jeudi 18 mars 2021

Alakamisy 18 Martsa 2021 - Dan 1 : 11 - 21

 11Dia hoy i Daniela tamin’ny mpiandraiki-draharaha izay voatendrin’ny lehiben’ny tandapa hikarakara azy sy i Hananià ary i Misaela sy i Hazarià:

12–Mba tsapao mandritra ny folo andro aloha izahay mpanomponao, ka anana sy rano ihany omena hohaninay sy hosotroinay. 13Avy eo dia hojerenao ny endrikay sy ny an’ireo zatovo izay mihinana ny hanina fihinan’ny mpanjaka, ka araka izay ho hitanao no hataonao aminay.

14Dia nekeny izany soso-kevitra izany, ka notsapainy nandritra ny folo andro izy efa-dahy. 15Ary nony tapitra ny folo andro, dia hita fa tsara endrika sy natavy kokoa izy noho ny zatovo rehetra izay nihinana ny hanina fihinan’ny mpanjaka. 16Koa nesorin’ilay mpiandraiki-draharaha ny anjara hanina sy divain’izy efa-dahy, ka anana no nomeny azy. 17Ireo zatovo efa-dahy ireo dia nomen’Andriamanitra fahaizana amam-pahalalana amin’ny sehatra rehetra momba ny soratra sy ny fahendrena; ary i Daniela nahafantatra ny hevitry ny fahitana sy nofy rehetra.

18Rehefa tonga ny andro voatendrin’ny mpanjaka hitondrana ireto zatovo rehetra hankeo anatrehany, dia nentin’ilay lehiben’ny tandapa teo anoloan’i Nebokadnetsara ireo; 19ary niresaka tamin’ireo ny mpanjaka, ka tsy nisy hita izay tahaka an’i Daniela sy i Hananià ary i Misaela sy i Habeda-Negao. Koa dia nanompo ny mpanjaka izy efa-dahy. 20Fony nanontany azy zavatra isan-karazany momba ny fahendrena sy fahaiza-manavaka kosa ny mpanjaka, dia nahatsapa fa nihoatra impolo heny noho ny mpanao majika aman-tsikidy rehetra tao amin’ny fanjakany manontolo ireo.

21Ary i Daniela dia nahatratra ny taona voalohany nanjakan’i Kirosy.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12