vendredi 7 février 2020

Vendredi 07 Janoary 2020 - Sal 89 : 33 - 37

33dia hofaiziko tsorakazo ny fikomiany
ary hosazîko kapoka ny heloka vitany;
34kanefa tsy hofoanako ny fitiavako azy
ary tsy hivadihako ny toetrako mahatoky.
35Tsy hotsoahako ny fanekempihavanako
ary tsy hovako izay nampanantenaiko.
36Efa nanao izao fianianana izao Aho fahiny;
tamin’ny fahamasinako no nanaovako izany
fa tsy hamitaka velively an’i Davida Aho:
37Hisy hatrany hatrany ny taranany;
ary tahaka ny aharetan’ny masoandro
no haharetan’ny sezafiandrianany eo anatrehako;

jeudi 6 février 2020

Alakamisy 06 Febroary 2020 - I Jao 1 : 1 - 4

1Ny amin’ilay Teny manome fiainana no anoratanay aminareo. Izy, Izay nisy hatramin’ny voalohany, ka efa renay, efa hitan’ny masonay, efa nobanjininay ary efa notsapain’ny tananay no ambaranay aminareo. 2Eny, efa naseho ny fiainana sady efa hitanay; ary tonga vavolombelony izahay ka manambara aminareo ny fiaina-maharitra mandrakizay, dia ilay fiainana nitodika tany amin’ny Ray ka efa naseho taminay. 3Izay efa hitanay sy renay no ambaranay aminareo, mba hahazoanareo fiombonana aminay koa; fa izahay dia miombona amin’ny Ray sy amin’i Jesoa Kristy Zanany. 4Izany no soratanay aminareo, mba ho feno ny hafaliantsika.

mercredi 5 février 2020

Alarobia 05 Febroary 2020 - Asa 13 : 26 - 37

26Ry havako, taranak’i Abrahama sy hafa firenena mpanaja an’Andriamanitra, ho antsika no nampitondrana izao hafatra momba ny famonjena izao. 27Fa ny mponin’i Jerosalema sy ireo filohany dia tsy nahafantatra an’i Jesoa ary tsy nahazo ny tenin’ny mpaminany vakîna isaky ny andro sabata, kanefa nanatanteraka ireo teny ireo tamin’ny nanamelohany an’i Jesoa; 28ary na dia tsy nahita antony hanamelohana Azy ho faty aza ry zareo, dia nangataka tamin’i Pilato ny hamonoana Azy. 29Rehefa avy nahatanteraka izay rehetra nambaran’ny Soratra Masina momba Azy ry zareo, dia nesorina teo amin’ny hazofijaliana Izy ary nalevina tao am-pasana. 30Fa Andriamanitra kosa nanangana Azy ho velona avy tany amin’ny maty. 31Mandritra ny andro maro, dia niseho tamin’ireo niara-niakatra taminy avy tany Galilea ho any Jerosalema i Jesoa, ka ireo ankehitriny no vavolombelona manambara Azy amin’ny vahoaka Israely. 32Ary izahay koa dia mitory aminareo izao Vaovao Mahafaly izao: 33Ny zavatra efa nampanantenain’Andriamanitra tamin’ny razantsika dia notanterahin’Andriamanitra tamintsika ankehitriny, fony Izy nanangana an’i Jesoa ho velona, araka izay voalazan’ny Soratra Masina ao amin’ny Salamo faharoa hoe:

«Zanako Ianao,
Ray niteraka Anao Aho manomboka anio.»
34–Nambaran’Andriamanitra koa fa natsangany ho velona i Jesoa ka tsy hiverina amin’ny fahalòvana intsony, araka ny teny hoe:

«Homeko anareo ny fanambinana masina sy azo antoka
efa nampanantenaiko an’i Davida!»

35Izany koa no itenenan’Andriamanitra ao amin’ny Salamo hafa hoe:
«Tsy havelanao ho tratry ny fahalòvana Ilay voatokana ho Anao.»

36Eny, i Davida, rehefa nanatanteraka ny fikasan’Andriamanitra hahasoa ny mpiara-belona taminy, dia nodimandry ka nalevina mifanila amin’ireo razany ary tratry ny fahalòvana. 37Fa Ilay natsangan’Andriamanitra ho velona kosa dia tsy mba tratry ny fahalòvana.

mardi 4 février 2020

Talata 04 Febroary 2020 - Jao 1 : 1 - 8

1Tamin’ny voalohany, fony nahary an’izao tontolo izao Andriamanitra, dia efa nisy ilay Teny; ilay Teny dia nitodika tany amin’Andriamanitra hatrany, ary ilay Teny dia Andriamanitra. 2Tamin’ny voalohany, dia nitodika tany amin’Andriamanitra ilay Teny; 3Izy no naharian’Andriamanitra ny zavatra rehetra, ka raha tsy teo Izy dia tsy nisy ary ny zavatra noarîna. 4Ilay Teny no nirakitra ny aina, ary io aina io no nitondra fahazavana ho an’ny olombelona. 5Ary ny fahazavana dia mamirapiratra anatin’ny haizina, ka tsy nahasakana azy ny haizina.
6Nisy lehilahy anankiray nirahin’Andriamanitra: i Jôhany no anarany. 7Tonga hijoro ho vavolombelona i Jôhany, dia vavolombelona hanambara ilay fahazavana; ka ny hafatra nampitain’i Jôhany no hampino ny olona rehetra. 8Tsy hoe i Jôhany no fahazavana, fa izy no ho vavolombelona hanambara ny fahazavana.

