dimanche 31 janvier 2021

Alahady 31 janoary 2021 - II Mpa 5 : 15 - 27

 15Dia niverina nankao amin’ilay olon’Andriamanitra izy mbamin’ireo rehetra mpanaraka azy; ary niseho teo anatrehany izy ka nanao taminy hoe:

–Fantatro ankehitriny fa tsy misy Andriamanitra eto ambonin’ny tany tontolo afa-tsy ato amin’i Israely ihany. Koa mba raiso ny fanomezana atolotro anao.

16Fa hoy ny navalin’i Elisà:

–Velona ny TOMPO izay tompoiko, ka manizingizina aminao aho fa tsy handray izany.

Nitambezo azy handray ihany i Nahamàna, saingy nanda hatrany kosa i Elisà, 17ka nilazany hoe:

–Satria nolavinao ny fanomezako, dia avelao aho mba hitondra tany kely zakan’ny boriky roa avy amin’ny taninao; fa izaho tsy mba hanolotra intsony sorona dorana manontolo na sorom-pihavanana amin’ny andriamani-kafa afa-tsy amin’ny TOMPO ihany. 18Saingy mangata-pamelana mialoha amin’ny TOMPO aho momba izao zavatra izao: Raha miditra mba hivavaka ao amin’ny tempolin’i Rimôna andriamaniny ny tompoko mpanjakan’i Siria, dia tsy maintsy hiankohoka hitehi-tany miaraka aminy koa aho satria mitehina amin’ny tanako izy. Ny TOMPO anie hamela heloka ahy amin’izany fihetsiko izany!

19Ary hoy i Elisà taminy:

–Mandehana ombàm-piadanana.

Ary lasa nandeha i Nahamàna.

Raha mbola tsy lasa lavitra akory i Nahamàna, 20dia niteny anakampo i Gehazỳ mpanompon’i Elisà hoe: «Nalefan’ny tompoko tamin’izao fotsiny lahy i Nahamàna ilay Sirianina fa tsy nakany na inona na inona tamin’ny zavatra nentiny. Velona ny TOMPO, ka milokaloka aho fa tsy maintsy hotratrariko iny hahazoako zavatra.» 21Dia lasa i Gehazỳ nanenjika an’i Nahamàna; ary nony nahita azy mihazakazaka manatona kosa i Nahamàna, dia niala faingana tamin’ny kalesiny hitsena azy ka nanao hoe:

–Tsara ihany va ianao?

22Ary hoy ny navaliny:

–Tsara ihany aho; saingy nirahin’ny tompoko fotsiny aho hilaza aminao, fa misy zatovo roa lahy anisan’ny andia-mpaminany tonga ao aminy avy any amin’ny faritra havoan’i Efraîma. Koa miangavy anao izy mba hanome azy roa lahy volafotsy telopolo kilao ary akanjo fitondra mianjaika roa.

23Dia hoy i Nahamàna:

–Volafotsy enimpolo kilao re entina e!

Notereny handray izany i Gehazỳ, ary dia nataony tao anaty kitapo roa tsara fehy ny volafotsy enimpolo kilao sy ny akanjo roa; ka nasainy nentin’ny mpanompony roa lahy izay nanaraka an’i Gehazỳ ireo rehetra ireo. 24Rehefa tonga teo amin’ny toerana atao hoe Hôfela izy, dia nalain’i Gehazỳ ny kitapo sy ny akanjo ka napetrany tao an-tranony; ary nasainy niverina ireo mpanompon’i Nahamàna, ka lasa.

25Nony tafaverina teo anatrehan’ny tompony kosa i Gehazỳ, dia nanontanian’i Elisà hoe:

–Avy taiza ianao, ry Gehazỳ?

Ka hoy ny navaliny:

–Tsy avy taiza tsy avy taiza aho, tompoko.

26Fa hoy indray i Elisà:

–Moa ataonao tsy ho hitako am-panahy ve iny lehilahy izay niala tamin’ny kalesiny hitsena anao iny? Tsy fotoana fandraisam-bola na fitafiana, na tanin’ôliva na tanimboaloboka, na ondry aman’osy, na omby, na mpanompolahy na mpanompovavy izao; 27satria ny aretin-koditr’i Nahamàna dia hiraikitra aminao sy ny taranakao hatrany hatrany.

