jeudi 31 octobre 2019

Alakamisy 31 Oktobra 2019 - Amo 3 : 1 - 8

1Ry taranak’i Israely, dia ianareo ankohonana rehetra izay nampiakarin’ny TOMPO avy tany Ejipta, henoy izao teny nambarany momba anareo izao:

2«Amin’ny fianakaviana rehetra eto ambonin’ny tany,
dia ianareo ihany no nofidiko sy nokarakaraiko;
noho izany, dia hampamoahako anareo
ny fahadisoana rehetra nataonareo.»

3Hiara-dalana ve ny olon-droa,
raha tsy efa nifanaiky?
4Hanerona ao anaty ala ve ny liona,
raha tsy mahita remby?
Hanerongerona ao an-davany ve ny liona tanora,
raha tsy misy zavatra azony?
5Voan’ny fandrika amin’ny tany ve ny vorona,
raha tsy nisy sakafo nisarika azy?
Mikatona ve ny fandrika-harato
raha tsy mahazo zavatra?
6Tsofina ao an-tanàna ve ny trompetra,
ka tsy hisahotaka ny vahoaka?
Misy loza ve ao an-tanàna,
raha tsy ny TOMPO no nanao azy?
7Satria tsy manao zavatra ny Tompo ANDRIANANAHARY,
raha tsy efa mampahafantatra ny fikasany
amin’ireo mpaminany mpanompony.
8Ny liona no nierona,
ka iza no tsy hatahotra?
Ny Tompo ANDRIANANAHARY no niteny,
ka iza no tsy hampita ny hafatra ampitondrainy?

mercredi 30 octobre 2019

Alarobia 30 Oktobra 2019 - Lio 7 : 11 - 17

11Taorian’izany i Jesoa dia nankany amin’ny tanàna atao hoe Naîna ary notronin’ireo mpianany sy vahoaka maro. 12Rehefa tonga teo akaikin’ny vavahadin’ny tanàna Izy, dia tojo olona handevina fatin-jazalahy anankiray; ramatoa reniny tsy nanana afa-tsy iny sady efa mpitondratena, koa olona marobe avy ao an-tanàna no niaraka taminy. 13Vao nahita an-dravehivavy ny Tompo, dia onena azy ka nanao taminy hoe:
–Aoka izay ny ranomasonao, ramatoa!

14Dia nanatona Izy ary nanendry ny tranovorona, ka nijanona ny mpilanja. Ary hoy i Jesoa hoe:
–Ry zatovo, Izaho mandidy anao, mifohaza!

15Dia indro ny maty fa niarina sy nanomboka niteny ary natolotr’i Jesoa an-dreniny. 16Raiki-tahotra ny olona rehetra sady nanome voninahitra an’Andriamanitra hoe:
–Mpaminany lehibe no efa najoron’Andriamanitra eto anivontsika!

Ary koa hoe:
–Efa namangy ny vahoakany Andriamanitra!

17Dia niely eran’i Jodea manontolo mbamin’ny faritany manodidina rehetra ny lazan’i Jesoa.

mardi 29 octobre 2019

Talata 29 Oktobra 2019 - Jao 2 : 18 - 22

18Tamin’izay dia niteny tamin’i Jesoa ny manampahefana jiosy nanao hoe:
–Inona no famantarana asehonao aminay ho porofon’ny fahefana anaovanao an’izao?

19Fa novalian’i Jesoa hoe:
–Ravao ity tempoly ity ary ao anatin’ny telo andro dia hajoroko indray!

20Ka hoy ry zareo:
–46 taona izao no nanaovana ity tempoly ity, ka Ianao ve no hahatafajoro azy ao anatin’ny telo andro?

21Ny tempoly nolazain’i Jesoa anefa dia ny tenany. 22Koa rehefa nitsangana velona avy tany amin’ny maty i Jesoa, dia tsaroan’ny mpianany fa voalazany izany; ka ninoan’izy ireo ny Soratra Masina sy ny teny voalazan’i Jesoa.

lundi 28 octobre 2019

Alatsinainy 28 Oktobra 2019 - Amo 7 : 10 - 17

10Ary i Amatsià, mpisorona tao Betela, dia naniraka hilaza amin’i Jerôbohama mpanjakan’i Israely hoe: «I Hamôsa efa nikotrika fikomiana taminao teo anivon’ny vahoakan’i Israely; tsy zakan’ny tany intsony ireo kabariny rehetra. 11Fa izao manko no voalazan’i Hamôsa: Ho fatin’ny sabatra i Jerôbohama ary ny vahoakan’i Israely dia ho entina ho babo lavitra ny taniny.»
12Dia hoy i Amatsià tamin’i Hamôsa: «Ry mpahazo fahitana, mandehana mandositra any amin’ny tanin’i Joda ianao, ka any no ijoroy ny maha-mpaminany anao; dia ry zareo no hanome anao ny mofo hohaninao. 13Fa aza maminany eto Betela intsony, fa toeram-pivavahana najoron’ny mpanjaka sady lapan’andriamanjaka no eto.»

14Dia namaly an’i Amatsià i Hamôsa nanao hoe:
–Tsy mba mpaminany na anisan’ny tarika mpaminany aho taloha fa mpiandry biby fiompy sady mpanindrona voan’aviavy. 15Saingy nalain’ny TOMPO teo am-piandrasana biby fiompy aho ka nitenenany hoe: «Mandehana ianao ka mijoroa ho mpaminany amin’ny Israely vahoakako.» 16Koa ankehitriny, henoy ny tenin’ny TOMPO. Ianao manao amiko hoe: «Aza maminany ny hamelezana an’i Israely ary aza manambara ny hamelezana ny taranak’i Itsehàka»; 17noho izany, ry Amatsià, dia izao no lazain’ny TOMPO:

Hijangajanga ao an-tanàna ny vadinao;
ireo zanakao lahy sy vavy
dia haringana amin’ny sabatra;
ny taninao dia hozarazaraina amin’ny tady
sy homena olon-kafa;
ianao dia ho faty any amin’ny tany fanompoan-tsampy
ary ny taranak’i Israely dia ho lasan-ko babo
lavitry ny taniny.»

dimanche 27 octobre 2019

Alahady 27 Oktobra 2019 - Asa 2 : 14 - 21

14Fa nitsangana i Petera, niaraka tamin’ny apôstôly 11 lahy, ka nanandra-peo nandahatra tamin’ny vahoaka hoe:
–Ry Jiosy mbamy ianareo rehetra tafatoetra eto Jerosalema, izao no aoka ho fantatrareo, ka henoy tsara ny teniko. 15Tsy mamo velively araka ny fieritreretanareo akory ireo olona ireo, satria vao amin’ny sivy maraina izao. 16Fa izay mitranga eto izao dia fahatanterahan’ilay voalazan’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Joela mpaminany hoe:

17«Izao no ho tonga amin’ny andro farany, hoy Andriamanitra:
Handrotsahako ny Fanahiko ny olombelona rehetra;
hilaza hafatra avy amiko
ny zanakareo lahy aman-janakareo vavy,
hisehoam-pahitana ny tanoranareo,
ary hahazo tsindrimandry ny zokiolonareo.
18Eny, amin’izany andro izany, dia samy handrotsahako ny Fanahiko
ireo mpanompoko na lahy na vavy
ka hilaza hafatra avy amiko izy rehetra.
19Hampisehoako zava-mahatalanjona eny amin’ny habakabaka ambony
ary famantarana etỳ amin’ny tany ambany:
hisy ra sy afo ary zavon-tsetroka,
20hiova ho haizina ny masoandro
ary ny volana ho tonga mena tahaka ny ra
alohan’ny higadonan’ny andro hiavian’ny Tompo,
dia ilay andro lehibe sy mamirapiratra.
21Ary izay rehetra hiantso ny anaran’ny Tompo dia ho voavonjy!»

samedi 26 octobre 2019

Sabotsy 26 Oktobra 2019 - Jer 14 : 15 - 22

15Koa Izaho TOMPO no milaza ny amin’ireo mpaminany ireo hoe: Tsy naniraka azy Aho nefa nihambo haminany amin’ny anarako izy fa tsy hisy ady na mosary na areti-mandringana eto amin’ity tany ity. Koa ny ady sy mosary tokoa no handringana azy hatramin’ny farany. 16Ary ny vahoaka izay naminaniany koa dia hitsitra eny an-dalamben’i Jerosalema noho ny ady sy ny mosary ka tsy hisy handevina ireo olona ireo, na ny vadiny na ny zanany lahy na ny zanany vavy. Izany no hanatsingerenako aminy ihany ny ratsy nataony.

17Izao kosa no teny holazainao aminy:
Ny masoko anie hijononoka ranomaso
andro aman’alina tsy an-kiato,
satria goavana ny fahavoazan’ny vahoakako
ary mafy dia mafy tokoa ny ratra nahazo azy.
18Raha mivoaka eny an-tsaha aho,
dia ireo matin-tsabatra no hitako;
raha miditra an-tanàna aho,
dia ireo matin’ny mosary no hitako.
Ny mpaminany sy ny mpisorona
dia mivezivezy eo amin’ny tany,
fa tsy mahalala na inona na inona.
(Ny vahoaka)
19Tompo ô, efa narianao tokoa ve i Joda?
Efa naharikoriko Anao ve i Tsiôna?
Nahoana no mikapoka mafy anay Ianao
ka tsy misy mahasitrana anay?
Nanantena fiadanana izahay
kanjo tsy nisy soa akory,
ary niandrandra fotoam-pahasitranana
kanjo indro zava-mahatahotra.
20TOMPO ô, ekenay ny faharatsianay
sy ny fahadisoan’ny razanay
fa efa nanota taminao izahay.
21Noho ny lazanao, dia aza hamavoina izahay
ary noho ny sezafiandriananao be voninahitra
dia aza atao tsinontsinona izahay.
Tsarovy ka aza itsoahanao
ny fanekempihavanana nataonao taminay.
22Moa misy mahalatsaka orana ve
ny sampin’ireo firenen-kafa?
Moa ny lanitra va mampirotsaka oram-baratra
fa tsy Ianao, ry TOMPO Andriamanitray?
Koa mitoky aminao izahay
satria Ianao no manao ireo rehetra ireo.

vendredi 25 octobre 2019

Zoma 25 Oktobra 2019 - Joe 3 : 1 - 5

1Dia hoy ny TOMPO hoe:
«Rehefa afaka izany
dia handatsaka ny Fanahiko
amin’ny olombelona rehetra Aho,
ka haminany ny zanakalahinareo
mbamin’ny zanakavavinareo,
hanonofy ny lahiantitrareo
ary hisehoam-pahitana ny tanoranareo.
2Na dia ny mpanompolahy
sy ny mpanompovavy aza
dia handatsahako ny Fanahiko
amin’izany andro izany.
3Hampiseho zava-mahagaga
eny amin’ny lanitra
sy etỳ amin’ny tany Aho,
dia ra sy afo ary setroka mitambolina.
4Ho maizina ny masoandro
ary ho mena toy ny ra ny volana
mialoha ny hiavian’ny andron’ny TOMPO
izay andro lehibe sady mahatahotra.
5Ary na iza na iza hiantso
ny anaran’ny TOMPO
dia ho voavonjy.
Fa eo an-tendrombohitra Tsiôna sy ao Jerosalema
dia hisy sisa afaka, araka ny voalazan’ny TOMPO.
Ary izay antsoin’ny TOMPO
dia ho isan’ny afa-mandositra.

jeudi 24 octobre 2019

Alakamisy 24 Oktobra 2019 - Mat 7 : 21 - 23

21–Tsy izay rehetra manao amiko hoe: «Tompo ô! Tompo ô!», no hiditra any amin’ny Fanjakàn’ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon’ny Raiko Izay any an-danitra. 22Amin’izany andro izany, dia maro no hanao amiko hoe: «Tompo ô, Tompo ô, tsy efa nilaza hafatra tamin’ny anaranao ve izahay? tsy efa nandroaka demony tamin’ny anaranao ve izahay? tsy efa nanao asa mahagaga maro tamin’ny anaranao ve izahay?» 23Ary amin’izay no hanambarako aminy hoe: «Tsy fantatro na oviana na oviana ianareo; mialà amiko, ianareo mpanao ratsy!»

mercredi 23 octobre 2019

Alarobia 23 Oktobra 2019 - I Pet 1 : 6 - 12

6Izany koa no iravoravoanareo na dia mbola tsy maintsy hampahorîna vetivety amin’ny fitsapana samy hafa aza ianareo. 7Ny volamena dia sedraina amin’ny alalan’ny afo na dia zavatra mety simba aza; ary ny finoanareo, izay sarobidy lavitra noho ny volamena, dia sedraina amin’ny alalan’ireny fitsapana ireny ka ho hita fa hahazoan’Andriamanitra dera sy voninahitra ary haja izany, amin’ny andro hisehoan’i Jesoa Kristy. 8Manam-pitiavana an’i Jesoa Kristy ianareo, na dia tsy nahita Azy aza; mino Azy ianareo, na dia tsy mahita Azy aza ankehitriny: izany no iravoravoanareo amin’ny hafaliana tsy hay lazaina sady be voninahitra, 9satria azonareo ilay zava-kendren’ny finoanareo, dia ny famonjena ny fanahinareo.