lundi 3 février 2020

Alatsinainy 03 Febroary 2020 - Deo 7 : 1 - 11

1Ny TOMPO Andriamanitrareo no hampiditra anareo any amin’ny tany izay hidiranareo mba halainareo ho fananana. Firenena maro, firenena fito izay lehibe sy mahery noho ianareo, no horoahin’ny TOMPO hiala eo anoloanareo: dia ny Hetita sy ny Girgasîta, ny Amôrita sy ny Kanahanîta, ny Perizîta sy ny Hivîta ary ny Jebosîta. 2Rehefa hatolotry ny TOMPO Andriamanitrareo ho eo ambany fahefànareo ireny ka horesenareo, dia ataovy ringana tanteraka. Aza manao fanekempihavanana aminy na mamindrafo aminy. 3Aza mampifanambady ny zanakareo aminy; ny zanakavavinareo tsy homenareo ho vadin’ny zanakalahiny, ary ny zanakavaviny tsy halainareo ho vadin’ny zanakalahinareo. 4Fa havilin’ireny vahiny ireny tsy hanaraka ny TOMPO ireo taranakareo ka hanompo andriamani-kafa; dia hirehitra aminareo ny fahatezeran’ny TOMPO ka haringany vetivety ianareo. 5Fa izao kosa no ataovy amin’ireny firenena ireny: ny alitarany, horavanareo; ny tsangambaton-tsampiny, hovakivakînareo; ny tsato-kazo fanajany an’i Aserà, hokapainareo; ary ny sarin-tsampiny voasokitra, hodoranareo. 6Ianareo manko dia vahoaka voatokana ho an’ny TOMPO Andriamanitrareo; ianareo no efa nofidin’ny TOMPO Andriamanitrareo tamin’ny firenena rehetra ambonin’ny tany mba ho vahoaka fananany sarobidy indrindra.

7Tsy hoe ianareo maro noho ny firenena hafa rehetra no nampiraiki-po ny TOMPO taminareo sy nifidianany anareo, satria vitsy noho ny firenena hafa rehetra aza ianareo. 8Fa raha nentin’ny TOMPO tamin’ny fiarovana mahery ianareo sy navotany tamin’ny toeram-panandevozana teo ambany fifehezan’ny Farao mpanjakan’i Ejipta, dia satria tian’ny TOMPO ianareo ary tandroviny aminareo ny fianianana nataony tamin’ny razambenareo.

9Aoka ho fantatrareo fa ny TOMPO Andriamanitrareo no hany Andriamanitra tena Izy. Mitandro ny fanekempihavanany sy ny fitiavany hatramin’ny taranaka faharivo Izy amin’izay tia Azy sy mitandrina ny didiny; 10fa an-karihary sady tsy an-kitaredretra kosa no amaliany sy andringanany an’izay mankahala Azy. 11Koa tandremo ny didy sy lalàna amam-pitsipika izay andidiako anareo anio mba hotanterahinareo.

dimanche 2 février 2020

Alahady 02 Febroary 2010 - Sal 111 : 1 - 8

1 Haleloià!
ALEFA
Hoderaiko amin’ny foko manontolo ny TOMPO
BETA
eo amin’ireo olo-mahitsy
tafavory sy tafangona.
GIMELA
2Lehibe ny asa ataon’ny TOMPO
DALETA
ka tsapan’izay rehetra mankafỳ an’ireny.
HE
3Madera sady malaza ny zava-bitany;
VAO
maharitra mandrakizay ny fahamarinany.
ZAINA
4Tiany hotsaroana ny zava-mahagaga nataony.
HETA
Miantra sy mamindrafo ny TOMPO.
TETA
5Omeny sakafo ireo matahotra Azy;
JODA
tsaroany lalandava ny fanekempihavanany.
KAFA
6Ny vahoakany nanehoany ny hery ampiasainy,
LAMEDA
fony nomeny azy ny tanin’ireo hafa firenena.
MEMA
7Mahatoky sy ara-drariny ny asa vitany;
NONA
azo antoka avokoa ny fandaharany:
SAMEKA
8mafy orina hatrany ka ho mandrakizay ireny,
HAINA
mahatoky sy mahitsy no nanaovany azy.

samedi 1 février 2020

Sabotsy 01 Febroary 2020 - Sal 119 : 105 - 112

105Fanilon’ny diako ny teninao
sy fanazavana ny làlan-kizorako.
106Hamafisiko ny velirano izay nataoko,
dia ny hitandrina ny fitsipikao ara-drariny.
107Mijaly tsy eran’ny aina aho, TOMPO ô:
mba velomy indray araka ny fampanantenànao.
108Mba raiso ny tonom-bavaka atolotro Anao:
TOMPO ô, ampianaro ahy ny fitsipikao.
109Hatenda lalandava izao ny aiko,
nefa tsy hadinoko ny lalànanao.
110Ny olon-dratsy mitady hamandrika ahy,
fa izaho tsy mihataka amin’ny fepetranao.
111Ny baikonao no fananako mandrakizay:
ireo no fifalifalian’ny foko.
112Aronako hanao ny lalànanao ny foko,
hatramin’ny antsipiriany ary mandrakizay.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12