mercredi 27 janvier 2021

Alarobia 27 Janoary 2020 - Eks 33 : 12 - 23

 12Hoy i Mosesy tamin’ny TOMPO:

–Jereo ange, TOMPO ô! Ianao nandidy ahy mba hitarika ity vahoaka ity, nefa tsy nanondro izay tianao halefa hanampy ahy. Ianao ihany no nilaza fa fantatrao mihitsy aho ary nahazo fanambinana teo imasonao. 13Koa raha mahazo fanambinana teo imasonao tokoa aho, dia mba ampahafantaro ahy izay fikasanao. Ho fantatro Ianao amin’izay; sady ho tena nahazo fanambinana teo imasonao aho. Tsarovy koa fa ity firenena ity dia vahoakanao.

14Dia namaly ny TOMPO hoe:

–Izaho mihitsy no handeha hiaraka aminao, ka hanome anao fiadanana!

15Fa hoy indray i Mosesy taminy:

–Raha tsy Ianao mihitsy no handeha hiaraka aminay, dia aza mibaiko anay hiala eto. 16Raha toa manko tsy hiaraka aminay Ianao, ahoana no hahafantarana fa nahazo fanambinana teo imasonao ny tenako sy ny vahoakanao? Satria ny fiarahanao aminay ihany no mampiavaka anay amin’ireo vahoaka hafa rehetra eto ambonin’ny tany.

17Dia hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy:

–Hotanterahiko na dia izay vao nolazainao teo aza. Nahazo fanambinana teo imasoko manko ianao sady efa fantatro mihitsy.

18Hoy koa i Mosesy tamin’ny Tompo:

–Avelao àry aho mba hahita ny voninahitrao.

19Dia novalian’ny TOMPO hoe:

–Handalo eo anatrehanao Aho ka haneho aminao ny hatsaram-poko manontolo sady hanambara ny anarako hoe «Ny TOMPO». Fa hiantra izay tiako hiantrana Aho, ary hamindrafo amin’izay tiako hamindrana fo. 20Kanefa ianao tsy mahazo mijery Ahy miatrika, satria tsy misy olona hijery Ahy miatrika ka ho velona. 21Fa eto akaikiko eto, hoy Izaho TOMPO, dia misy toerana an-karambato hijanonanao. 22Rehefa mandalo mamirapiratry ny voninahitro Aho, dia hafeniko eo an-tsefatsefaky ny harambato ianao, ary hosaronako amin’ny tanako mandra-pandaloko. 23Avy eo vao hoesoriko ny tanako, ka ho azonao jerena avy ao ivohoko Aho, satria tsy azo jerena ny tavako.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12