jeudi 6 juillet 2017

Alakamisy 06 Jolay 2017 - Jer 10 : 1 - 10

1Mihainoa ny hafatra izay nambaran'ny TOMPO momba anareo, ry olon'i Israely. 2Izao no lazain'ny TOMPO:

«Aza ianaranareo ny fomban'ny firenen-kafa;
ary aza atahoranareo ny famantarana
izay miseho eny an-danitra,
fa ny firenen-kafa no matahotra ireny.
3Ny fanaon'ny firenen-kafa
dia zava-poana ihany.
Hazo any an'ala no kapainy,
dia sokirin'ny mpandrafitra ho sampy.
4Ravahany volamena na volafotsy izany,
hamafisiny amin'ny tantanana sy ny fantsika
mba tsy hampihetsiketsika azy.
5Toy ny kalo eny an-tanin-kôkômbra
ireo andriamanitra sampy ireo
ka tsy miteny akory;
entina izy fa tsy mba afa-mandeha.
Aza matahotra azy ianareo,
fa tsy afaka manisy ratsy izy
ary tsy afaka manisy soa ihany koa.»
6Tsy misy tahaka Anao, ry TOMPO,
fa lehibe Ianao ary lehibe ny lazanao
amin'ny asa mahery nataonao.
7Iza no tsy hatahotra Anao,
ry Mpanjakan'ireo firenena,
fa mendrika anao izany.
Ny hendry rehetra amin'ireo firenena
sy ao amin'ireo fanjakana rehetra
dia tsy misy mitovy aminao#10.7 Ampit Apôk 15.4..
8Fa adala sy very saina izy rehetra:
zava-poana ny fampianarany
fa tapa-kazo ihany izany.
9Ireo sampy ireo dia ravahana
takela-bolafotsy avy any Tarsisy
na volamena avy any Ôfira#10.9 Tarsisy: seranan-tsambo na faritany iray any Mediteranea andrefana, heverina ho tany Espaina. –Ôfira: faritany malaza noho ny volamenany (1 Mp 22.49), nefa ny TM manao hoe Ofaza izay faritany tsy fantatra kanefa voalaza koa ao amin'ny Dan 10.5.,
izay namboarin'ny mpanao asan-tanana
sy ny mpanefy firavaka;
ary lamba jaky sy volomparasy
no nampitafiana azy.
Asan'ny mpahay taozavatra avokoa
ireny sampy rehetra ireny.
10Fa ny TOMPO kosa
no tena Andriamanitra,
Andriamanitra velona
sy Mpanjaka mandrakizay.
Rehefa tezitra Izy,
dia mihorohoro ny tany;
ary ny firenena dia tsy mahatanty
ny fahavinirany.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12