dimanche 24 octobre 2021

Alahady 24 Oktobra 2021 - Eks 24 : 1 - 11

 1Hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy:

–Miakara atỳ Amiko etỳ an-tendrombohitra miaraka amin’i Aharôna sy i Nadaba sy i Abihò ary loholona fitopolo amin’ny Israely. Ka raha mbola eny lavidavitra eny ianareo, dia aoka hiankohoka amin’ny tany. 2Avy eo dia ianao ihany no hanatona AHY, fa ny sisa kosa tsy mahazo manatona; ary ny vahoaka dia tsy hiakatra etỳ an-tendrombohitra miaraka aminareo.

3Dia lasa nitatitra tamin’ny Israelita izay rehetra nolazain’ny TOMPO sy nandidiany azy i Mosesy, ka novalian’ny vahoaka manontolo indray niredona hoe:

–Ny zavatra rehetra izay nandidian’ny TOMPO anay dia hotanterahinay avokoa.

4Nosoratan’i Mosesy avokoa ny tenin’ny TOMPO taminy; ary nony ampitso dia nifoha maraina izy ka nanamboatra alitara iray teo am-pototry ny tendrombohitra sy nanangana tsangambato 12, ka iray avy isam-poko tao amin’ny Israely. 5Naniraka tovolahy israelita izy mba hanolotra sorona dorana manontolo ho an’ny TOMPO sady hitondra ombilahy hatao sorom-pihavanana. 6Dia nalain’i Mosesy ny antsasaky ny ran’ny biby ka nataony tao an-dovia, fa ny antsasany kosa nafafiny teo ambony alitara. 7Avy eo dia nalainy ny bokin’ny fanekempihavanana ka novakîny mafy teo imason’ny vahoaka. Dia nanambara ny Israelita hoe:

–Ny zavatra rehetra izay nandidian’ny TOMPO anay dia hotanterahinay an-tsakany sy an-davany.

8Koa nalain’i Mosesy àry ny ra tao amin’ny lovia, dia nafafiny tamin’ny Israelita sady nataony hoe:

–Ity ra ity no manamafy ny fanekempihavanana izay nataon’ny TOMPO taminareo fony Izy nanome ireo didy rehetra ireo ho anareo.

9Taorian’izany, dia niakatra teny an-tendrombohitra i Mosesy, niaraka tamin’i Aharôna sy i Nadaba sy i Abihò ary loholona fitopolo tamin’i Israely. 10Ary nahita an’ilay Andriamanitr’i Israely izy ireo: ny teo ambany tongony dia karazana lampivato safira, manga manganohano toa volon-danitra. 11Tsy namely ireto olo-manga israelita ireto Andriamanitra, ka afaka nijery Azy ry zareo sady nihinana sy nisotro.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12