1 Vavaka nataon’i Davida
Mandrenesa, TOMPO ô! Mitaky rariny aho.
Enga anie ho tandrinao izato fitarainako!
Mba henoy re ny vavaka ataoko
fa teny tsisy fitaka izany.
2Avy aminao no tokony hivoaka
ny didim-pitsarana momba ahy,
satria mahita ny hitsiny Ianao.
3Efa nandinika ny foko Ianao,
ary avy alina namotopototra ahy;
nizaha sy nisedra ny toetrako Ianao
fa tsy nahita n’inona n’inona hokianina.
Tsy niteny ratsy
4toy ny ataon’ny olona aho
fa ny baiko voalazanao no hany notandremako.
Ny sori-dalan’ny didinao
5no nifikiran’ny diako;
ny tongotro tsy mba nivoana
hiala amin’ireo soritrao.
6Koa miantso Anao aho, Andriamanitra ô,
satria mamaly vavaka Ianao.
Aoka mba hanongilan-tsofina amiko Ianao
handrenesanao izay lazaiko!
7Asehoy ahy ny fitiavanao mahagaga,
dia Ianao Izay mpamonjy amin’ny mpampahory
ho an’ireo mialoka eo ankavananao.
8Tandremo toy ny anakandriamaso aho
ka afeno sy arovy eo ambany elatrao
9mba tsy ho azon’ny olon-dratsy
izay mampahory ahy tokoa,
dia ireo fahavalo romotra
tonga manemitra ahy.
10Tsy mba manana fo mangoraka izy,
ary ny teniny feno avonavona.
11Mitsongo dia ahy no ataony;
ka indreo izy manodidina ahy
sady mibandrina ahy
fa te hamotraka ahy an-tany,
12toa liona mamitsaka am-pierena
efa may ny hamiravira remby.