jeudi 7 juin 2012
Alakamisy 07 Jona 2012 - Rom 6 : 1 - 7
1 Inona ary no holazaintsika? Hitoetra ao amin'ny fahotana ve isika mba hitomboan'ny fahasoavana? 2 Sanatria izany! Isika izay efa maty raha ny amin'ny fahotana, hataontsika ahoana no mbola ho velona ao amin'ny fahotana ihany? 3 Sa tsy fantatrareo fa isika rehetra izay natao batisa mba ho tafaray amin'i Kristy Jesoa dia natao batisa mba hiombona amin'ny fahafatesany? 4 Koa tamin'ny alalan'ny batisa dia niombona amin'ny fahafatesan'i Kristy Jesoa isika ary niara-nalevina taminy, mba ho tahaka ny nananganana an'i Jesoa ho velona avy tany amin'ny maty noho ny herin'Andriamanitra Ray be voninahitra no hizorantsika koa amin'ny fiainam-baovao.
5 Koa raha fahafatesana mifanahaka amin'ny an'i Kristy no ampiraisana antsika aminy, dia fitsanganan-ko velona mifanahaka amin'ny Azy koa no hampiraisana antsika aminy. 6 Fantatsika fa ny maha olona antsika taloha dia efa niara-novonoina tamin'i Kristy teo amin'ny hazofijaliana, mba ho levona ny tenantsika gejain'ny fahotana ka tsy ho mpanompon'ny fahotana intsony isika; 7 satria izay maty dia afaka amin'ny fangejan'ny fahotana.
mercredi 6 juin 2012
Alarobia 06 Jona 2012 - Eze 11 : 14 - 20
14. Ary nisy tenin'ny TOMPO tamiko nanao hoe: 15. ''Ry ilay taranak'olombelona, ny mpiray firenena aminao, ireo havanao israelita rehetra aty, dia ilazan'ny mponina eto Jerosalema izao torohevitra izao: "Mijanona lavitry ny TOMPO any ianareo, satria izahay no nomeny ity tany ity ho fanananay. '' 16. Noho izany, ambarao amin'ireo namanao babo fa izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: ''Na dia nalefako any an-tany lavitra sy naeliko any anivon'ny firenen-kafa aza ianareo, dia manatrika anareo Aho tahaka ny ao amin'ny Toeramasina ihany.'' 17. Ambarao aminy koa fa izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: ''Hangoniko avy any amin'ny firenena sy ny tany izay nanelezako anareo ianareo, ka homeko ny tanin'i Israely indray. 18. Rehefa tafaverina any ianareo, dia hanaisotra ny fanao mahatsiravina sy maharikoriko rehetra momba ny fanompoan-tsampy izay misy ao. 19. Homeko fo iray ihany ianareo rehetra, ary hametrahako fanahy vaovao ao anatinareo; hoesoriko aminareo ny fotsy miraika toy ny vato ka hosoloiko fo mora anarina. 20. Amin'izay dia hizotra araka ny lalanako rehetra ianareo ary hitandrina ny fitsipiko ka hampihatra azy, dia ho vahoakako ianareo ary Izaho ho Andriamanitrareo .
mardi 5 juin 2012
Talata 05 Jona 2012 - Jao 3 : 1 - 8
1 Nisy lehilahy anankiray atao hoe Nikodema, anisan'ny antokom-pivavahana Farisianina ary manampahefana teo amin'ny Jiosy. 2 Nanatona an'i Jesoa izy indray alina ary niteny taminy hoe: Mpampianatra o, fantatray fa Mpampianatra nirahin'Andriamanitra Ianao; satria tsy misy olona mahavita ireo famantarana ataonao ireo, raha tsy omban'Andriamanitra. 3 Fa novalian'i Jesoa hoe: Lazaiko marina dia marina aminao fa raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy afa-mahita ny Fanjakan'Andriamanitra.
lundi 4 juin 2012
Alatsinainy 04 Jona 2012 - Isa 65 : 17 - 20
17. Fa indro Aho mahary habakabaka vaovao sy tany vaovao ka tsy ho tsarovana intsony ny habakabaka sy tany taloha na ho mby ao an-tsaina akory aza. 18. Fa mifalia sy miravoravoa hatrany ianareo ny amin'ny zavatra izay hoariko: dia i Jerosalema heni-karavoana ary ny vahoakany heni-kafaliana. 19. Izaho koa hiravo amin'i Jerosalema sy hifaly amin'ny vahoakako. Fa tsy ho re ao Jerosalema intsony na ny tomany na ny kiakiakam-pitarainana. 20. Tsy hisy ao intsony ny zaza minono izay ho faty anatin'ny andro vitsivitsy na ny antitra tsy hahatapitra ny androny; fa ho maty tanora izay maty zato taona, ary heverina ho olona voaozona izay tsy mahatratra zato taona.
