lundi 22 avril 2013
Alatsinainy 22 Aprily 2013 - Zak 9 : 12 - 17
12 Miverena ao an-tanàna mimanda, ry mpigadra manam-panantenana!
Anio no anambaràko aminareo hoe: Fanambinana avo roa heny
no hanonerako ny fahorianareo. 13 Hampiasaiko toy ny tsipîkan'ady i Joda, ka i Efraîma no ho tahaka ny zana-tsipîkany. Ry Tsiôna*, hotairiko ny vatan-dehilahinao hiady amin'ireo vatan-dehilahy grika; toy ny sabatry ny mpiady mahery no hampiasako ireo vatan-dehilahinao.» 14 Ary ny Tompo hiseho eo ambonin'ny vahoakany; ka hipoitra toy ny tselatra ny zana-tsipîkany Hitsoka anjomara ny Tompo ANDRIANANAHARY ka ho tonga miaraka amin'ny tafio-drivotra atsimo. 15 Ny Tompon'izao rehetra izao hiaro ny vahoakany; ka havandra vaventy no halefany hamotika sy hanorotoro ny fahavalony; dia hataony mikoriana ny ran'ireo ka hampiely ny ran'ny fahavalony mova tsy tahaka ny divay, na koa tahaka ny ram-biby atao sorona izay mameno ny tsangambava famafazana sy mandrakotra ny zoron'ny alitara*. 16 Amin'izany andro izany ny vahoakany dia hovonjen'ny Tompo Andriamaniny, ka toy ny mpiandry* mamonjy ny ondriny Izy; ary ho toy ny vaton-tsatroboninahitra
no hamirapiratany eo amin'ny taniny. 17 Akory ny fahasambarany!
Ary akory ny hatsaran-tarehiny! Vary sy divay vaovao no hampaharoroka finaritra ireo zatovolahy sy zatovovavy.
-
13 Tamin'izay dia niseho i Jesoa; avy any Galilea Izy no nanatona an'i Johany teo amoron'i Jordana mba hataony batisa. 14 Nanda...
-
1Ny andro alahady, vao maraina mangiran-dratsy, dia lasa ireo vehivavy nankany amin’ny fasana nitondra ny zava-manitra efa voaomany. 2Tazan...