jeudi 7 mai 2020

Alakamisy 07 May 2020 - Eze 11 : 1 - 12

1Ary ningain’ny Fanahin’ny Tompo aho ka nentiny hankeo amin’ilay vavahady atsinanana amin’ny tranon’ny TOMPO. Tazako teo anilan’ny fidirana ny lehilahy 25 ka anisan’ireny ireo roalahy lehiben’ny vahoaka, dia i Jazanià zanakalahin’i Hazora, sy i Pelatià zanakalahin’i Benaià. 2Ary hoy ny Fanahy tamiko: «Ry ilay taranak’olombelona, ireo no lehilahy manomana asa ratsy sy manolo-tsaina mandoza eto Jerosalema. 3Lazainy hoe: ‹Tsy hanorenana trano intsony eto ao anatin’ny fotoana elaela! Fa ho toy ny vilany ity tanàna ity ary isika no ho hena tahirizina ao anatiny.› 4Koa ianao, ry ilay taranak’olombelona, ijoroy ny maha-mpaminany anao, eny, ijoroy ny maha-mpaminany anao mba hanohitra azy».

5Dia nilatsaka tamiko ny Fanahin’ny TOMPO ka nandidy ahy hanambara hoe: «Izao no lazain’ny TOMPO: Fantatro izay teneninareo, ry olon’i Israely, fantatro ny eritreritra tonga ao an-tsainareo! 6Efa nahafaty olona maro teto amin’ity tanàna ity ianareo; ary namenoanareo ny lalambe ny fatiny. 7Koa hoy Izaho Tompo ANDRIANANAHARY aminareo: toy ny vilany ity tanàna ity, ary ny hena dia ireo efa novonoinareo ho faty teo anivony. Ianareo kosa anefa dia horoahiko tao. 8Matahotra ny ady ve ianareo? Raha izany, dia halefako aminareo ny ady. Teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany! 9Horoahiko hiala amin’ity tanàna ity ianareo, ka hatolotro ho eo an-tanàn’ny firenen-kafa; ary hotanterahiko ny didim-pitsarako ny aminareo. 10Hampihariko aminareo ny fitsarako ato anatin’ny faritr’i Israely, ka hovonoiko ho faty amin’ny ady ianareo. Amin’izay dia hoekenareo fa Izaho no TOMPO. 11Tsy ho toy ny vilany ho anareo ity tanàna ity ary tsy ho toy ny hena tahirizina ao anatiny ianareo; fa hampihariko aminareo ny fitsarako ato anatin’ny faritr’i Israely. 12Amin’izay dia hoekenareo fa Izaho no TOMPO Izay tsy nankatoavinareo lalàna sy tsy narahinareo fitsipika, satria nanaraka ny fomban’ireo firenena nanodidina ianareo.»

mercredi 6 mai 2020

Alarobia 06 May 2020 - Jao 15 : 26 - 27

26Ho tonga ilay Mpampahery anareo, dia ilay Fanahy fahamarinana Izay mivoaka avy any amin’ny Ray: Izy no hirahiko ho etỳ aminareo avy any amin’ny Ray, ary Izy no ho vavolombelona hanambara Ahy. 27Ary ianareo koa dia vavolombelona hanambara Ahy, satria miaraka amiko hatramin’ny voalohany ianareo!

mardi 5 mai 2020

Talata 05 May 2020 - I Kor 2 : 11 - 16

11Raha samy olombelona izao, dia ny fanahin’ny olona ao anatiny ao ihany no mahalala izao ao am-pon’ilay olona; ary toy izany koa, ny Fanahin’Andriamanitra ihany no mahafantatra izay ao am-pon’Andriamanitra. 12Raha izahay, dia tsy nandray ny fanahin’izao tontolo izao fa ny Fanahy avy amin’Andriamanitra, mba hahalalanay ny tombon-tsoa rehetra efa nomen’Andriamanitra anay. 13Ary tsy teny ampianarin’ny fahendren’olombelona no itenenanay momba izany, fa teny ampianarin’ny Fanahin’Andriamanitra; ka izay manana io Fanahin’Andriamanitra io no anazavanay ny zavatra ampitain’ny Fanahin’Andriamanitra.

