dimanche 29 avril 2018

Alahady 29 Aprily 2018 - Mat 20 : 20 - 28

20Tamin'izay dia nanatona an'i Jesoa ny vadin'i Zebedeo mbamin'ireo zanany lahy. Sady niankohoka nanoloana Azy ravehivavy no nangata-javatra taminy. 21Ka hoy i Jesoa tamin-dravehivavy:
–Inona no irînao?

Dia novaliany hoe:
–Omeo teny ireto zanako roa lahy ireto fa hipetraka eo ankavananao ny anankiray ary eo ankavianao ny anankiray, rehefa tonga mpanjaka Ianao.

22Fa hoy i Jesoa:
–Tsy fantatrareo mirahalahy izay angatahinareo; vitanareo ve ny hiaritra fijaliana tahaka ny hiaretako?

Dia novalian'izy mirahalahy hoe:
–Vitanay!

23Ary hoy i Jesoa tamin'izy roa lahy:
–Ny fijaliana hiaretako, dia hiaretanareo tokoa20.23 Novonoina martiora nalatsa-dra i Jakôba tamin'ny taona 44 eo ho eo tao Jerosalema (Asa 12.2); i Jôhany kosa dia tsy maty martiora nalatsa-dra, saingy nianjadian'ny fanenjehana isan-karazany.; fa izany hoe hipetraka eo ankavanako sy eo ankaviako izany kosa dia tsy miankina amiko, fa ho an'izay nanomanan'ny Raiko azy!

24Nony nandre izany izy folo lahy, dia tezitra tamin'i Jakôba sy i Jôhany. 25Fa nantsoin'i Jesoa izy rehetra ka nilazany hoe:
–Fantatrareo fa, eo amin'ny hafa firenena, ny filoha dia manjakazaka; ary ny lehibe dia manampatra fahefana. 26Tsy mba toy izany kosa eo aminareo; fa na iza na iza te ho lehibe eo aminareo dia ho mpanomponareo; 27ary na iza na iza te ho voalohany eo aminareo dia ho mpiasanareo. 28Dia tahaka ny Zanak'olona izany: tsy hotompoina manko no nahatongavany fa hanompo ary hanolotra ny ainy ho fanavotana ny besinimaro20.28 Ampit 26.28; 1Tim 2.6.!

«Tsy fantatrareo izay angatahinareo» (and.22a)

Ny mifanohitra amin'ny fampianaran'ny Tompo

1- Nv fitiavan-tena (and.21)
Fahafaham-baraka tsy nisy toy izany no nahazo azy telo mianaka dia i Jakoba sy Jaona niaraka tamin- dreniny. Mba nangataka sy mba nanontanian'ny Tompo hoe « inona no irinao?» ihany, saingy zavatra mifanohitra amin'ny sitrapon'ny Tompo no nangatahiny. Fitiavan-tena tsotra izao no nokasain'izy ireo hiraisana tsikombakomba tamin'ny Tompo. Lavin'i Jesoa marindrano izany, satria natao ho an'ny rehetra ny fanjakan'Andriamanitra. Koa aoka isika handinika tsara sy hamantatra ny sitrapon' Andriamanitra vao mangataka zavatra amin'ny Tompo.

2 - Ny filam-boninahitra (and.26-28)
Nahitsin'i Jesoa niaraka ny mpianatra 12 lahy. na ireo izay nitady tombom-pitiavana manokana mihoatra noho ny hafa, na ireo izay tezitra sy be fialonana tamin'izany. Fomban'ny jentilisa no mitady voninahitra toy izany. Amin'ny fanompoana an' Andriamanitra dia tsy maintsy ny fìetrena no mialoha ny fisandratana ary izay mitady ny toerana ambony dia tsy maintsy maka ny toeran'ny mpanompo. «Ny Zanak'Olona tsy longa mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy». Ary izany fanetren- tena lalina izany no «nanandratan'Andriamanitra Avo indrindra» (Fil 2, 9)

Fanontaniana :
Manana izany fanahin'ny fanompoana izany ve ireo tomponandraikitra ao amin'ny Fiangonana?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12