11–Koa izao àry no dikan’ilay fanoharana teo. Ny voa dia ny tenin’Andriamanitra. 12Ireny teo amoron-dalana dia izay mahaheno ihany; kanjo avy ny devoly, ka manaisotra ny teny tao am-pony sao mino izy ka ho voavonjy. 13Ireny teo ambony vatolampy kosa dia izay mahaheno sady mandray ny teny an-kafaliana nefa tsy mandatsaka lalina izany ao aminy; mba mino vetivety ihany izy, kanjo mihemotra amin’ny fotoana fitsapana. 14Ny latsaka teo amin’ny tsilo indray dia izay mahaheno ihany koa; kanjo eny an-dalam-pivahiniana, voagejan’ny ahiahy sy ny harena ary ny fahafinaretan’ny fiainana mandalo ka tsy mahavanom-boa. 15Ny latsaka tamin’ny tany tsara kosa dia izay mahaheno ny teny amin’ny fo tsara sy lavorary, ka mitana azy, ary mamokatra amin’ny faharetana.