14Fa ny olona tsy manana ny Fanahin’Andriamanitra dia tsy mahay mandray ny fanomezana ampitain’izany Fanahy izany; fa ataony ho fahadalana izany, sady tsy hainy fantarina velively, satria ny Fanahin’Andriamanitra ihany no ahafantarana izany. 15Afaka mitsara ny zavatra rehetra ny olona manana ny Fanahin’Andriamanitra kanefa tsy azon’olona tsaraina.

16Fa hoy ny Soratra Masina hoe:

«Iza moa no mahafantatra ny fisainan’ny Tompo,
ka ho afaka hanolo-tsaina Azy?»
Fa izahay kosa dia manana ny fisainan’i Kristy!

lundi 4 mai 2020

Alatsinainy 04 May 2020 - Joe 3 : 1 - 5

1Dia hoy ny TOMPO hoe:
«Rehefa afaka izany
dia handatsaka ny Fanahiko
amin’ny olombelona rehetra Aho,
ka haminany ny zanakalahinareo
mbamin’ny zanakavavinareo,
hanonofy ny lahiantitrareo
ary hisehoam-pahitana ny tanoranareo.
2Na dia ny mpanompolahy
sy ny mpanompovavy aza
dia handatsahako ny Fanahiko
amin’izany andro izany.
3Hampiseho zava-mahagaga
eny amin’ny lanitra
sy etỳ amin’ny tany Aho,
dia ra sy afo ary setroka mitambolina.
4Ho maizina ny masoandro
ary ho mena toy ny ra ny volana
mialoha ny hiavian’ny andron’ny TOMPO
izay andro lehibe sady mahatahotra.
5Ary na iza na iza hiantso
ny anaran’ny TOMPO
dia ho voavonjy.
Fa eo an-tendrombohitra Tsiôna sy ao Jerosalema
dia hisy sisa afaka, araka ny voalazan’ny TOMPO.
Ary izay antsoin’ny TOMPO
dia ho isan’ny afa-mandositra.

dimanche 3 mai 2020

Alahady 03 May 2020 - Mpi 6 : 33 - 40

33Ny Midianita rehetra mbamin’ny Hamalekita ary ny mpifindrafindra lasy avy any atsinanana dia nivondrona ka niampita an’i Jôrdàna ary nanorina ny tobiny tao amin’ny lemak’i Jizrehela. 34Fa notsindrian’ny Fanahin’ny TOMPO i Gidehôna, dia nitsoka trompetra mba hiantso ny vatan-dehilahy tao amin’ny tarika abihezerita hanaraka azy. 35Nandefa iraka tany amin’ny faritany manasita manontolo koa izy mba hiantso ny vatan-dehilahy any hanaraka azy. Mbola nandefa iraka tany amin’ny foko aserita sy i zebolonita ary naftalita koa izy ka tonga nanaraka azy ny vatan-dehilahy tamin’ireny.

36Dia hoy i Gidehôna tamin’Andriamanitra:
–Raha sitrakao tokoa ny hamonjy ny Israelita amin’ny alalan’ny tanako araka izay efa voalazanao, 37dia indro havelatro eo am-pamoloana ny volon’ondry; ka raha ny volon’ondry ihany no lenan’ny ando, fa ny tany manodidina azy kosa ho maina avokoa, dia ho fantatro fa ny tanako tokoa no hamonjenao an’i Israely, araka izay efa nambaranao.

