samedi 7 juin 2014
Sabotsy 07 Jona 2014 - Eze 34 : 7 - 10
7Koa ianareo mpiandry ny vahoaka Israely, mihainoa ny teniko:8Velona Izaho Tompo ANDRIANANAHARY ka manao teny hentitra sy mianiana fa tsy nisy mpiandry azy ny andian'ondriko ka lasan'ny mpangalatra sy zary rembin'ny bibidia rehetra. Ireo mpiandry ny ondriko manko tsy miraharaha ny ondry sady tsy mikarakara azy fa ny tenany no karakarainy. 9Noho izany, dia henoinareo ny teniko ry mpiandry ny vahoaka Israely.10Izao no lazain'ny Tompo ANDRIANANAHARY: Mampitandrina anareo mpitondra Aho fa hisampotina hamely anareo; ka hampamoahiko ny amin'ny ondriko ianareo ary hoesoriko tsy hiandry azy intsony; tsy ianareo mpikarakara tena intsony no hikarakara azy. Hoesoriko eo am-bavanareo ny andianondriko ka tsy ho azonareo hatao sakafo intsony.
-
1Ary niteny tamin'i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan'ny mponina tao Gilehada hoe: –Velona ny TOMPO Andriamanitr'i Isra...
-
1Farany, ry havako, mifalia noho ianareo tafaray amin’ny Tompo. Tsy manahirana ahy ny mamerina aminareo indray ny teny nosoratako ho anareo...