10Ny amin’izany famonjena izany dia nanaovan’ireo mpaminany famotopotorana sy fikarohana fatratra, satria ireo no efa nilaza mialoha ny fahasoavana voatendrin’Andriamanitra ho anareo. 11Nokarohin’ny mpaminany tokoa izay vaninandro sy toe-javatra notondroin’ny Fanahin’i Kristy; fa tao anatin’izy ireo ny Fanahin’i Kristy ka nanambara mialoha ny fijaliana hanjo an’i Kristy sy ny voninahitra hanaraka izany. 12Nasehon’Andriamanitra tamin’ireo mpaminany fa ny zavatra nomena horaharahainy dia tsy natao ho azy ireo fa natao ho anareo; ary izany zavatra izany dia nampandrenesina anareo ankehitriny, tamin’ny alalan’ireo olona izay nombàn’ny Fanahy Masina nirahina avy tany an-danitra ka nitory ny Vaovao Mahafaly taminareo. Eny, izany zavatra izany aza dia irîn’ireo anjely hodinihina.

mardi 22 octobre 2019

Talata 22 Oktobra 2019 - Mpi 4 : 4 - 16

4Tamin’izany fotoana izany dia i Debôrà, mpaminanivavy vadin’i Lapidôta, no mpitsara nitondra an’i Israely. 5Ny sezam-pitsarana nipetrahan’i Debôrà dia teo ambany hazo rofia, izay nantsoina tatỳ aoriana hoe «Hazo Rofian’i Debôrà», teo anelanelan’i Ramà sy i Betela, any amin’ny faritra be tendrombohitra any Efraîma. Niakatra tany ny Israelita rehefa hotsaraina. 6Indray andro i Debôrà dia nampiantso an’i Baràka zanakalahin’i Abinôhama; nampiantsoiny avy any Kedesa any amin’ny faritra naftalîta izy ka nilazany hoe:
–Izao no andidian’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely anao: Mandehana maka vatan-dehilahy andiany folo avy amin’ny fokon’i Naftalỳ sy i Zebolòna, ka tariho any an-tendrombohitra Tabôra. 7Fa hoentaniko i Siserà lehiben’ny tafik’i Jabîna ho tonga eo amoron’ny renirano Kisôna mba hanafika anao miaraka amin’ny kalesiny sy ny andian-tafiny; dia hatolotro eo an-tananao izy.

8Fa namaly an’i Debôrà i Baràka nanao hoe:
–Raha handeha hiaraka amiko ianao, dia handeha aho; fa raha tsy handeha hiaraka amiko kosa ianao, dia tsy handeha aho.

9Ka hoy i Debôrà taminy:
–Handeha hiaraka aminao aho, saingy tsy hisy voninahitra ho anao izao dia halehanao izao, satria ho eo an-tanam-behivavy no hanoloran’ny TOMPO an’i Siserà.

Dia nandeha ho any Kedesa niaraka tamin’i Baràka i Debôrà. 10Nangonin’i Baràka tao ny vatan-dehilahy zebolonîta sy naftalita. Andiany folo no nanaraka azy teny an-tendrombohitra Tabôra, ary niakatra niaraka taminy koa i Debôrà. 11Tao akaikin’i Kedesa no nisy an’i Hebera lehilahy kenita. Noho izy tafasaraka tamin’ireo Kenita hafa taranak’i Hôbaba zaodahin’i Mosesy, dia nanorin-day teo akaikin’ny terebintan’i Tsahananîma izy.

12Dia notantaraina tamin’i Siserà fa niakatra any an-tendrombohitra Tabôra i Baràka, zanakalahin’i Abinôhama. 13Koa novoriny tao Harôseta-Gôima ny kalesiny vy sivinjato sy ny miaramilany rehetra; dia avy teo izy no nankany amin’ny renirano Kisôna.

14Ary hoy i Debôrà tamin’i Baràka:
–Andao amin’izay fa anio no hanoloran’ny TOMPO an’i Siserà eo an-tananao. Ny TOMPO mihitsy no mandeha eo alohanao!

Dia nidina avy teo an-tendrombohitra Tabôra i Baràka narahin’ireo vatan-dehilahiny nisy andiany folo. 15Tamin’izay no nataon’ny TOMPO nifanaritaka teo anoloany kosa i Siserà sy ny kalesiny mbamin’ny miaramilany rehetra. Niala tamin’ny kalesiny mihitsy aza i Siserà ka nandositra an-tongotra. 16Nanenjika ireo kalesy sy ny andian-tafiky ny fahavalony hatrany Harôseta-Gôima i Baràka; dia naringany tamin’ny sabatra avokoa ny miaramilan’i Siserà ka tsy nisy niangana na iray aza.

lundi 21 octobre 2019

Alatsinainy 21 Oktobra 2019 - Jer 31 : 1 - 6

1«Rehefa tonga izany fotoana izany, hoy ny teny hentitry ny TOMPO, dia ho Andriamanitry ny foko israelita rehetra Aho, ary izy ho vahoakako.»

2Izao no lazain’ny TOMPO:
«Tany an-taniefitra no nanehoako hatsaram-po
ny vahoaka sisa tsy matin’ny fandringanana.
Hizotra milamina amin’izay i Israely.

3Hoy izy hoe:
‹Avy lavitra ny TOMPO no tonga niseho tamiko.›
ka hoy ny navaliko azy:
‹Fitiavana mandrakizay no itiavako anao
ka famindrampo no itaomako anao hanatona Ahy.
4Haoriko indray ianao, ry Israely mamiko,
ka ho voaorina;
hiravahanao indray ny ampongatapakao
hanentananao ireo mpandihy mitotorebika.
5Hambolenao voaloboka indray
eny amin’ny havoanan’i Samaria
ka ireo mpamboly no hioty
ny vokatry ny famboleny.
6Fa ho avy indray ny andro
izay hiantsoan’ireo mpiambina
eny an-tendrombohitr’i Efraîma hoe:
Andeha isika hiakatra any Tsiôna
ho eo anilan’ny TOMPO Andriamanitsika!› »

dimanche 20 octobre 2019

Alahady 20 Oktobra 2019 - I Kor 12 : 4 - 11

4Voazarazara ho samy hafa ny fanomezam-pahasoavana, nefa ny Fanahy Masina dia iray ihany. 5Voazarazara ho samy hafa ny fanompoana, nefa ny Tompo dia iray ihany. 6Voazarazara ho samy hafa ny asa, nefa Andriamanitra dia iray ihany, loharano ipoiran’ny asa rehetra ao amin’ny olona rehetra. 7Samy omena fanomezana maneho ny Fanahy Masina ny olona tsirairay ho fanasoavana ny daholobe. 8Ny anankiray dia omen’ny Fanahy teny feno fahendrena; ary ny anankiray omen’izany Fanahy izany teny feno fahalalana. 9Ny anankiray omen’izany Fanahy izany finoana; ary ny anankiray omen’izany Fanahy izany fanomezam-pahasoavana hanasitrana marary. 10Ny anankiray, hanao asa mahagaga; ny anankiray, hilaza hafatra avy amin’Andriamanitra; ny anankiray, hahay manavaka ny Fanahy Masina sy ny fanahy manodoka; ny anankiray, hiteny amin’ny fiteny samy hafa tsy fantatra; ary ny anankiray, hanazava ny fiteny tsy fantatra. 11Izany Fanahy iray izany ihany no loharano ipoiran’ireo fanomezana rehetra ireo, ka mizarazara azy, araka izay sitrapony, amin’ny olona tsirairay.

samedi 19 octobre 2019

Sabotsy 19 Oktobra 2019 - Jao 9 : 8 - 17

8Tamin’izay ireo mpiara-monina aminy sy ireo olona nahita fa mpangataka izy taloha, dia nanao hoe:
–Tsy ity ve ilay nipetraka nangataka?

Ka hoy ny sasany:
–Izy io!

9Fa hoy ny sasany:
–Tsia, fa olona mitovy aminy!