38Dia tanteraka tokoa araka izany; fa raha nifoha maraina i Gidehôna ny ampitso ka nofiazany ny volon’ondry, dia nisy ranon’ando tokony hahafeno kaopy iray. 39Ary hoy indray izy tamin’Andriamanitra:
–Aoka mba tsy hirehi-pahatezerana amiko Ianao raha mbola angatahiko zavatra indray mandeha! Te hahazo porofo farany ny amin’ny volon’ondry aho: ka amin’ity indray mandeha ity dia aoka ny volon’ondry ihany no ho maina, fa ny tany manodidina azy kosa ho lenan’ny ando avokoa.

40Tamin’iny alina iny ihany dia notanterahin’Andriamanitra izany ka ny volon’ondry ihany no maina fa ny tany nanodidina azy kosa dia lenan’ny ando avokoa.

samedi 2 mai 2020

Sabotsy 02 May 2020 - Asa 11 : 7 - 14

 7Dia nisy feo henoko nanao tamiko hoe: «Mitsangàna, ry Petera; mamonoa ka mihinàna!» 8Ary novaliako hoe: «Sanatria, Tompoko! Tsy mbola nisy mihitsy zavatra fady na maloto niditra ny vavako.» 9Dia mbola heno indray ilay feo avy any an-danitra nanao hoe: «Izay efa nambaran’Andriamanitra fa madio, dia aza ataonao ho fady.» 10Intelo niverina izany, dia nakarina manontolo tany an-danitra indray ilay zavatra. 11Tamin’izany fotoana izany indrindra dia indreo nisy olona telo lahy tonga tao amin’ilay trano nitoerako: iraka avy any Kesaria hankatỳ amiko. 12Dia nitenenan’ny Fanahy Masina aho mba tsy hisalasala ny hiaraka aminy. Tafaraka tamiko tany koa ireto havana mpino enina nentiko eto aminareo ireto, ary niditra tao an-tranon’i Kôrnely izahay. 13Dia notantarain’i Kôrnely ny fomba nahitany tao an-trano anjely anankiray izay nanao taminy hoe: «Maniraha lehilahy any Jôpa haka an’i Simôna, izay antsoina koa hoe Petera. 14Hitondra teny hamonjena anao sy ny ankohonanao rehetra izy.»

vendredi 1 mai 2020

Zoma 01 May 2020 - I Kor 6 : 12 - 20

12«Azoko atao ny zavatra rehetra», hoy aho, kanefa tsy dia ary mahasoa avokoa. «Azoko atao ny zavatra rehetra», hoy aho, kanefa tsy misy na inona na inona avelako hanandevo ahy. 13«Ny hanina fanao an-kibo ary ny kibo fasian-kanina», hoy ianareo, kanefa samy zavatra horavan’Andriamanitra izy roroa. Ny tenantsika kosa tsy natao ho an’ny fijangajangana fa ho an’ny Tompo; ary ny Tompo ho an’ny tenantsika. 14Efa nanangana ny Tompo ho velona Andriamanitra, ary isika koa dia hatsangany ho velona araka ny heriny.

15Tsy fantatrareo ve fa anisan’ny tenan’i Kristy ny tenanareo? Ka dia hoesoriko ve ny anisan’ny tenan’i Kristy hatao ho anisan’ny tenan’ny vehivavy mpijangajanga? Sanatria! 16Sa tsy fantatrareo fa ny lehilahy mikambana amin’ny vehivavy mpijangajanga dia iray tena aminy? Hoy manko ny Soratra Masina: «Ho tena iray izy roroa.» 17Fa izay mikambana amin’ny Tompo kosa dia fanahy iray aminy.

18Andosiro ny fijangajangana! Ny fahotana hafa rehetra ataon’ny olona dia ivelan’ny tenany avokoa; fa izay mijangajanga kosa dia manao fahotana mihatra amin’ny tenany. 19Sa tsy fantatrareo fa ny tenanareo dia tempolin’ny Fanahy Masina, Ilay ao anatinareo sady noraisinareo tamin’Andriamanitra? Tsy anareo ny tenanareo, 20fa novidîn’Andriamanitra lafo ho fananany ianareo. Noho izany, ampiasao hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra ny tenanareo.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12