Rehefa niala teo anatrehan’i Elisà i Gehazỳ, dia indro fa niempaka fotsy toa oram-panala ny hodiny.

samedi 30 janvier 2021

Sabotsy 30 Janoary 2021 - I Kor 12 : 27 - 31

27Ianareo rehetra no tenan’i Kristy; ianareo tsirairay kosa dia anisan’io tenany io araka ny anjaranareo avy. 28Ary ao amin’ny Fiangonana dia izao no nandaharan’Andriamanitra ny olona: voalohany, ireo apôstôly; faharoa, ireo mpilaza hafatra avy amin’Andriamanitra; fahatelo, ireo mpampianatra; manaraka izany, ireo mandray fanomezam-pahasoavana hanao asa mahagaga, hanasitrana marary, hanampy olona, hitondra olona ary hiteny fiteny samy hafa tsy fantatra. 29Izy rehetra tsy akory tsy hoe apôstôly avokoa na mpilaza hafatra avy amin’Andriamanitra, na mpampianatra. Izy rehetra tsy akory tsy hoe nandray fanomezam-pahasoavana hanao asa mahagaga avokoa, 30na hiteny amin’ny fiteny tsy fantatra na hanazava izany. 31Kanefa ireo fanomezam-pahasoavana lehibe indrindra no irio fatratra.

vendredi 29 janvier 2021

Zoma 29 Janoary 2021 - Mat 3 : 13 - 17

 13Tamin’izay dia niseho i Jesoa; avy any Galilea Izy no nanatona an’i Jôhany teo amoron’i Jôrdàna mba hataony batisa. 14Nandà mafy i Jôhany ka nanao hoe:

–Izaho no tokony hataonao batisa, ka Ianao indray ve no mankatỳ amiko?

15Fa novalian’i Jesoa hoe:

–Ekeo ihany aloha, fa izany no tsy maintsy anatontosantsika ny zavatra rehetra voasoritr’Andriamanitra.

Izay vao nanaiky i Jôhany. 16Nony vita batisa i Jesoa, dia niala avy hatrany tao anaty rano. Ary indro nisokatra tamin’i Jesoa ny lanitra ka hitany ny Fanahin’Andriamanitra nidina tahaka ny voromahailala nankeo amboniny. 17Dia injany nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe:

–Ity no Zanako, ilay Malalako; Izy no sitrako!

jeudi 28 janvier 2021

Alakamisy 28 Janoary 2021 - Sal 18 : 20 - 27

 20navoakany ho eo an-kalalahana aho

ary nafahany satria tena tiany.

21Soa no ataon’ny TOMPO amiko satria marina aho;

izany no avaliny ahy satria madio ny toetrako,

22fa voatandriko ny làlan’ny TOMPO

ary tsy ivadihako ilay Andriamanitro;

23ankatoaviko avokoa ny fitsipiny

ary tsy mba ialako ireo didiny.

24Koa tsy manan-tsiny aminy aho

fa nitandrin-tena tsy ho diso.

25Eny, soa tokoa no navalin’ny TOMPO ahy

satria marina aho sy hitany madio toetra.

26Tompo ô, mahatoky Ianao

amin’izay matoky Anao;

tsy manan-tsiny koa Ianao

amin’izay tsy manan-tsiny;

27Madio Ianao amin’izay madio,

miolakolaka kosa amin’izay mpiolikolika.

mercredi 27 janvier 2021

Alarobia 27 Janoary 2020 - Eks 33 : 12 - 23

 12Hoy i Mosesy tamin’ny TOMPO:

–Jereo ange, TOMPO ô! Ianao nandidy ahy mba hitarika ity vahoaka ity, nefa tsy nanondro izay tianao halefa hanampy ahy. Ianao ihany no nilaza fa fantatrao mihitsy aho ary nahazo fanambinana teo imasonao. 13Koa raha mahazo fanambinana teo imasonao tokoa aho, dia mba ampahafantaro ahy izay fikasanao. Ho fantatro Ianao amin’izay; sady ho tena nahazo fanambinana teo imasonao aho. Tsarovy koa fa ity firenena ity dia vahoakanao.

14Dia namaly ny TOMPO hoe:

–Izaho mihitsy no handeha hiaraka aminao, ka hanome anao fiadanana!

15Fa hoy indray i Mosesy taminy:

–Raha tsy Ianao mihitsy no handeha hiaraka aminay, dia aza mibaiko anay hiala eto. 16Raha toa manko tsy hiaraka aminay Ianao, ahoana no hahafantarana fa nahazo fanambinana teo imasonao ny tenako sy ny vahoakanao? Satria ny fiarahanao aminay ihany no mampiavaka anay amin’ireo vahoaka hafa rehetra eto ambonin’ny tany.

