaka, na dia efa antidahibe aza izy ary na dia vehivavy momba aza i Sarà vadiny; satria azon'i Abrahama antoka fa mahatoky Andriamanitra nanao ny fampanantenana. 12Olona efa naman'ny maty ihany i Abrahama, nefa dia avy amin'izany lehilahy anankiray izany no niavian'ny taranaka maro toy ny kintana eny amin'ny habakabaka sy toy ny fasika tsy tambo isaina eny amoron-dranomasina.

jeudi 11 août 2016

Alakamisy 11 Aogosotra 2016 - Hag 1 : 12 - 15

12I Zerobabela zanakalahin'i Sealtiela ary koa i Josoa mpisorombe zanakalahin'i Jôtsadaky mbamin'izay rehetra tafaverina avy any an-tsesitany dia nandray tsara ny tenin'ny TOMPO Andriamaniny, izay nampitain'i Hagay mpaminany araka ny efa nanirahan'ny TOMPO Andriamaniny azy; ary naneho fanajana ny TOMPO ireo olona ireo.

13Dia araka ny hafatra nampitondrain'ny TOMPO ho an'ny vahoaka no nitenenan'i Hagay iraky ny TOMPO hoe:
–Izaho no miaraka aminareo. Fampanantenana hentitra avy amiko TOMPO izany.
14Dia notairin'ny TOMPO ny risi-pon'i Zerobabela governoran'i Joda sy ny an'i Josoa mpisorombe ary ny an'izay rehetra tafaverina avy any an-tsesitany; ary dia rafitra ireo nanao ny tranon'ilay TOMPOn'izao rehetra izao sady Andriamaniny, 15tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Dariôsa, volana fahenina, andro faha-24.

mercredi 10 août 2016

Alarobia 10 Aogositra 2016 - Mar 2 : 1 - 5

1Tafaverina tao Kafarnahòma indray i Jesoa rehefa afaka andro vitsivitsy, ary ren'ny olona fa hoe tao an-trano Izy. 2Dia vory marobe ny olona ka tsy nisy hitoerana intsony na dia teny anoloan'ny varavarana aza; ary i Jesoa nanambara ny tenin'Andriamanitra taminy. 3Dia nisy olona tamy, nitondra lehilahy malemy nolanjain'olona efa-dahy hankeo amin'i Jesoa. 4Tsy afaka nanatona an'i Jesoa ry zareo noho ny habetsahan'ny vahoaka. Ary dia ny tafon-trano, tandrifin'izay nitoeran'i Jesoa, no nanesorany; ka rehefa voasokatra, dia nampidinany ny fandriana niamparan'ilay malemy.

5Hitan'i Jesoa ny finoan'ireto olona ka hoy Izy tamin'ilay malemy:
–Voavela ny helokao, anaka!

mardi 9 août 2016

Talata 09 Aogositra 2016 - Rom 14 : 13 - 23

13Aoka mba tsy hifampitsara intsony àry isika. Fa aoka ianareo ho tapa-kevitra hanao izay tsy hahasolafaka ny namana amin'ny ratsy na izay tsy hitaomana azy amin'ny fahotana. 14Tafaray amin'i Jesoa Tompo aho ka fantatro ary azoko antoka fa tsy misy zavatra maloto* fotsiny amin'izao, fa izay heverin'ny olona ho maloto no maloto aminy. 15Raha miteraka alahelo ho an'ny namanao ny fihinananao zavatra, dia tsy mizotra araka ny fitiavana intsony ianao. Aza simbànao amin'ny fihinananao zavatra ilay namanao fa efa maty i Kristy* ho famonjena azy. 16Aoka tsy hampiteny ratsy ny sasany izay heverinao ho soa ho anao. 17Fa tsy izay mihinana na misotro no manana ny Fanjakàn'Andriamanitra*, fa izay manao ny marina sy mikatsaka fiadanana ary mifaly ao amin'ny Fanahy Masina. 18Ka izay manompo an'i Kristy araka izany no sitrak'Andriamanitra sady ankatoavin'ny olombelona.

