samedi 4 mars 2023

Sabotsy 04 Martsa 2023 - Lio 16 : 14 - 31

 14Fatra-pitia vola ny Farisianina ka naneso an’i Jesoa nony nandre izany teny rehetra izany. 15Fa hoy i Jesoa taminy:

–Ianareo miseho ho marina eo imason’ny olona, kanefa fantatr’Andriamanitra ny fonareo. Fa izay heverin’ny olona ho ambony, dia maharikoriko eo imason’Andriamanitra.

16Miafara amin’i Jôhany Mpanao batisa ny andron’ny lalànan’i Mosesy sy ny bokin’ny mpaminany. Fa manomboka hatreo kosa dia ny Fanjakàn’Andriamanitra no Vaovao Mahafaly torîna, ary samy miezaka hiditra ao ny olona. 17Kanefa moramora kokoa ny hahalevona ny tany amana habakabaka noho ny hoe hahafoana ny zavatra faran’izay madinika indrindra ao amin’ny lalànan’i Mosesy.

18Izay rehetra manary vady ka mampakatra vehivavy hafa, dia manitsakitsaka ny vadiny taloha; ary izay mampakatra vehivavy nariam-bady, dia maka vadin’olona.

19Nisy mpanankarena anankiray nanao fitafiana tsara tarehy sady lafo vidy ary nanaram-po tamin’ny hanim-py isan’andro. 20Nisy kosa mahantra ferena anankiray atao hoe Lazara nivalandotra teo anoloan’ny vavahadin’ilay mpanankarena. 21Satriny tokoa ny mba hivoky amin’ny sombintsombin-tsakafo latsaka avy amin’ny latabatr’ilay mpanankarena, saingy ny alika kosa no tonga nilelaka ny feriny. 22Maty ilay mahantra, ka nentin’ny anjely ho eo anilan’i Abrahama16.22 Ampit 13.28.; maty koa ilay mpanankarena, dia nalevina. 23Raha ilay niferinaina tany amin’ny toeran’ny maty iny ilay mpanankarena, dia niandrandra ka tazany terỳ lavitra terỳ i Abrahama sy i Lazara teo anilany. 24Dia niantso izy nanao hoe: «Ry ikaky Abrahama ô, mamindrà fo amiko, iraho kely re i Lazara mba hanatsoboka ny loha fanondrony amin’ny rano hampangatsiatsiahany ny lelako, fa mijaly aho ato anaty lelafo ato.» 25Fa hoy i Abrahama hoe: «Anaka, tsarovy fa ampoky ny soa ianao fahavelonao, i Lazara kosa niaritra fahoriana; ankehitriny mandray fiononana izy atỳ ankoatra, ary ianao kosa mijaly. 26Sady izao koa, misy hantsam-be manelanelana antsika, hany ka izay te hiala etỳ hankeny aminareo tsy afa-manoatra, ary izay te hiala eny hanketỳ aminay tsy afa-miampita.» 27Dia hoy ilay mpanankarena hoe: «Miangavy anao àry aho, ry ikaky, mba iraho i Lazara ho any aminay, 28fa misy dimy lahy iray tampo amiko any. Aoka i Lazara hananatra azy mafy, mba tsy hahatonga azy koa amin’ity toeram-pijaliana ity!» 29Fa novalian’i Abrahama hoe: «Manana an’i Mosesy sy ny mpaminany izy, koa aoka ireo no hohenoiny.» 30Dia hoy ilay mpanankarena: «Tsy izany re, ry ikaky Abrahama, fa raha misy olona avy atỳ amin’ny maty miverina any aminy, dia hialan’izy dimy mirahalahy ny toe-dratsy!» 31Fa hoy i Abrahama: «Raha i Mosesy sy ny mpaminany tsy henoiny, dia tsy hiaiky izy na misy olona mitsangana velona avy any amin’ny maty aza.»

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12