dimanche 3 juin 2012
Alahady 03 May 2012 - Kol 3 : 5 - 11
5 Vonoy ireo zavatra ety an-tany mangeja ny tenanareo: dia ny fijangajangana, ny fahalotoana, ny filandratsy, ny fitsiriritan-dratsy, ary ny fitiavan-karena (fa fanompoan-tsampy ny fitiavan-karena). 6 Ireo zavatra ireo no mahatonga ny fahatezeran'Andriamanitra hihatra amin'ny olona tsy manaiky an'Andriamanitra. 7 Toy izany koa ny fitondrantenanareo fahiny, fony ianareo niaina tao anatin'ireo zavatra ireo. 8 Fa ankehitriny kosa, esory avokoa ireto: fahatezerana, fisafoahana, faharatsiam-panahy, fanevatevana, teny maha menatra aloaky ny vavanareo. 9 Aza mifandainga ianareo fa efa narianareo ny toetra taloha mbamin'ny asany, 10 ary efa notafinareo ny toetra vaovao: dia ny toetry ny olona havaozin'Andriamanitra hatrany araka ny endrik'Izy Mpahary azy, mba ho tonga amin'ny fahalalana tsara an'Andriamanitra. 11 Koa amin'izany, tsy misy ny hoe hafa firenena sy Jiosy, voafora sy tsy voafora, olona tsy mivoatra na tratra aoriana, mpanompo sy tsy mpanompo; fa i Kristy no zavatra rehetra sady ao aminareo rehetra.
samedi 2 juin 2012
Sabotsy 02 Jona 2012 - Lio 5 : 36 - 39
36 Mbola nilazan'i Jesoa fanoharana koa ireo olona ireo nataony hoe: Tsy misy olona mandrovitra tapa-damba amin'ny fitafiana vaovao hanampenana fitafiana tonta; fa raha izany, ny vaovao moa ho rovitra ary ny tonta tsy hifanendrika amin'ny tapa-damba vaovao. 37 Toy izany koa, tsy misy olona mitahiry divay vaovao ao anaty siny hoditra efa tranainy; fa raha izany, dia ho rotiky ny divay vaovao ny siny hoditra: ka ny divay ho raraka, ny siny hoditra hafoy. 38 Fa siny hoditra vaovao no tsy maintsy itahirizana ny divay vaovao. 39 Ary tsy misy olona avy nisotro divay ela niotrehana ka hitady divay vaovao. Fa fiteny ny hoe: ny ela niotrehana no tsara.
vendredi 1 juin 2012
Zoma 01 Jona 2012 - Amo 9 : 11 - 15
11 Hoy ny teny hentitry ny TOMPO hoe: Ilay tananan'i Davida izao dia toy ny tranobongo efa nianjera. Fa ho avy ny andro izay hananganako indray izany tanana izany, ka hofefeko ireo banga amin'ny mandany hatsangako ny rava tao aminy, ary haoriko indray ny tanana ho tahaka ny taloha. 12 Amin'izay no hakan'i Israely ny tany sisa amin'i Edoma sy amin'ny firenena hafa rehetra izay nomarihina ny anarako hananako azy. Izaho Tompo no hahatanteraka izany. 13 Hoy koa ny teny hentitry ny TOMPO hoe: Indro avy ny andro izay hahavokatra ny vary ka efa hasaina ny tany vao vita ny fijinjana, sy hahavokatra ny voaloboka ka efa hafafy ny voambary vao vita ny fihosemboaloboka. Divay no hiboiboika eny an-tendrombohitra sy hikoriana eny an-tampon-kavoana rehetra. 14 Haveriko avy amin'ny fahababoana ny Israely vahoakako, ka ireo tanana efa rava hatsangany sy honenany indray. Hamboly voaloboka izy ka hisotro ny divay avy aminy, ary hanao zaridaina ka hihinana ny vokatra avy aminy. 15 Hamboleko eo amin'ny tany izany nomeko azy izy, ka tsy hongotana hiala eo intsony. Izaho TOMPO Andriamanitrao no efa niteny.
Inscription à :
Articles (Atom)
-
51 Indro misy tsiambaratelo ambarako aminareo: tsy hodimandry avokoa isika rehetra; 52 vetivety foana, indray mipy maso, rehefa maneno ny t...
-
1Farany, ry havako, mifalia noho ianareo tafaray amin’ny Tompo. Tsy manahirana ahy ny mamerina aminareo indray ny teny nosoratako ho anareo...