Ralehilahy kosa nilaza hoe:
–Izaho mihitsy ity!

10Dia hoy ny olona taminy:
–Fomba ahoana àry no nahiratan’ny masonao?

11Fa novaliany hoe:
–Ilay Lehilahy atao hoe Jesoa no nanao feta sy nanosotra ny masoko, dia nanao tamiko hoe: «Ndeha ianao mankany amin’ny dobo Silôà, dia misasà maso.» Koa lasa nankany aho, dia nisasa maso ary nahiratra.

12Dia hoy ny olona taminy:
–Aiza moa izany Lehilahy izay?

Fa novaliany hoe:
–Tsy fantatro!

13Dia nentin’ny olona tany amin’ny Farisianina ilay jamba taloha. 14Andro sabata no nanaovan’i Jesoa ny feta sy nampahiratany maso azy; 15koa ireo Farisianina indray no nanontany ilay jamba taloha ny amin’ny fomba nahiratany, ary izao no navaliny:
–Nasiany feta ny masoko, dia nisasa maso aho ka nahiratra!

16Tamin’izay ny sasany tamin’ireo Farisianina dia nanao hoe:
–Tsy avy amin’Andriamanitra izany Lehilahy izany, satria tsy mitandrina ny fepetra momba ny sabata!

Ny sasany kosa nanao hoe:
–Fomba ahoana moa no ahafahan’olona mpanota manao famantarana toy ireny?

Dia nisara-tsaina ry zareo. 17Ary hoy indray ireto Farisianina tamin’ilay jamba:
–Ianao kosa, ahoana no mba ilazanao Azy, raha nampahiratra ny masonao Izy?

Ka novaliany hoe:
–Mpaminany Izy.

vendredi 18 octobre 2019

Zoma 18 Oktobra 2019 - I Sam 19 : 19 - 24

19Nisy nanambara tamin’i Saoly fa ao Naiôta akaikin’i Ramà i Davida. 20Dia naniraka olona indray i Saoly hisambotra an’i Davida. Rehefa hitan’izy ireo anefa ny andiana mpaminany izay tarihin’i Samoela fa tsindrian-daona maminany, dia nohetsehin’ny Fanahin’Andriamanitra ireto irak’i Saoly, ka nanomboka naminany koa. 21Raha vao ren’i Saoly izany vaovao izany, dia naniraka olon-kafa izy, nefa tsindrian-daona naminany ihany koa izy ireo. Naniraka andiany fahatelo indray i Saoly, ary dia mbola toy ny teo aloha ihany no niseho. 22Farany dia izy tenany mihitsy no nankany Ramà. Rehefa tonga teo amin’ny lavaka lehibe famorian-drano akaikin’i Sekò izy, dia nanontany hoe:
–Aiza moa i Samoela sy i Davida?

Ka hoy ny navalin’ny olona azy hoe:
–Any Naiôta, akaikin’i Ramà.

23Dia lasa nankany Naiôta akaikin’i Ramà i Saoly. Teny an-dalana dia tonga taminy ny Fanahin’Andriamanitra, ka tsindrian-daona naminany mandra-pahatongany tany Naiôta izy. 24Nanala ny fitafiany tahaka ireo hafa izy, dia mba naminany teo anatrehan’i Samoela ihany koa, ary nidaboka tamin’ny tany sady nitanjaka iny andro sy alina manontolo izy. Izany no nanaovan’ny olona hoe: «Mba tonga anisan’ny mpaminany koa ve i Saoly?»

jeudi 17 octobre 2019

Alakamisy 17 Oktobra 2019 - Mat 11 : 1 - 10

1Nony vitan’i Jesoa ny hafatrafatra ho an’ireo mpianany 12 lahy, dia niala teo Izy hampianatra sy hitoriteny any amin’ny tanànan-dry zareo Jiosy.
Irak’i Jôhany Mpanao batisa tany amin’i Jesoa

2Ren’i Jôhany Mpanao batisa tao am-ponja ny asa nataon’i Jesoa, ka nisy nirahin’i Jôhany ny mpianany 3hanontany azy hoe:
–Ianao ve no Ilay ho avy sa olon-kafa no mbola tokony handrasanay?

4Dia hoy i Jesoa namaly ireto iraka:
–Ndeha ambarao an’i Jôhany ny zavatra hitanareo sy renareo: 5mahiratra ny jamba, mandeha tsara ny mandringa, madio ny marary hoditra, mandre ny marenina, atsangana ho velona ny maty, itoriana ny Vaovao Mahafaly ny mahantra. 6Koa sambatra izay tsy voasakana hino Ahy!

7Nony lasa ireto iraka, dia niteny momba an’i Jôhany tamin’ny vahoaka i Jesoa nanao hoe:
–Hizaha inona no nalehanareo tany an-taniefitra? Volotara hetsiketsehin-drivotra ve? Tsia! 8Fa hizaha inona àry no nalehanareo tany? Olona marevaka fitafiana ve? Izay marevaka fitafiana dia any amin’ny lapan’ny mpanjaka! 9Koa hizaha inona àry no nalehanareo tany? Mpaminany ve? Izany tokoa, hoy Aho aminareo, ary mihoatra noho ny mpaminany aza. 10Fa i Jôhany no ilay voalazan’ny Soratra Masina hoe:

«Indro alefako hialoha Anao ny irako,
hoy Andriamanitra,
mba hamboatra ny lalan-kalehanao!»

mercredi 16 octobre 2019

Alarobia 16 Oktobra 2019 - Apo 11 : 1 - 6

1Ary nomena volotara tahaka ny tehina fandrefesana aho, dia nilazana hoe:
–Mitsangàna, ka refeso ny tempolin’Andriamanitra sy ny alitara ary isao izay mivavaka ao. 2Ny kianjan’ny tempoly, ilay eo ivelany, dia avelao ihany fa aza refesina; satria nomena ny hafa firenena izany, ka hanitsakitsaka ny tanàna masina izy ireo mandritra ny 42 volana. 3Ary homeko hery ny vavolombelona roa mpanambara Ahy, ka hitondra ny hafatro mandritra ny 1 260 andro sady hitafy gony.

4Ireo vavolombelona roa ireo no fototr’ôliva anankiroa sy fitoeranjiro anankiroa, izay mijoro eo anatrehan’ilay Tompon’ny tany. 5Ka raha misy mitady hanisy ratsy azy ireo, dia misy afo mivoaka avy ao am-bavany handevona ny fahavalony; ary tsy maintsy hovonoina ho faty toy izany izay mitady hanisy ratsy azy ireo. 6Ireo no manam-pahefana hanidy ny lanitra, mba tsy hilatsahan’ny ranonorana mandritra ny andro hampitany ny hafatr’Andriamanitra; sady manam-pahefana amin’ny rano, ka mahova azy ho ra; ary manam-pahefana hamely ny tany amin’ny loza rehetra isaky ny te hanao izany.

mardi 15 octobre 2019

Talata 15 Oktobra 2019 - Jer 26 : 8 - 17

 8Koa rehefa tapitra voalazan’i Jeremià ny teny rehetra izay nasain’ny TOMPO nambarany tamin’ny besinimaro teo, dia nosamborin’izy rehetra i Jeremià ka nataony hoe:
–Mendrika ho faty ianao. 9Ahoana no ahasahianao milaza amin’ny anaran’ny TOMPO fa horavana tahaka ny tao Silao ity trano ity, ary ho simba sady tsy hisy mponina ity tanàna ity?
Tamin’izay dia nitangorona hamely an’i Jeremià izay rehetra teo an-kianjan’ny tranon’ny TOMPO.
10Nony ren’ireo mpitondran’i Joda ny zava-nitranga, dia niakatra avy tao an-dapan’ny mpanjaka hankao an-tranon’ny TOMPO izy, ka nipetraka hitsara teo anoloan’ny vavahady vaovao amin’ny tranon’ny TOMPO.

