dimanche 2 décembre 2012

Alahady 02 Desambra 2012 - Deo 28 : 1 - 14


1 Raha ekenareo tokoa ny TOMPO Andriamanitrareo ka imasoanareo hotanterahina ny didiny rehetra izay ampitaiko aminareo anio, dia hasandrany ho ambonin'ny firenena rehetra amin'ny tany ianareo; 2 eny, raha ekenareo ny TOMPO Andriamanitrareo, dia ho tonga aminareo sy ho azonareo ireto fitahiana isan-karazany ireto: 3 Hotahina ianareo na ny ao an-tanan-dehibe na ny any ambanivohitra. 4 Ho maro anaka ianareo, hiavosa ny vokatry ny taninareo ary ho maro taranaka ny biby fiompinareo, dia ny omby sy ondry aman'osinareo. 5 Hotahina ianareo ka ho feno voankazo ny haronareo ary ho feno lafarinina ny vata fitahirizan-tsakafonareo. 6 Hotahina ianareo na miditra na mivoaka ny tranonareo. 7 Hatolotry ny TOMPO horesenareo ny fahavalo izay mitsangana hiady aminareo; ka raha lalana iray no handrosoany hiady aminareo, dia lalana fito kosa no handosirany hiala eo anoloanareo. 8 Handidy ny fitahiany ho aminareo ny TOMPO Andriamanitrareo, ka hambenany ny sompitrareo ary hampanjariany avokoa izay rehetra ataon'ny tananareo; eny, hotahiny ianareo any amin'ny tany izay omeny anareo. 9 Raha tandremanareo ny didin'ny TOMPO Andriamanitrareo ka tanterahinareo ny sori-dalany, dia hasandrany ho firenena voatokana ho Azy ianareo araka izay efa nianianany taminareo; 10 dia hahita avokoa ny firenena fa ny anaran'ny TOMPO no antsoina aminareo, ka hatahotra anareo izy rehetra. 11 Hataon'ny TOMPO manana amby ampy ny soa hafafiny aminareo, any amin'ny tany izay nianianany tamin'ny razambenareo homena anareo: ho maro anaka ianareo, ho maro taranaka ny biby fiompinareo ary hiavosa ny vokatry ny taninareo. 12 Hovohan'ny TOMPO ho anareo ny lanitra izay itahirizany rano sarobidy, mba handatsahany orana ny taninareo amin'ny fotoanandrony ary hitahiany ny asa rehetra ataonareo. Ianareo tsy mba hisambotra vola mihitsy, fa firenena maro kosa no hampisamborinareo. 13 Hataon'ny TOMPO ho lohalaharana ianareo fa tsy ho farany, ary hiroso ho ambony hatrany fa tsy ho ambany, satria ekenareo sady imasoanareo harahina ny didin'ny TOMPO Andriamanitrareo, didy izay ampitaiko aminareo anio; 14 eny, ny didy rehetra izay ampitaiko aminareo anio dia aza ialana mihitsy mba hanarahana sy hanompoana andriamani-kafa.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12