jeudi 1 août 2013

Alakamisy 01 Aout 2013 - Sal 144 : 1 - 15

1 Nataon'i Davida.

Hisaorana anie ny TOMPO vatolampiko,
Ilay manazatra ahy hamely fahavalo
sy manomana ahy hiady amin'ireo!
2Izy no fialofako sy fonena-mimandako
fiarovana avo sy mpanafaka ahy.
Izy no ampingako sy fiereko,
mampietry firenena maro hanoa ahy.
3TOMPO ô, mba inona moa ny olombelona no ahînao
sy izay zanak'olombelona no karakarainao?
4Fa ny olombelona toa tsio-drivotra ihany;
ny androm-piainany toa aloka mihelina.
5TOMPO ô, mba aletseo ny lanitra ka midîna;
tendreo ny tendrombohitra hanetona.
6Ataovy mitselatselatra ny helatra hipariaka;
alefao ny zana-tsipîkanao hifanaretsaka.
7Ny tananao atsory avy any ambony
mba hisarika ahy ho afaka amin'ny ranobe,
dia amin'ny famelezan'ny hafa firenena,
8izay miteny fitaka ny vavany
ary fianianana tsy marina
no anandratany tanana ankavanana.
9Andriamanitra ô, hihirako hira vaovao Ianao
ary hankalazaiko amin'ny valiha torifolo:
10«Ianao no manome fandresena ny mpanjaka
sy manafaka an'i Davida mpanomponao.»
11Vonjeo tsy ho voan'ny sabatry ny olon-dratsy aho,
afaho amin'ny famelezan'ny hafa firenena,
izay miteny fitaka ny vavany
ary fianianana tsy marina
no anandratany tanana ankavanana
12Ny zanakay lahy anie ho toy ny zana-kazo:
toy ny hazo tanora maroroka fitsiry!
Ny zanakay vavy anie ho toy ny andry fehizoro,
izay tsara sokitra toy ny any an-dapa!
13Ny sompitray anie ho feno hika,
ho hipoka vokatra isan-karazany!
Ny biby fiompy any an-tsahanay anie
hitombo arivoarivo sy alinalina!
14Ny mpiandany aminay no hizaka ny mafy,
ka ny mandanay anie tsy hisy banga!
Samy tsy hisy koa na ny faharesena
na ny fibabababàna eny an-kianja!
15Sambatra ny firenena
izay hahazo fanambinana toy izany!
Sambatra ny firenena
izay manana ny TOMPO ho Andriamanitra!

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12