7Manam-be tokoa ianareo amin’ny zavatra rehetra: dia amin’ny finoana, amin’ny teny, amin’ny fahalalana, amin’ny fahazotoana isan-karazany, ary amin’ilay fitiavana raisinareo avy aminay; araka izany koa no aoka hahafoizanareo be amin’izao asa soa izao.
8Tsy milaza izany ho didy aho, fa ny fahazotoana asehon’ny sasany no hitsapako raha fitiavana mangarangarana ny anareo. 9Satria fantatrareo ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompontsika: fa na dia nanankarena aza Izy, dia tonga mahantra noho ny aminareo, mba hampanankarena anareo ny fahantrany.
10Ambarako aminareo izay hevitro ny amin’izany raharaha izany: mahasoa anareo izany, satria lohalaharana ianareo tsy tamin’ny firotsahana hanao azy fotsiny fa tamin’ny fanapahan-kevitra hanao azy koa. 11Ankehitriny kosa dia tontosay ny fanaovana azy. Nanana risi-po ianareo raha nanapa-kevitra hanao azy, ka dia aoka hanana risi-po tahaka izany koa hanatontosa azy araka izay anananareo. 12Fa raha misy ny risi-po hanome, dia ny manome araka izay ananana ihany no ankasitrahin’Andriamanitra, fa tsy hoe ny manome araka izay tsy ananana.
13Izany no atao, tsy sanatria ny hahaory anareo ka hiadanan’ny sasany, fa ny mba hisian’ny fitoviana. 14Amin’izao ankehitriny izao, dia manam-be ianareo mba hanafa-pahasahiranana azy ireo. Any kosa andro hahatonga azy ireo hanam-be mba hanafa-pahasahiranana anareo. Amin’izany no hisian’ny fitoviana, 15araka ny voalazan’ny Soratra Masina hoe:
«Izay nanangona be tsy nanana amby,
ary izay nanangona kely tsy nanana ny tsy ampy.»