17Dia hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy:

–Hotanterahiko na dia izay vao nolazainao teo aza. Nahazo fanambinana teo imasoko manko ianao sady efa fantatro mihitsy.

18Hoy koa i Mosesy tamin’ny Tompo:

–Avelao àry aho mba hahita ny voninahitrao.

19Dia novalian’ny TOMPO hoe:

–Handalo eo anatrehanao Aho ka haneho aminao ny hatsaram-poko manontolo sady hanambara ny anarako hoe «Ny TOMPO». Fa hiantra izay tiako hiantrana Aho, ary hamindrafo amin’izay tiako hamindrana fo. 20Kanefa ianao tsy mahazo mijery Ahy miatrika, satria tsy misy olona hijery Ahy miatrika ka ho velona. 21Fa eto akaikiko eto, hoy Izaho TOMPO, dia misy toerana an-karambato hijanonanao. 22Rehefa mandalo mamirapiratry ny voninahitro Aho, dia hafeniko eo an-tsefatsefaky ny harambato ianao, ary hosaronako amin’ny tanako mandra-pandaloko. 23Avy eo vao hoesoriko ny tanako, ka ho azonao jerena avy ao ivohoko Aho, satria tsy azo jerena ny tavako.

mardi 26 janvier 2021

Talata 26 Janoary 2021 - Heb 12 : 1 - 6

 1Voahodidina vavolombelona marobe tokoa àry isika; noho izany, dia aoka hanaisotra ny zavatra rehetra manembantsembana ny hazakazaka ataontsika sy hanaisotra ny ota mora mangeja antsika, ary hiezaka amim-paharetana eo amin’izao fifaninanana hazakazaka naroso hataontsika izao. 2Aoka isika hifantoka tsara amin’i Jesoa, Izay loharanon’ny finoantsika hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany. Niaretan’i Jesoa ny namonoana Azy teo amin’ny hazofijaliana fa tsy nitandroany henatra, satria tsinjony sahady ny hafaliana natao ho azony; ka izao Izy efa mipetraka eo ankavanan’ny sezafiandrianan’Andriamanitra.

3Eritrereto tsara i Jesoa, Izay niaritra ny fanoherana mafy nafitsoky ny mpanota taminy; ka aza kivy, aza ketraka ianareo. 4Fa tsy mbola nihatra taman’aina tsy akory ny ady nataonareo hanoherana ny fahotana. 5Ary efa hadinonareo ve ny teny fampaherezana milaza aminareo toy ny amin-janaka hoe:

«Anaka, aza atao tsirambina ny famaizana ampiharin’ny Tompo;

ary aza ketraka rehefa anariny.

6Fa ny zanaka tiany no faizin’ny Tompo

ary izay rehetra raisiny ho zanaka no kapohiny»?

lundi 25 janvier 2021

Alatsinainy 25 Janoary 2021 - Sal 111 : 1 - 9

 1 Haleloià!

ALEFA

Hoderaiko amin’ny foko manontolo ny TOMPO

BETA

eo amin’ireo olo-mahitsy

tafavory sy tafangona.

GIMELA

2Lehibe ny asa ataon’ny TOMPO

DALETA

ka tsapan’izay rehetra mankafỳ an’ireny.

HE

3Madera sady malaza ny zava-bitany;

VAO

maharitra mandrakizay ny fahamarinany.

ZAINA

4Tiany hotsaroana ny zava-mahagaga nataony.

HETA

Miantra sy mamindrafo ny TOMPO.

TETA

5Omeny sakafo ireo matahotra Azy;

JODA

tsaroany lalandava ny fanekempihavanany.

KAFA

6Ny vahoakany nanehoany ny hery ampiasainy,

LAMEDA

fony nomeny azy ny tanin’ireo hafa firenena.

MEMA

7Mahatoky sy ara-drariny ny asa vitany;

NONA

azo antoka avokoa ny fandaharany:

SAMEKA

8mafy orina hatrany ka ho mandrakizay ireny,

HAINA

mahatoky sy mahitsy no nanaovany azy.

PE

9Nandefasany fanafahana ny vahoakany

TSADE

sy nandraiketany fanekempihavanana mandrakizay.

KÔFA

Andriamanitra masina sy mahatahotra Izy.


Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12