19Izay mampitombo ny fiadanana àry no aoka hokatsahintsika, mbamin'izay ifanampiantsika hiorina amin'ny finoana; 20fa aza izay sakafo no handravanao ny asan'Andriamanitra. Eny, madio* ka azo hanina avokoa ny zavatra rehetra, nefa kosa ratsy ny mihinan-javatra raha mahasolafaka namana amin'ny ratsy izany. 21Ny tsara dia ny tsy mihinan-kena na misotro divay na mikasika akory izay mahasolafaka ny namanao amin'ny ratsy. 22Tano ho anao eo anatrehan'Andriamanitra izay itokianao ho marina. Sambatra izay tsy melohin'ny eritreriny amin'ny zavatra ankatoaviny. 23Fa izay miahanahana dia melohin'Andriamanitra, raha mihinana, satria tsy vokatry ny finoana no ihinanany. Fa izay rehetra tsy vokatry ny finoana dia fahotana avokoa.

lundi 8 août 2016

Alatsinainy 08 Aogositra 2016 - Eks 4 : 10 - 18

10Ary hoy i Mosesy tamin'ny TOMPO:
–Indrisy, ry Tompo, fa tsy mba olona mahay mandaha-teny aho na taloha na hatramin'izao nitenenanao tamiko izao, fa votsa vava sady bada miambakavaka.

11Namaly azy kosa ny TOMPO hoe:
–Iza no nanome vava ny olona? Iza no mahatonga azy ho moana na ho marenina na ho mahiratra na ho jamba? Moa tsy Izaho TOMPO ve? 12Koa mandehana ianao ankehitriny, fa homba anao Aho rehefa hiteny ianao, ka Izaho no hanoro anao izay tokony holazainao.

13Fa hoy i Mosesy hoe:
–Mifona aho, Tompo ô, mba olon-kafa re irahina!

14Dia tezitra tamin'i Mosesy ny TOMPO ka nanao hoe:
–Manana rahalahy ianao, dia i Aharôna levita*. Fantatro fa mahay mandaha-teny mihitsy izy. Indro efa eny an-dalana izy izao hitsena anao, koa raha vao mahita anao, dia ho faly tokoa. 15Holazainao azy ary hampitainao aminy izay tokony holazainy. Izaho kosa homba anareo; ka rehefa hiteny ianareo, dia Izaho no hanoro anareo izay hataonareo. 16Izy no hiteny amin'ny vahoaka hisolo anao, izy no hisolo vava anao; ary ianao kosa aminy dia ho tahaka an'Andriamanitra manolo-tsaina. 17Ankoatra izany, dia ento eny an-tananao iny tehina iny mba hanaovanao zava-mahagaga.


18Nandeha niverina tany amin'i Jetrao rafozany i Mosesy ka nanao taminy hoe:
–Mba avelao aho handeha hiverina any amin'ireo mpiray firenena amiko any Ejipta, hijery raha mbola velona ihany izy ireo na tsia.

Dia hoy i Jetrao taminy:
–Mandehana soa aman-tsara!

dimanche 7 août 2016

Alahady 07 Aogositra 2016 - I Tan 29 : 1 - 9

1Dia hoy i Davida mpanjaka tamin'ny olona rehetra tafangona teo:

