samedi 14 août 2021

Sabotsy 14 Aogositra 2021 - Jao 5 : 17 - 29

 17Fa hoy i Jesoa tamin’ireo:

–Ny Raiko dia miasa tsy an-kiato ary Izaho koa miasa.

18Noho izany teny izany dia vao mainka nitady hamono Azy ny manampahefana jiosy; satria tsy vitan’ny hoe nandika ny fepetra momba ny sabata fotsiny i Jesoa, fa nilaza koa hoe Andriamanitra no Rainy, ka dia nanao ny tenany ho mitovy amin’Andriamanitra.

Dia niteny indray i Jesoa nanao tamin’ny manampahefana jiosy hoe:

19–Lazaiko marina dia marina aminareo fa ny Zanaka dia tsy mahavita na inona na inona avy amin’ny tenany: izay hitany ataon’ny Ray no ataony, satria na inona na inona ataon’ny Ray dia toy izany koa no ataon’ny Zanaka. 20Ny Ray dia fatra-pitia ny Zanaka, ka ny zavatra rehetra ataon’Izy Ray dia asehony Azy; ary asa lehibe noho ireto aza no mbola hasehony Azy, mba higaganareo. 21Ny Ray dia mampitsangana ireo maty sy mamelona aina azy: toy izany koa, ny Zanaka dia mamelona aina ireo tiany hovelomina aina. 22Ny Ray aza tsy mitsara olona, fa ny Zanaka no efa nomeny fahefana feno hitsara, 23mba hanajan’ny olona rehetra ny Zanaka tahaka ny anajan’ny olona rehetra ny Ray: izay tsy manaja ny Zanaka, dia tsy manaja ny Ray Izay naniraka Azy.

24Lazaiko marina dia marina aminareo fa izay mihaino ireo teniko sy mino Ilay naniraka Ahy no velona aina mandrakizay; ka tsy hohelohina izy, satria efa niala tamin’ny fahafatesana mba ho velona aina. 25Lazaiko marina dia marina aminareo fa avy ary efa tonga sahady aza ny fotoana handrenesan’ny maty ilay feon’ny Zanak’Andriamanitra, ka izay mandre dia ho velona. 26Ny Ray dia manana fahefana hanome ny aina: toy izany koa no nanomezany fahefana ny Zanaka hanome ny aina. 27Ary nomen’ny Ray fahefana hitsara Izy, satria Zanak’olona. 28Aza gaga amin’izany, fa avy ny fotoana handrenesan’ireo rehetra any am-pasana ilay feon’ny Zanak’Andriamanitra; 29ary hiala avy ao izy rehetra, ka izay manao ny tsara dia hitsangana mba ho velona aina, fa izay manao ny ratsy kosa dia hitsangana mba hohelohina.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12