mercredi 21 avril 2021

Alarobia 21 Aprily 2021 - Isa 48 : 11 - 22

 11Noho ny amiko no nanaovako izany,

eny, noho ny amiko ihany,

satria tsy zakako velively

ny hanalam-baràka ny anarako;

ary ny voninahitro tsy homeko ny hafa.

Ilay hanatanteraka ny fikasan’ny Tompo

12Hoy ny TOMPO hoe: «Ry firenen’i Jakôba,

ry vahoaka Israely izay nantsoiko,

henoy Aho: Izaho no Ilay tsy miova,

Izaho no voalohany, ary Izaho koa no farany.

13Eny, ny tanako no nametraka ny fanorenan’ny tany;

ny tanako ankavanana no namelatra ny lanitra.

Raha antsoiko ireo, dia miara-miseho avokoa.

14Mivoria ka mihainoa ianareo rehetra:

Ilay tiako no hanatanteraka

izay sitrapoko amin’i Babilôna

sy amin’ny taranaky ny Kaldeanina.

Kanefa iza taminareo moa

no nanambara izany? Tsy misy.

15Izaho, eny, Izaho no niteny;

Izaho mihitsy no niantso azy

ka nanao izay hahatongavany

sy hampahomby izay hataony.

16Manatòna Ahy ianareo ka henoy izao:

Efa hatrany am-boalohany

no nitenenako an-karihary;

ary teo Aho hatramin’ny vaninandro

izay nisehoan’izany zavatra izany.»

(Ankehitriny dia Ilay Tompo ANDRIANANAHARY mihitsy

no naniraka ahy sy nanome ahy ny Fanahiny.)


17Ry firenen’i Jakôba, ny TOMPO mpanavotra anao,

Ilay Masin’i Israely dia miteny aminao hoe:

«Izaho TOMPO Andriamanitrao

no mampianatra anao izay mahasoa anao

sy mitarika anao amin’ny lalana tokony halehanao.

18Raha mba nihaino tsara ny didiko manko ianao,

dia ho nikoriana toy ny ony ny fiadananao;

ary ho toy ny onjan-dranomasina

no fiavin’ny fanafahana anao!

19Ny taranaka haloaky ny kibonao ho marobe

toy ny fasika eny amoron-dranomasina;

tsy ho tapaka na ho foana

eo anatrehako ny anarany.»


20Mivoaha avy ao Babilôna, mandosira avy ao Kaldea!

Amin’ny horakora-pifaliana no anambarao

izao vaovao mahafaly izao,

hatrany amin’ny faran’ny tany;

torio ary aelezo izany, ka lazao hoe:

«Ny TOMPO no nanavotra ny firenen’i Jakôba mpanompony!»

21Tsy nangetaheta ireo olony

tamin’ny nitondrany azy tany an-taniefitra.

Nampiboiboika rano ho azy avy tamin’ny vatolampy Izy:

eny, novakîny ny vatolampy ka nandriaka ny rano.

22Tsy misy fiadanana ho an’ny olon-dratsy, hoy ny TOMPO.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12