–I Salômôna zanako, ilay hany nofidin'Andriamanitra, dia mbola tanora sady tsy za-draharaha; nefa goavana ny asa hatao, satria tsy lapa ho an'olombelona fa tempoly* ho an'ny TOMPO Andriamanitra. 2Nanao izay tratry ny aiko aho namonona fitaovana ho an'ny tranon'Andriamanitro: dia ny volamena hanaovana ny fanaka volamena; ny volafotsy hanaovana ny fanaka volafotsy; ny halimo hanaovana ny fanaka halimo; ny vy hanaovana ny fanaka vy; ary hazo hanaovana fanaka hazo. Nataoko vonona ny vato berila sy vato halatsaka an-tranontranony, ny vatomainty sy vato misoratsoratra, ny vatosoa isan-karazany ary ny vatokaranana betsaka. 3Ankamamiko tokoa ny tranon'Andriamanitro; ka ho fanampin'ny zavatra rehetra nomaniko ho an'ity Toeramasina* ity, dia omeko ho an'ny tranon'Andriamanitro koa izay volamena sy volafotsy ananako manokana: 4dia volamena avy any Ôfira, milanja zato taonina; volafotsy madio milanja 240 taonina, natao hapetaka amin'ny ati-rindrina isan'efitrano. 5Iza àry, amin'izao andro anio izao, no mba mazoto hanolotra fanomezana an-tsitrapo amin'ny TOMPO mba hanaovan'ireo mpahay taozavatra ny fanaka volamena sy volafotsy ary ny asa isan-karazany?

6Tamin'zay, dia samy nanolotra fanomezana an-tsitrapo avokoa ny lohan-pianakaviana, ny filohan'ireo fokon'i Israely, ny komandin-tafika mpifehy arivo sy mpifehy zato, mbamin'ny mpiandraiki-draharahan'ny mpanjaka 7ka nanome izay hanaovana ny fanompoana ao amin'ny tranon'Andriamanitra: dia volamena milanja 170 taonina; farantsa volamena miisa 10 000; volafotsy milanja telonjato taonina; halimo milanja eninjato taonina eo ho eo ary vy milanja telo arivo taonina. 8Izay nanana vatosoa dia nanome azy teo am-pelatanan'i Jehiela, taranak'i Gersôna, mba ho zava-tsarobidy tahirizina ao an-tranon'ny TOMPO. 9Dia samy faly ny besinimaro nanolotra fanomezana an-tsitrapo, satria tamin'ny fony manontolo no nanaovany an'izany ho an'ny TOMPO; ary faly dia faly koa i Davida mpanjaka.

samedi 6 août 2016

Sabotsy 06 Aogositra 2016 - Fil 4 : 1 - 7

1Toy izany àry, ry hava-malala, no aoka hitomoeranareo tsara miray amin'ny Tompo. Fa tiako tokoa ianareo, ry havako, sady manina anareo fatratra aho; ianareo no fifaliako sy toy ny satroboninahi-pandresena ho ahy.

2Ry i Eodia sy i Sintîka, miangavy mafy anareo aho mba hifanaraka, noho ianareo mpirahavavy ao amin'ny Tompo. 3Ary ianao koa, ry ilay mpiara-miasa akaiky tamiko, mangataka anao aho mba hanampy azy roa vavy, fa niara-nikatroka nanao izay hielezan'ny Vaovao Mahafaly* izahay mbamin'i Klemanta koa sy ny hafa rehetra mpiara-miasa amiko izay samy voasoratra anarana ao amin'ilay horonamboky mirakitra ny lisitr'ireo hanana ny fiaina-maharitra mandrakizay.

4Mifalia mandrakariva noho ianareo tafaray amin'ny Tompo. Mbola antitranteriko indray: mifalia! Manehoa fandeferana amin'ny olona rehetra. 5Tsy ho ela, dia ho tonga ny Tompo! 6Aza manahy na inona na inona fa ambarao amin'Andriamanitra isaka izay mivavaka ny zavatra ilainareo, ary angataho amin'ny fo feno fankasitrahana. 7Ary ilay fiadanana avy amin'Andriamanitra sady mihoatra noho ny zavatra rehetra takatry ny fieritreretan'olombelona, dia hiaro ny fonareo sy ny sainareo, satria efa tafaray amin'i Kristy* Jesoa ianareo.

vendredi 5 août 2016

Zoma 05 Aogositra 2016 - Jak 2 : 14 - 25

14Ry havako, inona moa no soa azon'ny olona milaza azy ho manam-pinoana, raha tsy miseho amin'ny asa izany? Mahavonjy azy ve izany finoana izany? 15Raha tàhiny misy havana iray finoana tsy manan-kitafy sady tsy ampy sakafo, 16dia inona moa no soa azonareo milaza aminy hoe: «Veloma finaritra, manaova mafana tsara, manaova voky tsara», raha tsy mba omenareo azy izay ilain'ny tenany? 17Toy izany kosa àry ny finoana: raha misy tsy miseho amin'ny asa, dia maty mihitsy.