11Dia hoy ireo mpisorona ama-mpaminany tamin’ny mpitondran’i Joda ary koa tamin’ny vahoaka rehetra teo:
–Mendrika ho faty io lehilahy io, satria naminany ny hamelezana ity tanàna ity izy, ary ny sofinareo mihitsy no efa nandre.

12Fa namaly ny mpitondra sy ny vahoaka rehetra teo i Jeremià ka nanao hoe:
–Ny TOMPO no naniraka ahy hanambara ny hamelezana ity trano ity sy ity tanàna ity araka izay efa renareo teo. 13Koa ankehitriny hatsarao ny fitondrantenanareo sy ny fomba fanaonareo; henoy izay lazain’ny TOMPO Andriamanitrareo, dia tsy hampiharin’ny TOMPO ilay loza efa nolazainy hamelezana anareo. 14Ary raha ny tenako dia indro eo am-pelatananareo; ka ataovy amiko izay heverinareo ho tsara sy mahitsy. 15Saingy izao, raha hamono ahy ho faty ianareo, dia fantaro fa mamono ny tsy manan-tsiny ka hibaby ny vokatr’izany ianareo sy ny mponina rehetra amin’ity tanàna ity; satria ny TOMPO tokoa no naniraka ahy hankatỳ aminareo hanambara ireo teny rehetra ireo mba ho renareo.

16Tamin’izay dia hoy ireo mpitondra sy ny vahoaka rehetra tamin’ny mpisorona sy ny mpaminany hoe:
–Tsy mendrika ho faty ity lehilahy ity fa tamin’ny anaran’ny TOMPO Andriamanitsika no nitenenany tamintsika.

vendredi 11 octobre 2019

Zoma 11 Oktobra 2019 - I Kor 14 : 1 - 6

1Iezaho hatrany izay hananana ny fitiavana; nefa irio fatratra koa ny fanomezam-pahasoavana avy amin’ny Fanahy Masina, indrindra fa ny milaza hafatra avy amin’Andriamanitra. 2Izay miteny amin’ny fiteny tsy fantatra dia tsy miteny miantefa amin’ny olona fa miantefa amin’Andriamanitra, satria tsy azon’olona izay teneniny fa herin’ny Fanahy Masina no anambaràny zava-miafina; 3fa izay milaza hafatra avy amin’Andriamanitra kosa dia miteny miantefa amin’ny olona mba hampandroso azy ireo amin’ny finoana ary koa hankahery sy hampionona azy ireo. 4Izay miteny amin’ny fiteny tsy fantatra dia ny tenany fotsiny no ampandrosoiny amin’ny finoana; fa izay milaza hafatra avy amin’Andriamanitra kosa dia ny fiangonana no ampandrosoiny amin’ny finoana.

5Satriko ny samy hitenenanareo rehetra amin’ny fiteny tsy fantatra, nefa aleoko ny hilazanareo hafatra avy amin’Andriamanitra. Fa izay milaza hafatra avy amin’Andriamanitra dia ambony kokoa noho izay miteny amin’ny fiteny tsy fantatra, raha tsy hoe misy olona afaka manazava izay lazainy mba hampandroso ny mpiangona amin’ny finoana. 6Koa manontany anareo aho, ry havako: raha mankatỳ aminareo aho ka fiteny tsy fantatra no itenenako aminareo, moa hahasoa anareo ve aho? Tsy hahasoa anareo aho raha tsy fanambarana, na teny feno fahalalana, na hafatra avy amin’Andriamanitra, na fampianarana no itenenako aminareo.

jeudi 10 octobre 2019

Alakamisy 10 Oktobra 2019 - Lio 24 : 17 - 27

17Dia hoy i Jesoa taminy:
–Inona izao iadianareo hevitra etỳ an-dalana izao?

Dia niato kely izy roa lahy sady maloka endrika erỳ. 18Ary namaly Azy ny anankiray atao hoe Kleôpasy ka nanao hoe:
–Ianao irery ve no vahiny mandalo eto Jerosalema tsy mahalala ny zava-nitranga tao, tato ho ato?

19Dia hoy i Jesoa taminy:
–Zavatra inona moa izany?

Ka novalian’izy roa lahy hoe:
–Ny amin’i Jesoa avy any Nazareta, Izay mpaminany mahery tamin’ny asany sy tamin’ny teniny teo anatrehan’Andriamanitra sy ny vahoaka manontolo; 20kanjo natolotry ny lohandoha-mpisorona sy ny manampahefana eto amintsika mba hohelohina ho faty ary nasainy nohomboana tamin’ny hazofijaliana. 21Nanantena izahay fa Izy no Ilay hanavotra an’i Israely, ary tsy izany ihany fa androany izao no andro fahatelo hatramin’ny nitrangan’izany. 22Nisy ihany anefa vehivavy sasany namanay nahasanganehana anay fatratra: tany amin’ny fasana vao maraina be ry zareo, 23saingy tsy nahita ny vatan’i Jesoa, ary niverina nitantara taminay fa nisehoan’ny anjely anankiroa, ka ireo anjely, hono, nilaza fa velona Izy. 24Dia nisy tamin’ny lehilahy namanay mba nankany amin’ny fasana ka nahita araka ny filazan’ireo vehivavy, fa Izy tsy hitany.

25Dia hoy i Jesoa tamin’izy roa lahy:
–Olona votsa saina ianareo ary ela vao mino izay rehetra voalazan’ny mpaminany! 26Moa tsy tokony ho niaritra izany ve ny Mesia, alohan’ny hidirany any amin’ny voninahiny?

27Dia nohazavain’i Jesoa tamin’ireto mpianatra ny momba Azy ao amin’ny Soratra Masina manontolo, nanomboka tamin’ny bokin’i Mosesy ka nitohy tamin’ny bokin’ny mpaminany rehetra.

mercredi 9 octobre 2019

Alarobia 09 Oktobra 2019 - II Tan 25 : 6 - 16

6Teo koa ny lehilahy maherifo israelita nisy antokony zato nokaramain’ity mpanjaka volafotsy telo taonina 7Kanefa nisy lehilahy olon’Andriamanitra tonga tao amin’i Amatsià ka nanao hoe:
–Ry andriamanjaka, aza avela hanaraka anao hiantafika ny miaramila israelita, satria tsy miaraka amin’ireo rehetra taranak’i Efraîma ireo ny TOMPO. 8Fa raha miara-manainga aminy ihany ianao, na dia hahery mikatroka an’ady toy inona aza, dia hataon’Andriamanitra lavo eo anoloan’ny fahavalonao; Andriamanitra manko no hany mahay mampandresy na mampahalavo.

