dimanche 9 décembre 2012

Alahady 09 Desambra 2012 : Lio 2 : 39 - 52

39 Rehefa avy nanatontosa ny zavatra rehetra araka ny lalanan'ny Tompo ny ray aman-drenin'i Jesoa, dia niverina nankany Galilea izy telo mianaka ho ao Nazareta tananany. 40 Nitombo sy nihatanjaka ilay zaza sady feno fahendrena; ary tao aminy ny fahasoavan'Andriamanitra. 41 Mpankany Jerosalema isan-taona ny ray aman-drenin'i Jesoa amin'ny fankalazana ny Paska. 42 Nony feno 12 taona i Jesoa, dia lasa izy telo mianaka niara-niakatra araka ny fanao amin'izany fankalazana izany. 43 Nody i Maria sy i Josefa nony tapitra ny andro fankalazana, fa i Jesoa tovolahikely dia mbola nijanona tao Jerosalema, saingy tsy tsikaritr'ireo ray aman-dreniny izany. 44 Nihevitra moa izy roa fa tafaraka tamin'ny mpiara-dia ity zanany; ka efa lasa lalana indray andro, izay vao nitady Azy, nanontany ny havana sy olom-pantatra, 45 nefa tsy nahita Azy. Dia niverina ilalana izy roa nitady Azy tany Jerosalema. 46 Tamin'ny andro fahatelo vao hitany tao an-kianjan'ny tempoly i Jesoa mipetraka teo afovoan'ireo mpampianatra jiosy ka mihaino sady manontany an-dry zareo. 47 Talanjona daholo ny olona nandre ity tovolahikely fa saina matotra no nasehony isak'izay niteny Izy. 48 Gaga dia gaga ny ray aman-dreniny nahita Azy, ka hoy ny reniny taminy: Nahoana, anaka, no nanao toy izao taminay Ianao? Endrey izany tebitebinay sy ny rainao nitady Anao! 49 Dia hoy i Jesoa tamin'izy mivady: Nahoana kosa no mitady Ahy ianareo? Hay tsy mbola fantatrareo fa tsy maintsy ato amin'ny tranon'ny Raiko Aho? 50 Tsy azon'izy roa anefa izay nolazain-janany taminy. 51 Dia niara-nody taminy tany Nazareta i Jesoa ary nanoa azy. Ny reniny kosa nitadidy izany rehetra izany tao am-pony. 52 Ary nitombo fahendrena sy taona i Jesoa sady nandroso nahatehotia tamin'Andriamanitra sy ny olona.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12