dimanche 10 janvier 2016

Alahady 10 Janoary 2016 - Jao 5 : 30 - 38

30–Raha Izaho dia tsy mahavita na inona na inona avy amin'ny tenako. Araka izay reko amin'ny Ray no itsarako; ka ara-drariny ny fitsaràko, satria tsy ny sitrapoko no tadiaviko hatao fa ny sitrapon'Ilay naniraka Ahy. 31Raha Izaho ihany no vavolombelona manambara ny tenako, dia tsy azo antoka ny fijoroako ho vavolombelona; 32fa misy hafa izay mijoro ho vavolombelona momba Ahy, ary fantatro fa azo antoka ny fijoroany ho vavolombelona momba Ahy. 33Nandefa iraka tany amin'i Jôhany ianareo, ary nijoro ho vavolombelona nanambara ny marina i Jôhany. 34Tsy dia ny fijoroana ho vavolombelona avy amin'olona anefa no ianteherako, fa ny mba hahavoavonjy anareo no ilazako izany. 35I Jôhany dia toy ny jiro nirehitra sy nanazava, ka satrinareo nifaliana vetivety ny fahazavany. 36Raha Izaho dia manana fijoroana ho vavolombelona manoatra ny an'i Jôhany, satria ireo asa nomen'ny Raiko hotontosaiko sady ataoko tokoa no vavolombelona momba Ahy sady manambara fa nirahin'ny Ray Aho: 37ny Ray Izay naniraka Ahy mihitsy no vavolombelona nanambara Ahy. Tsy mba nandre ny feony na nahita ny endriny na oviana na oviana ianareo, 38sady tsy mba manana ny teniny mitoetra ao anatinareo, noho ianareo tsy mino Ilay nirahiny.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12