9Hoy kosa i Amatsià tamin’ilay olon’Andriamanitra:
–Ka hatao ahoana ny amin’ny volafotsy telo taonina izay nomeko ny miaramila israelita?

Dia novaliany hoe:
–Ny TOMPO dia mahay manome anao mihoatra lavitra noho izany.

10Ary navahan’i Amatsià ny miaramila efraimita tonga teo aminy mba halefa hody indray; ka sady lasa nody ireo no nirehi-pahatezerana mafy dia mafy tokoa tamin’ny fanjakàn’i Joda.
11Nanana herimpo i Amatsià, ka nitarika ny tafiny hankao amin’ny Lohasahan-tsira, ary nahafaty antokony folo tamin’ny Edômita taranak’i Sehîra. 12Ary ny antokony folo sisa kosa dia nataon’ny Jodeanina sambo-belona, dia nentiny teo antampon’ny hantsam-bato ary navariny teo, ka montsamontsana izy rehetra.

13Fa ny miaramila efraimita, izay nalefan’i Amatsià hody mba tsy hiara-miantafika aminy, dia niriotra namely ireo tanàna jodeanina nanomboka teo Migrôna ka nipaka hatrany Bety-Hôrôna ary nahafaty olona telo arivo sady nitondra babo betsaka.

14Nony niverina avy nanafika ny Edômita i Amatsià, dia nitondra ny sarivongan’ny andriamanitr’ireo taranak’i Sehîra ireo ka nanangana azy ho andriamaniny; ary niankohoka teo anatrehany izy hitsaoka azy sady nanolotra sorona taminy. 15Dia nirehi-pahatezerana tamin’i Amatsià ny TOMPO, ka naniraka mpaminany anankiray ho any aminy hanontany azy hoe:
–Nahoana ianao no mivavaka amin’ny andriamanitr’ireo hafa firenena, dia andriamanitra izay tsy naharo ny olony tamin’ny tananao akory aza?

16Fa rehefa nitenenan’ity mpaminany izany izy, dia namaly hoe:
–Moa ve nisy nanendry anao ho mpanolotsaina ny mpanjaka? Aoka itsỳ, fandrao asian’ny olona eo ianao!

Dia niato kely ilay mpaminany, vao nanohy hoe:
–Fantatro fa nanapa-kevitra hahafaty anao Andriamanitra, satria nanao izany ianao ka tsy nihaino ny anatro.

mardi 8 octobre 2019

Talata 08 Oktobra 2019 - Lio 7 : 36 - 50

36Nisy Farisianina nanasa an’i Jesoa hiara-misakafo aminy, koa nandroso tao aminy Izy ary naka toerana. 37Nisy kosa vehivavy anankiray malaza ho mpanota tao an-tanàna. Vao nahalala ravehivavy fa hoe misakafo ao amin’ilay Farisianina i Jesoa, dia naka ilomanitra eran’ny tavoahangy alabasitra; 38ka indro izy nankeo ivohon’i Jesoa ary nitomany dia nitomany teo an-tongony. Kotsan’ny ranomaso ny tongotr’i Jesoa ka nofaohin-dravehivavy tamin’ny volon-dohany, norokorohany tamim-pitiavana ary nohosorany an’ilay ilomanitra. 39Raha nahita izany ilay Farisianina nampiantrano an’i Jesoa, dia nanao anakampo hoe: «Raha mpaminany tokoa ity, dia ho nahafantatra izay tena toetran’io vehivavy mikasikasika Azy io fa hoe mpanota.»

40Ary i Jesoa niteny taminy hoe:
–Simôna ô, misy zavatra tiako holazaina aminao!

Dia hoy i Simôna hoe:
–Lazao àry hoe, ry Mpampianatra!

41Ka hoy i Jesoa taminy:
–Nisy, hono, olona roa nitrosa vola tamin’izay mpampisambo-bola izay; ny iray nitrosa denàry dimanjato, ny iray denàry dimampolo. 42Samy tsy nanan-kandoavana anefa izy roa lahy ka dia nafoin’ny mpampisambotra ny trosa rehetra rehetra. Iza amin’izy roa lahy, hoy ianao, no ho tia azy kokoa?

43Dia novalian’i Simôna hoe:
–Ataoko fa ilay namoizany be.

Ka hoy i Jesoa taminy:
–Marina ny hevitrao!

44Dia nitodika nijery an-dravehivavy Izy sady nanao tamin’i Simôna hoe:
–Hitanao ve ity vehivavy ity? Niditra ny tranonao Aho: ianao tsy nanome rano Ahy hanasako tongotra; izy kosa ny ranomasony no nanondrahany ny tongotro ary ny volon-dohany no namaohany azy. 45Ianao tsy nanoroka Ahy; izy kosa, hatrizay nidirany, tsy nitsahatra nanorokoroka ny tongotro. 46Ianao tsy nanosotra diloilo ny lohako; izy kosa nanosotra ilomanitra ny tongotro. 47Koa izao no teniko aminao: Voavela ny heloka be nataony, noho izy be fitiavana; fa izay amelana kely no kely fitiavana.

48Hoy kosa i Jesoa tamin-dravehivavy:
–Voavela ny helokao!

49Ireo niara-nisakafo tamin’i Jesoa dia nanao anakampo hoe: «Iza moa ity no mamela heloka?» 50Fa hoy indray i Jesoa tamin-dravehivavy:
–Ny finoanao no nahavonjy anao! Ndeha àry ka veloma finaritra!

lundi 7 octobre 2019

Alatsinainy 07 Oktobra 2019 - Eze 11 : 1 - 12

1Ary ningain’ny Fanahin’ny Tompo aho ka nentiny hankeo amin’ilay vavahady atsinanana amin’ny tranon’ny TOMPO. Tazako teo anilan’ny fidirana ny lehilahy 25 ka anisan’ireny ireo roalahy lehiben’ny vahoaka, dia i Jazanià zanakalahin’i Hazora, sy i Pelatià zanakalahin’i Benaià. 2Ary hoy ny Fanahy tamiko: «Ry ilay taranak’olombelona, ireo no lehilahy manomana asa ratsy sy manolo-tsaina mandoza eto Jerosalema. 3Lazainy hoe: ‹Tsy hanorenana trano intsony eto ao anatin’ny fotoana elaela! Fa ho toy ny vilany ity tanàna ity ary isika no ho hena tahirizina ao anatiny.› 4Koa ianao, ry ilay taranak’olombelona, ijoroy ny maha-mpaminany anao, eny, ijoroy ny maha-mpaminany anao mba hanohitra azy.».

