vendredi 19 mars 2021

Zoma 19 Martsa 2021 - Deo 8 : 1 - 14

 1Ny didy izay ampitaiko aminareo anio dia imasoy avokoa ny hanatanteraka azy, mba ho velona ianareo sy hihamaro ary hiditra haka ho fanananareo ny tany izay tamim-pianianana no nampanantenan’ny TOMPO azy ny razambenareo. 2Tsarovy avokoa ny lalana izay nasain’ny TOMPO Andriamanitrareo halehanareo tatỳ an-taniefitra, nandritra izay efapolo taona izay, mba hampanetry tena anareo; nizaha toetra anareo Izy tamin’izany mba hahalalany izay ao am-ponareo na hitandrina ny didiny ianareo na tsia. 3Rehefa nampanetry tena sy namela anareo ho noana Izy, dia namahana anareo tamin’ny mana izay hanina tsy fantatrareo na ny razanareo; tiany hampahalalaina anareo manko fa tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa izay teny rehetra aloaky ny vavan’ny TOMPO. 4Ny fitafianareo tsy rovitra, ny tongotrareo tsy mivonto, nandritra izay efapolo taona izay. 5Dia hoekenareo ao am-ponareo fa tahaka ny anabeazan’ny raim-pianakaviana ireo zanany no nanabeazan’ny TOMPO Andriamanitrareo anareo; 6ka hotandremanareo ny didiny mba hizoranareo amin’ny lalany sy hanajanareo Azy.

Ny zavatra mety hanadinoana ny Tompo any amin’ny tany nampanantenaina

7Tany soa no efa hampidiran’ny TOMPO Andriamanitrareo anareo: dia tany misy renirano sy loharano ary rano mitoby anaty tany ka miboiboika eny amin’ny lemaka na eny an-tendrombohitra; 8tany vokatra varimbazaha sy vary ôrza ary koa voaloboka sy aviavy aman’ampongabendanitra; tany itobahan’ny menaka ôliva sy tantely; 9tany hahitanareo vy sy vato eo aminy ary hihadianareo varahina ny tendrombohiny. Hanaram-po hihinan-kanina ianareo sady tsy hanan-java-mahory akory eo amin’izany tany izany. 10Ary rehefa hihinana ka ho voky ianareo, dia hisaotra ny TOMPO Andriamanitrareo noho ny tany soa nomeny anareo.

11Kanefa tandremo fandrao hadinoinareo ny TOMPO Andriamanitrareo ka tsy tandremanareo ny didy sy ny fitsipika aman-dalàny, izay ampitaiko aminareo anio. 12Eny, hihinana sy ho voky ianareo, hanao trano tsara hitoeranareo, 13hihamaro omby sy ondry aman’osy, hitombo volafotsy sy volamena, ary hiavosa fananana isan-karazany; 14saingy tandremo fandrao hiavonavona ny fonareo ka hohadinoinareo ny TOMPO Andriamanitrareo, Izay nampiala anareo tany Ejipta toera-nanandevozana anareo.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12