mardi 24 avril 2012
Talata 24 Aprily 2012 - Mat 5 : 1 - 9
1 Ary Jesosy, nony nahita ny vahoaka, dia niakatra teo an-tendrombohitra; ary rehefa tafapetraka Izy, dia nanatona Azy ny mpianany. 2 Dia niloa-bava Izy ka nampianatra azy hoe: 3 Sambatra ny malahelo am-panahy; fa azy ny fanjakan'ny lanitra. 4 Sambatra ny ory; fa izy no hampifalina. 5 Sambatra ny malemy fanahy; fa izy no handova ny tany (Sal. 37. 11). 6 Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana; fa izy no hovokisana. 7 Sambatra ny miantra; fa izy no hiantrana. 8 Sambatra ny madio am-po; fa izy no hahita an'Andriamanitra, 9 Sambatra ny mpampihavana; fa izy no hatao hoe zanak'Andriamanitra.
-
1Ary niteny tamin'i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan'ny mponina tao Gilehada hoe: –Velona ny TOMPO Andriamanitr'i Isra...
-
13 Tamin'izay dia niseho i Jesoa; avy any Galilea Izy no nanatona an'i Johany teo amoron'i Jordana mba hataony batisa. 14 Nanda...