5Dia nilatsaka tamiko ny Fanahin’ny TOMPO ka nandidy ahy hanambara hoe: «Izao no lazain’ny TOMPO: Fantatro izay teneninareo, ry olon’i Israely, fantatro ny eritreritra tonga ao an-tsainareo! 6Efa nahafaty olona maro teto amin’ity tanàna ity ianareo; ary namenoanareo ny lalambe ny fatiny. 7Koa hoy Izaho Tompo ANDRIANANAHARY aminareo: toy ny vilany ity tanàna ity, ary ny hena dia ireo efa novonoinareo ho faty teo anivony. Ianareo kosa anefa dia horoahiko tao. 8Matahotra ny ady ve ianareo? Raha izany, dia halefako aminareo ny ady. Teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany! 9Horoahiko hiala amin’ity tanàna ity ianareo, ka hatolotro ho eo an-tanàn’ny firenen-kafa; ary hotanterahiko ny didim-pitsarako ny aminareo. 10Hampihariko aminareo ny fitsarako ato anatin’ny faritr’i Israely, ka hovonoiko ho faty amin’ny ady ianareo. Amin’izay dia hoekenareo fa Izaho no TOMPO. 11Tsy ho toy ny vilany ho anareo ity tanàna ity ary tsy ho toy ny hena tahirizina ao anatiny ianareo; fa hampihariko aminareo ny fitsarako ato anatin’ny faritr’i Israely. 12Amin’izay dia hoekenareo fa Izaho no TOMPO Izay tsy nankatoavinareo lalàna sy tsy narahinareo fitsipika, satria nanaraka ny fomban’ireo firenena nanodidina ianareo.»

dimanche 6 octobre 2019

Alahady 06 Oktobra 2019 - Nom 11 : 23 - 27

23Fa hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy:
–Ary ny heriko, moa mba misy fetrany va? Ho hitanao izao ankehitriny izao na ho tanteraka aminao ny teniko na tsia.

24Nisinda kely i Mosesy ka nilaza ny tenin’ny TOMPO tamin’ny vahoaka. Nangoniny avy eo ireo fitopolo lahy tamin’ny loholom-bahoaka, dia napetrany nanodidina ny Tranolay fihaonana. 25Ary nidina teo amin’ny rahona ny TOMPO ka niresaka tamin’i Mosesy. Nangalany ny fanahy tamin’i Mosesy ka nanomezany ho an’ny loholona fitopolo lahy. Ary raha vao nipetraka tamin’izy ireo ny fanahy, dia nanomboka naminany izy ireo, nefa tsy notohizany izany.

26Fa nisy olona anankiroa nijanona tao an-toby, i Eldada no anaran’ny iray ary i Medada kosa ny iray; anisan’ny loholona fitopolo lahy izy ireo, nefa tsy mba lasa nankany amin’ny Tranolay. Nahazo ny fanahy koa izy ireo ary dia naminany tao an-toby. 27Nihazakazaka nampandre an’i Mosesy ny tovolahy iray ka nanao hoe:
–Maminany ao an-toby i Eldada sy i Medada.

samedi 5 octobre 2019

Sabotsy 05 Oktobra 2019 - Jer 7 : 21 - 28

21Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: Ny henan’ny sorona dorana manontolo dia ampio ny henan’ny sorom-pihavanana nataonareo, ka mahereza mihinan-kena. 22Fa raha nitondra ny razanareo niala tany Ejipta Aho, dia tsy nilaza taminy akory na nangataka azy hanao sorona dorana manontolo na sorom-pihavanana. 23Fa izao kosa no nandidiako azy: Henoy izay lazaiko, dia ho Andriamanitrareo Aho ary ianareo ho vahoakako. Araho ny lalàna izay nandidiako anareo, dia hahita soa ianareo. 24Kanjo tsy nihaino sady tsy niraharaha Ahy izy fa nanaraka ny heviny araka ny ditran’ny fony. Tsy nitodika tamiko izy fa niamboho Ahy. 25Hatry ny nialan’ny razanareo tany Ejipta ka mandraka androany, dia tsy nitsahatra Aho naniraka ny mpaminany mpanompoko rehetra tany aminareo isan’andro tsy tapaka. 26Nefa tsy nihaino Ahy ianareo sady tsy niraharaha Ahy fa nanamafy hatoka sy nanao ratsy mihoatra noho ny razanareo aza.

27Ary ianao, ry Jeremià, na dia hilaza izany teny rehetra izany aminy aza, dia tsy hihaino anao izy; ary na dia hampita ny antsoko aminy aza ianao, dia tsy hamaly anao akory izy. 28Koa ambarao aminy hoe: «Ianareo no firenena tsy mba mihaino ny feon’ny TOMPO Andriamaniny sady tsy mety mandray anatra. Efa very teo aminareo ny toetra mahatoky ary efa niala teo am-bavanareo izany.»

vendredi 4 octobre 2019

Zoma 04 Oktobra 2019 - Jak 5 : 7 - 11

7Koa mahareta tsara àry, ry havana, mandra-piavin’ny Tompo. Jereo ny mpamboly miandry amim-paharetana izay vokatra sarobidy havoakan’ny tany, ka maharitra mandra-pahazony ny oram-pararano sy ny oran-dohataona. 8Mahareta koa ianareo; aoka ho feno herimpo, fa efa mby akaiky ny fiavian’ny Tompo. 9Aza mifampimonomonona ianareo, ry havana, mba tsy hanamelohan’Andriamanitra anareo. Indro ny mpitsara efa mijoro eo am-baravarana. 10Ry havana, aoka ireo mpaminany izay niteny tamin’ny anaran’ny Tompo no hataonareo filamatry ny fifandeferana sy faharetana. 11Indro ataontsika hoe sambatra izay manam-paharetana. Efa renareo ny faharetan’i Jôba, ary fantatrareo izay nataon’ny Tompo ho azy tamin’ny farany, satria be fiantra sy be indrafo ny Tompo.

jeudi 3 octobre 2019

Alakamisy 03 Oktobra 2019 - II Tan 18 : 1 - 17

1Nanan-karena sy voninahitra be i Jôsafata; ary ny zanany lahy dia nampanambadiany ny zanakavavin’i Ahaba mpanjakan’i Israely. 2Taona vitsivitsy taorian’izany, dia nidina nankany amin’i Ahaba tany Samaria i Jôsafata; ary namonoan’i Ahaba ondry aman’osy sy omby betsaka izy sy ireo olona nanaraka azy. Avy eo dia notaomin’i Ahaba hanafika an’i Ramôta-Gilehada i Jôsafata

3ka nanontaniany hoe:
–Mba hiaraka amiko hanafika an’i Ramôta-Gilehada ve ianao?

Dia novaliany hoe:
–Eny, fa tahaka ny tenanao ihany aho, ka ny tafiko dia tafikao; koa hiaraka hiantafika aminao izahay.

4Mbola niteny tamin’ny mpanjakan’i Israely indray i Jôsafata ka nanao hoe:
–Mba anontanio aloha ny tenin’ny TOMPO.

5ary novorin’ny mpanjakan’i Israely ny mpaminaniny efajato lahy ka nanontaniany hoe:
–Handeha hanafika an’i Ramôta-Gilehada ve isika, sa hijanona ihany aho?

Dia novalian’ireo hoe:
–Mandehana, ry andriamanjaka, fa hatolotr’Andriamanitra eo an-tananao ny tanàna.

