mardi 10 mars 2015

Talata 10 Martsa 2014 - Lio 10 : 1 - 12

1Taorian'izany, dia nifidy 72 lahy hafa indray ny Tompo, ka nirahiny tsiroaroa hialoha Azy any amin'ny tanàna sy ny toerana rehetra mbola halehany.

2Ary hoy Izy taminy:

–Be ny vokatra fa ny mpiasa no vitsy. Angataho àry ny Tompom-bokatra haniraka mpiasa hamory ny vokany. 3Mandehana! Indro irahiko ianareo, mova tsy zanak'ondry eo afovoan'amboadia. 4Aza mitondra kitapom-batsy na kapa, ary aza lany andro miarahaba olona eny an-dalana. 5Izay trano androsoanareo dia voalohany indrindra ilazao hoe: «Ho ato amin'ity trano ity anie ny fiadanana!» 6Raha misy olona tia fiadanana ao, dia hirotsaka aminy ny fiadanana rarînareo; fa raha tsy misy kosa, dia hiverina aminareo ihany izany. 7Mitoera amin'izany trano izany, fa aza mifindrafindra trano; ary hano sy sotroy izay aroson'ny tompon-trano, fa ny mpiasa dia mendrika homena ny karamany. 8Raha misy tanàna idiranareo ka mandray anareo ny olona, dia hano izay aroso anareo; 9sitrano izay marary ao ary ny mponina ilazao hoe: «Efa tonga eto aminareo ny Fanjakàn'Andriamanitra*.» 10Fa raha misy kosa tanàna idiranareo nefa tsy mandray anareo ny olona, dia mankanesa eny an-kianja milaza hoe: 11«Na dia ny vovoky ny tanànanareo nanaraka ny tongotray aza, dia ahintsanay hiampanga anareo. Izao anefa no fantaro: efa tonga ny Fanjakàn'Andriamanitra.» 12Lazaiko aminareo fa amin'ny andro fitsarana, dia ho azoazo kokoa ny sazy hihatra amin'i Sôdôma* noho ny hihatra amin'izany tanàna izany.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12