13Ianao no nahary ny saina amam-panahiko
sy namolavola ahy tao an-kibon-dreniko.
14Midera Anao aho fa nataonao
ho zava-mahatalanjona tokoa;
zava-mahagaga ny asanao
ary ekeko mihitsy izany.
15Tsy misy takona taminao izany tenako,
fony aho noforoninao tao amin'ny miafina
ka notenominao tao an-kibon-dreniko.
16Tsy mbola nisy endrika aho no efa hitanao;
voasoratrao tao amin'ny bokinao avokoa
ireo andro voatendrinao hiainako,
talohan'ny tsy mbola nisiany akory.
17Tsy haiko takarina velively ny hevitrao
sady akory ity hamaroany, ry Andriamanitra ô!
18Raha hanisa aho, dia maro noho ny fasika ireny;
raha hahisa aza, dia mbola tsy hahatakatra Anao.
-
1Miderà ny TOMPO, ry firenena rehetra; Mihobia Azy, ry vahoaka rehetra117.1 Voatsiahy ao amin’ny Rm 15.11 ity and ity.. 2Fa lehibe tokoa ny...
-
7Dia hoy i Natàna tamin’i Davida: –Ianao izany olona izany! Koa izao no lazain’ny TOMPO, Andriamanitr’i Israely: «Izaho no nanosotra anao h...