vendredi 23 décembre 2022

Zoma 23 Desambra 2022 - Lio 12 : 32 - 40

 32–Aza matahotra, ry andian’ondry vitsy, fa efa sitraky ny Ray homena anareo ny Fanjakany! 33Amidio ny fanananareo ka ny vola azo, anaovy asa fiantrana. Kitapom-bola tsy mety tontan’ny ela atao ho anareo, dia harena tsy mety lany any an-danitra; any tsy mba misy mpangalatra mihaodihaody na kadradraka manimba. 34Fa izay misy ny harenareo no hisy ny fonareo koa!

35–Aoka ho vonona lalandava ka ny lambanareo sikino ary ny jironareo areheto. 36Manaova toy ny mpanompo miandry izay hiverenan’ny tompony avy any amin’ny fanasana; raha vao tonga sy mandondòna izy, dia vohain’ny mpanompony miaraka amin’izay. 37Sambatra ireo mpanompo hitan’ny tompony miari-tory raha tonga izy. Lazaiko marina aminareo fa hisikina lamba ny tompony ka hampipetraka azy hihinana ary handroso sakafo ho azy. 38Na misasakalina na maneno akoho no ahatongavan’ny tompony ka mahita ireo mpanompo miari-tory toy izany, dia sambatra ireo mpanompo ireo! 39Izao no ataovy an-tsaina: raha fantatry ny tompon-trano ny ora iavian’ny mpangalatra, dia tsy havelany hotamîna ny tranony! 40Ianareo koa, aoka ho vonona hatrany, fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’olona.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12