18Nefa raha misy manao hoe: «Ny anao finoana, fa ny ahy asa», dia hovaliako hoe: «Asehoy ahy izay finoanao tsy ombàn'asa, fa hasehoko anao amin'ny asa kosa ny finoako.» 19Inoanao ve fa misy Andriamanitra tokana? Tsara ny ataonao. Mba mino izany koa anefa ireo demony* ka mangovitra. 20Ry adala, tianao ve ny hahafantatra fa tsy vanona ny finoana tsy ombàn'asa? 21Ahoana moa no nahazoan'i Abrahama razantsika ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra? Noho ny asa nataon'i Abrahama, fony izy nanolotra an'i Itsehàka zanany lahy teo ambonin'ny alitara*. 22Hitanao fa indray mientana ny azy ny finoana sy ny asa; ary tonga lavorary ny finoan'i Abrahama noho ny asa nombàny azy. 23Koa tanteraka ny Soratra Masina* manao hoe: ‹Nino an'Andriamanitra i Abrahama, ka nankatoavan'Andriamanitra azy ho marina izany; ary dia nantsoin'Andriamanitra hoe sakaizany izy». 24Hitanareo àry fa nahazo ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra ny olona, noho ny asa fa tsy noho ny finoana fotsiny ihany.

25Toy izay koa i Rahaba vehivavy janga: nahazo ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra izy noho ny asa nataony, fony izy nampiantrano ireo iraka israelita* ary nampandeha azy tamin'ny lalan-kafa.

jeudi 4 août 2016

Alakamisy 04 Aogositra 2016 - I Pet 1 : 3 - 9

3Hankalazaina anie ilay Andriamanitra sady Rain'i Jesoa Kristy* Tompontsika! Be famindrampo tokoa Andriamanitra, ka niteraka antsika indray tamin'ny alalan'i Jesoa Kristy Izay natsangany ho velona avy any amin'ny maty. Izany no ananantsika fanantenana mivaivay 4fa hahazo ny lova tsy mety simba sady tsy azon-doto no tsy mety levona. Voatahiry any an-danitra io lova io mba ho anareo, 5dia ianareo izay arovan'ny herin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny finoana mba handray ny famonjena efa vonona haseho amin'ny andro farany.

6Izany koa no iravoravoanareo na dia mbola tsy maintsy hampahorîna vetivety amin'ny fitsapana samy hafa aza ianareo. 7Ny volamena dia sedraina amin'ny alalan'ny afo na dia zavatra mety simba aza; ary ny finoanareo, izay sarobidy lavitra noho ny volamena, dia sedraina amin'ny alalan'ireny fitsapana ireny ka ho hita fa hahazoan'Andriamanitra dera sy voninahitra ary haja izany, amin'ny andro hisehoan'i Jesoa Kristy. 8Manam-pitiavana an'i Jesoa Kristy ianareo, na dia tsy nahita Azy aza; mino Azy ianareo, na dia tsy mahita Azy aza ankehitriny: izany no iravoravoanareo amin'ny hafaliana tsy hay lazaina sady be voninahitra, 9satria azonareo ilay zava-kendren'ny finoanareo, dia ny famonjena ny fanahinareo.

mercredi 3 août 2016

Alarobia 03 Aogositra 2016 - Eks 17 : 8 - 13

8Tonga hiady amin'ny Israelita tao Refidima ny Hamalekita.

