1Ren'i Sanebalato sy i Tôbià ary i Gesema ilay Arabo mbamin'ny namany fahavalonay fa tafatsangako indray ny manda ka tsy misy banga intsony. Kanefa tamin'io fotoana io dia tsy mbola voalatsako ny lela-vavahady. 2Koa nandefa iraka hankatỳ amiko i Sanebalato sy i Gesema hilaza hoe:
–Tongava mba hihaona ao Kefirîma amin'ny tany lemak'i Onao isika!
Kanjo nikasa hanisy ratsy ahy izy roa lahy. 3Dia nandefa iraka hankany aminy kosa aho hanao hoe:
–Asa lehibe no ataoko ka tsy afa-midina aho; raha ilaozako midina any aminareo manko ny asa, dia hiato.
4Mbola nandefa iraka tamiko inefatra miantoana araka izany ihany izy roa lahy; saingy izany ihany koa no navaliko azy hatrany. 5Dia nirahin'i Sanebalato fanindiminy hankatỳ amiko ny mpanompony, nitondra taratasy nivelatra teny an-tanany 6ka izao no voasoratra tao: «Efa mahoraka any amin'ny firenena maro sady lazain'i Gesema koa fa hoe mikasa hikomy ianao sy ny Jiosy; ka izany no anangananao ny manda. Ary, araka izany siosio miely izany, dia maniry ho mpanjakanay ianao.