mercredi 6 janvier 2016

Alarobia 06 Janoary 2016 - Gen 1 : 26 - 31

 26Ary Andriamanitra niteny hoe: «Aoka isika hanao olombelona mitovy endrika amintsika sy manahaka antsika; ary aoka hanjakany ny trondro any an-dranomasina sy ny voro-manidina eny an-danitra, ny biby fiompy sy bibidia rehetra eto an-tany ary koa ny biby madinika rehetra mandady amin'ny tany!»

27Dia nahary ny olombelona mitovy endrika aminy tokoa Andriamanitra; lehilahy sy vehivavy no nahariany azy.

28Nitsodrano azy Andriamanitra ka nanao taminy hoe: «Miteraha maro sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany mba hifehy azy. Anjakao ny trondro any an-dranomasina sy ny voro-manidina eny an-danitra ary ny biby rehetra mihetsiketsika ambonin'ny tany.» 29Ary hoy koa Izy hoe: «Indro omeko ho anareo eran'ny tany tontolo ny zava-maniry rehetra mamokatra voa, ary ny hazo rehetra mamokatra voankazo: ireny voanjavatra sy voankazo fihinana ireny no ho sakafonareo. 30Ary ny omeko ny ahi-maitso rehetra ho sakafony kosa dia ny biby rehetra eto an-tany sy ny voro-manidina rehetra eny an-danitra ary ny biby madinika rehetra mandady amin'ny tany, izany hoe ny manam-pofonaina rehetra.» Dia tanteraka izany. 31Ary hitan'Andriamanitra fa izay rehetra nataony dia indro tena tsara. Dia nisy hariva ary nisy maraina; izany no andro fahenina.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12