6Ary hoy kosa i Jôsafata:
–Moa tsy misy mpaminanin’ny TOMPO koa ve eto mba hanontaniantsika?

7Dia novalian’ny mpanjakan’i Israely hoe:
–Mbola misy lehilahy iray ahazoantsika manontany ny TOMPO ao; saingy halako izy, satria tsy mbola naminany soa ho ahy fa loza mandrakariva. Mikaià, zanakalahin’i Jimlà, no anarany.

Ka hoy i Jôsafata:
–Aza dia miteny toy izany re ianao, ry mpanjaka!

8Tamin’izay dia niantso tandapa anankiray ny mpanjakan’i Israely, ka nandidy azy haka faingana an’i Mikaià zanakalahin’i Jimlà.

9Ary ny mpanjakan’i Israely sy ny mpanjakan’i Joda dia samy nipetraka teo amin’ny sezafiandrianany sy efa niakanjo ny fanamiany avy, teo amin’ilay kianja manoloana ny vavahadin’i Samaria, nandritra ny naminanian’ireo mpaminany rehetra ireo. 10Fa i Tsedekià, zanakalahin’i Kenahanà, dia namboatra tandro-by ka niteny hoe:
–Izao no lazain’ny TOMPO: «Ireto tandroka ireto no hanotoanao ny tafika sirianina mandra-paharingany.»

11Dia nilaza hafatra toy izany avokoa ny mpaminany rehetra teo ka nanao hoe:
–Tafiho i Ramôta-Gilehada fa ho resinao, ry mpanjaka! Eny, hatolotry ny TOMPO eo an-tananao io tanàna io.


12Ilay iraka izay nandeha naka an’i Mikaià kosa dia niteny taminy hoe:
–Indro efa iray teny avokoa izao ireo mpaminany, ka milaza soa ho an’ny mpanjaka; enga anie ny teninao mba ho tahaka ny azy, ka hilaza soa ihany koa!

13Fa hoy i Mikaià hoe:
–Velona ny TOMPO, ka mianiana aho fa izay lazain’Andriamanitra ihany no hambarako.

14Rehefa tonga teo anatrehan’ny mpanjaka izy, dia nanontaniany hoe:
–Ry Mikaià, handeha hanafika an’i Ramôta-Gilehada ve izahay, sa hijanona ihany aho?

Ka hoy ny navaliny azy:
–Mandehana fa handresy ianareo, ary hatolotry ny Tompo eo an-tananareo io tanàna io.

15Fa hoy indray ny mpanjaka taminy:
–Impiry moa no hampianianako anao mba tsy hilaza amiko afa-tsy ny marina ihany amin’ny anaran’ny TOMPO?

16Dia hoy ny navalin’i Mikaià:
–Hitako fa ny tafik’i Israely manontolo dia niely teny an-tendrombohitra toy ny ondry tsy misy mpiandry. Ary ny TOMPO niteny hoe: «Tsy mana-mpifehy intsony ireo miaramila ireo, ka aoka izy samy hody soa aman-tsara any an-tranony avy!»

17Dia hoy ny mpanjakan’i Israely tamin’i Jôsafata:
–Tsy efa voalazako taminao va fa tsy mba mety maminany soa ho ahy izy, fa loza ihany?

mercredi 2 octobre 2019

Alarobia 02 Oktobra 2019 - Jer 23 : 25 - 29

25Izaho Tompo efa nandre izay nolazain’ireo mpaminany mihambo miteny amin’ny anarako kanefa milaza lainga manao hoe: «Nanonofy aho, eny, nanonofy aho.» 26Mandra-pahoviana no ho toy izany? Fa inona no ao an-tsain’ireny mpaminany ireny, rehefa milaza lainga izy na milaza hevi-dravina ihany? 27Nony mifampitantara nofy izy, dia tsy mikendry afa-tsy ny hanadinoan’ny vahoakako Ahy, tahaka ny nanadinoan’ny razany Ahy ka nanompoany an’i Bahala. 28Raha misy mpaminany manonofy, dia aoka izy hilaza ny nofiny! Fa raha mitondra hafatra avy amiko izy, dia aoka hanambara marina ny teniko!

Aoka tsy hafangaro ny mololo sy ny vary
hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO.
29ny teniko dia toy ny afo mandoro,
ary toy ny kanonta manorotoro vatolampy,
hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO.

mardi 1 octobre 2019

Talata 01 Oktobra 2019 - I Sam 10 : 1 - 10

1Dia nandray tavoahangy kely feno diloilo i Samoela ka nandraraka izany teo an-dohan’i Saoly. Ary nanoroka an’i Saoly izy sady nanao hoe:

–Ny TOMPO mihitsy no nanokana anao ho filohan’ilay vahoakany. 2Anio, rehefa tafasaraka isika, dia hihaona amin’ny lehilahy anankiroa ianao, eo akaikin’ny fasan’i Rahely ao Tselitsà amin’ny faritanin’i Benjamîna; ary izy ireo hiteny aminao hoe: «Efa hita ireo borikivavy izay notadiavinao; ary ankehitriny dia tsy ny borikiny intsony no mampanahy ny rainao, fa ianareo indray. Koa dia nanontany ny amin’izay tokony hataony hahitany an-janany izy.» 3Hanohy ny lalanao ianao ka ho tonga eo akaikin’ny hazo ôakan’i Tabôra, ary hahita lehilahy telo ho any amin’Andriamanitra any Betela: ny voalohany mitondra zanak’osy telo, ny faharoa mofo telo ary ny fahatelo siny hoditra feno divay. 4Hiarahaba anao izy ireo ary hanome mofo roa izay horaisinao amim-panajana. 5Rehefa izany dia ho tonga ao Gibehà-Elôhima misy andia-miaramila filistinina ianao. Rehefa tonga ao an-tanàna ianao, dia hifanena amin’ny andiana mpaminany izay midina avy eny amin’ny Toeramasina, ka ialohavan’ny mpitendry lokanga sy valiha ny mpively amponga tapaka ary ny mpitsoka sodina. Efa tsindrian-daona haminany avokoa izy ireo. 6Hilatsaka aminao ny Fanahin’ny TOMPO, ka haminany miaraka amin’izy ireo ianao ary ho tonga olom-baovao. 7Rehefa tanteraka aminao ireo famantarana ireo, dia ho fantatrao fa Andriamanitra tokoa no momba anao koa ataovy izay fantatrao fa mety. 8Tsy maintsy midina mialoha ahy any Gilgàla anefa ianao, ka ho tratrako tsy ho ela, any ny hanatrarako mba hanolotra sorona dorana manontolo sy sorom-pihavanana. Fito andro no hiandrasanao ahy ao; ka rehefa tonga aho, dia hambarako anao izay tokony hataonao.

9Raha vao nihodina i Saoly ka dify an’i Samoela, dia novan’Andriamanitra fo, ary tanteraka taminy androtrizay ihany ireo zavatra rehetra voalazan’i Samoela. 10Koa rehefa tonga tany Gibehà i Saoly sy ny mpanompony, dia indreo andiana mpaminany nifanena taminy; dia nilatsahan’ny Fanahin’Andriamanitra i Saoly, ary niara-naminany tamin’izy ireo.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12