jeudi 23 août 2018

Alakamisy 23 Aogositra 2018 - Asa 5 : 29 - 39

29Fa novalian'i Petera sy ny apôstôly hoe:
–Andriamanitra no tsy maintsy ekena fa tsy ny olombelona. 30Efa natsangan'ilay Andriamanitry ny razantsika ho velona i Jesoa, Izay nahantonareo teo amin'ny hazofijaliana no namonoanareo azy. 31Efa nasandratr'Andriamanitra eo ankavanany5.31 Nasandratr'Andriamanitra eo ankavanany: dkt hafa nasandratry ny tanan-kavanan'Andriamanitra (ampit 2.33). Izy ka tonga Mpitari-dalana sy Mpamonjy mba hahazoan'ny vahoaka Israely miala amin'ny toe-dratsy sady mandray famelan-keloka. 32Vavolombelona manambara izany ny tenanay mbamin'ny Fanahy Masina nomen'Andriamanitra ny olona manaiky Azy.

33Nisafoaka ny tao amin'ny Fitsarana ambony raha nandre izany teny izany ka nikasa hamono ny apôstôly. 34Kanefa nisy Farisianina atao hoe Gamaliela5.34 I Gamaliela dia isan'izay nalaza indrindra tamin'ny mpampianatra jiosy ary tao amin'ny Fitsarana ambony. Mpianany rahateo i Paoly (Asa 22.3)., anisan-dry zareo sady mpahay lalàna heni-kaja tamin'ny vahoaka rehetra; nitsangana teo afovoan'ny Fitsarana ambony i Gamaliela, dia nasainy navoaka vetivety ireo apôstôly, 35ary hoy izy tamin'ny mpivory:
–Ry lehilahy israelita, tandremo tsara izay hataonareo amin'ireo olona ireo. 36Vao tsy ela akory no nijoroan'i Teodasy, izay nanao ny tenany ho zavatra; nisy sahabo ho efajato lahy ireo niandany taminy. Novonoina izy, ary nihahaka izay rehetra nanaraka azy, ka tonga tsinontsinona. 37Taorian'i Teodasy, dia nijoro indray i Jodasy avy any Galilea, tamin'ny andron'ny fanisàm-bahoaka ary nahataona olona maro nanaraka azy. Novonoina koa izy, ary nihahaka izay rehetra nanaraka azy. 38Koa izao no teniko aminareo ankehitriny: aza raharahaina ireo olona ireo, fa avelao izy handeha, satria handamoka io fikasana io na io asa io raha avy amin'olombelona fotsiny. 39Fa raha avy amin'Andriamanitra kosa, dia tsy ho azonareo foanana, sao dia ianareo indray no tonga mpiady amin'Andriamanitra.

Dia nanaiky an'i Gamaliela ny Fitsarana ambony.

Ny herisetra atao amin'ny mpanompon'Andriamanitra

"fa raha avy amin 'Andriamanitra kosa izao, dia tsy ho azonareo foanana, sao dia miseho ho mpiady amin 'Andriamanitra hianareo" and 39.

Iharan'ny herisetra tokoa ny mpitory ny Filazantsara saingy:

1- Tsy mahasakana ny asan'Andriamanitra izany
Nanohy ny fitoriana ny Filazantsara hatrany i Petera sy ireo namany na dia teo aza ny herisetra natao tamin'izy ireo (and 17-32). Tsy nahasakana ny asan'Andriamanitra ny herisetra sy ny ramahatahora. Niharan'ny herisetra tahaka izao koa i Jesoa kanefa tsy nahasakana Azy hanatanteraka ny asam-pamonjena nanirahan'ny Ray Azy izany. Sady tsy hahasakana ny fandrosoan'ny asan' Andriamanitra izany kanefa koa dia:

2- Ady hatao amin'Andriamanitra
"izay mandray anareo dia mandray Ahy ary izay mandray Ahy dia mandray izay naniraka Ahy" hoy i Jesoa (Mat 10, 40). Marina tsy azo iadian-kevitra koa ny mifanohitra amin'izany fa izay manao herisetra amin'ny mpanompon'Andriamanitra dia manao herisetra amin' Andriamanitra ilay niantso sy naniraka azy (Asa 9, 1-5). Raha izany dia ny Tompo mihitsy no hitsangana hanohitra ny herisetra atao amin'ny mpanompony.

Fanontaniana:
Inona no iantsoana ny mpitory ny Filazantsara maty noho ny herisetra natao taminy?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12