lundi 16 décembre 2019

Alatsinainy 16 Desambra 2019 - Mpi 6 : 19 - 24

19Dia nandeha i Gidehôna ka namboatra zanak’osy sy mofo tsy misy leviora tamin’ny koba ankevitry ny telopolo kilao. Nataony tao anaty harona ny hena ary nataony tao anaty vilany ny ron-kena, dia nentiny teo ambanin’ny terebinta ka natolony ny Tompo. 20Ary hoy ilay anjelin’Andriamanitra taminy:
–Apetraho eo ambonin’ity harambato ity ny hena sy ny mofo tsy misy leviora ka tondrahy ron-kena.

Dia nataon’i Gidehôna izany. 21Ary naninji-tanana ilay anjelin’ny TOMPO, ka nokasihiny tamin’ny tendron’ilay tehina teny an-tanany ny hena sy ny mofo tsy nisy leviora; dia nivoaka afo ny vatolampy ka nandevona ny hena sy ny mofo. Avy eo ilay anjelin’ny TOMPO dia nanjavona teo imasony. 22Takatr’i Gidehôna tamin’izay fa anjelin’ny TOMPO ilay teo ka hoy izy hoe:
–Lozako, ry Tompo ANDRIANANAHARY ô, fa nahita ny anjelinao nifanatrika tamiko aho.

23Hoy kosa ny TOMPO taminy;
–Fiadanana anie ho aminao; aza matahotra, fa tsy ho faty ianao.

24Ary nanorina alitara ho an’ny TOMPO teo i Gidehôna, ka io toerana io dia nantsoiny hoe «Ny TOMPO manome fiadanana»; ary mandraka androany izany alitara izany dia mbola ao Hôfrà, tanànan’ny tarik’i Abihezera.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12