vendredi 4 août 2017
Zoma 04 Aogositra 2017 - Eks 13 : 14 - 16
14Koa rehefa manontany anareo ny zanakareo any aoriana hoe: «Inona no anton'izao?», dia hovalianareo hoe: «Tamim-pahefana mahery no namoahan'ny TOMPO anay hiala tany Ejipta izay toera-nanandevozana anay. 15Niziriziry tsy nety nandefa anay ny Farao*, ka naringan'ny TOMPO ny lahimatoa rehetra tany Ejipta, nanomboka tamin'ny voalohan-teraky ny olona ka hatramin'ny voalohan-teraky ny biby fiompy. Izany no anoloranay ho sorona amin'ny TOMPO ny lahy voalohan-teraka rehetra eo amin'ny biby; fa ny lahimatoa eo amin'ny zanakay kosa dia havotanay.» 16Ireo sorona ireo dia ho solon'ny marika eo amin'ny sandrinareo sy ny handrinareo, ka hampahatsiaro anareo fa ny TOMPO no namoaka anareo hiala tany Ejipta tamim-pahefana mahery.
-
1Ary niteny tamin'i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan'ny mponina tao Gilehada hoe: –Velona ny TOMPO Andriamanitr'i Isra...
-
1Farany, ry havako, mifalia noho ianareo tafaray amin’ny Tompo. Tsy manahirana ahy ny mamerina aminareo indray ny teny nosoratako ho anareo...