9Dia hoy i Mosesy tamin'i Josoa:
–Mifidiana lehilahy afaka hiaro antsika, dia mivoaha hiady amin'ny Hamalekita. Izaho kosa rahampitso dia hijoro eo an-tampon'ny havoana miaraka amin'ny tehin'Andriamanitra eny an-tanako. 10Dia lasa i Josoa niady tamin'ny Hamalekita araka izay efa nandidian'i Mosesy azy; fa i Mosesy sy i Aharôna ary i Hora kosa dia niakatra teny an-tampon'ny havoana. 11Ary raha mbola nasandratr'i Mosesy ny tanany, dia nahery ny Israelita; fa rehefa navelany hidina, dia nahery ny Hamalekita. 12Ary nony vizaka ireo sandrin'i Mosesy, dia nalain'i Aharôna sy i Hora ny vato ka napetrany teo anilan'i Mosesy, ary nipetraka teo ambonin'io i Mosesy. Dia avy i Aharôna sy i Hora ka nanohana ny sandriny teo an-daniny sy an-kilany, dia naharitra tsy nidina ny tanany ambara-pilentiky ny masoandro. 13Koa resin'i Josoa tanteraka tamin'ny lelan-tsabatra ny tafika hamalekita.

mardi 2 août 2016

Talata 02 Aout 2016 - Lio 18 : 1 - 8

1Nanaovan'i Jesoa fanoharana* avy eo ny mpianany* hanehoana fa tsy maintsy mivavaka lalandava, ka tsy tokony ho kivy na oviana na oviana.

2Hoy Izy hoe:
–Nisy mpitsara tsy nanan-tahotra an'Andriamanitra na hena-maso olona tao an-tanàna anankiray izay. 3Nisy koa tao amin'io tanàna io vehivavy anankiray mpitondratena, niverimberina tao amin'ilay mpitsara nanao hoe: «Omeo rariny amin'ilay miady amiko aho!» 4Elabe ilay mpitsara tsy niraika; nefa nony farany, dia nanao anakampo hoe: «Marina tokoa fa raha izaho dia tsy manan-tahotra an'Andriamanitra na hena-maso olona. 5Kanefa mandreraka ahy ny ataon-dravehivavy ity, ka homeko rariny izy mba tsy hiverimberina foana hanorisory ahy!»

6Ary hoy ny Tompo:
–Henoy kely ny ambaran'ilay mpitsara ratsy fanahy! 7Ka dia Andriamanitra indray ve no tsy hanome rariny ny olom-boafidiny mitaraina andro aman'alina aminy? Ary hampiandry lava azy ireo ve Izy? 8Lazaiko aminareo fa hanome rariny azy faingana Andriamanitra. Kanefa rahatrizay tonga ny Zanak'olona*, moa hahita finoana eto an-tany ve Izy?

lundi 1 août 2016

Alatsinainy 01 Août 2016 - Rom 4 : 1 - 8

1Inona àry no holazaintsika ho efa notsapan'i Abrahama razambenay Jiosy? 2Raha ny asa vitan'i Abrahama no naneken'Andriamanitra azy ho marina, dia ho nahazo nirehareha i Abrahama. Tsy izany anefa no toe-javatra eo anatrehan'Andriamanitra. 3Fa inona tokoa moa no voalazan'ny Soratra Masina*? «Nino an'Andriamanitra i Abrahama ary nankatoavan'Andriamanitra azy ho marina izany!» 4Tsy azo heverina ho fanomezana ny karaman'izay manao ny asa, fa heverina ho toy ny trosa. 5Izay tsy manao asa nefa mino an'ilay Andriamanitra mahatonga ireo ratsy fanahy ho marina, dia izany finoany izany no iheveran'Andriamanitra azy ho marina. 6Toy izany no ilazan'i Davida hoe sambatra ny olona, raha tsy ny asa vitany no iheveran'Andriamanitra azy ho marina:

                 7«Sambatra ireo navelan'Andriamanitra fahotana
                     sy nofoanany heloka.
                 8Sambatra ny olona tsy itanan'ny Tompo heloka!»

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12