mardi 5 janvier 2016

Talata 05 Janoary 2016 - Asa 4 : 1 - 12

1Raha mbola niteny tamin'ny vahoaka teo i Petera sy i Jôhany, dia indreo tonga ny mpisorona sy ny lehiben'ny mpiambina ny tempoly ary koa ny Tsadoseanina*. 2Tsy zakan-dry zareo mihitsy ny ampianarin'izy roa lahy ny vahoaka sady itoriany fa tanteraka ao amin'ny tenan'i Jesoa ny fitsanganana velona avy any amin'ny maty. 3Nosamborin'izy ireo i Petera sy i Jôhany, ary satria efa hariva ny andro, dia nataony am-ponja mandra-paharainan'ny andro. 4Maro kosa tamin'izay nihaino ny tenin'Andriamanitra no nino, ka tafakatra ho dimy arivo ny isan'ny vatan-dehilahy mpino.

5Nony ampitson'iny vao nifamory tao Jerosalema ny manampahefana jiosy: dia ny loholona* sy ny mpahay lalàna* 6ary koa i Hanà mpisorombe* sy i Kaiàfa, i Jôhany sy i Aleksandra mbamin'izay rehetra havan'ny mpisorombe. 7Nampanatrehan-dry zareo i Petera sy i Jôhany sady nanontaniany hoe:
–Fahefana ahoana moa na amin'ny anaran'iza no nanaovanareo izany fanaratsiana izany?

8Feno Fanahy Masina i Petera tamin'izay ka nanao hoe:
–Ry mpifehy ny vahoaka sy ry loholona, 9raha adinina izahay anio satria nanasoa lehilahy kilemaina anankiray ary anontaniana ny fomba nahasitranany, 10dia izao no aoka ho fantatrareo rehetra mbamin'ny vahoaka Israely* manontolo: salama tsara io lehilahy manoloana anareo io noho ny anaran'i Jesoa Kristy* avy any Nazareta, Izay nohomboanareo tamin'ny hazofijaliana kanefa natsangan'Andriamanitra ho velona avy any amin'ny maty. 11I Jesoa no Ilay voalazan'ny Soratra Masina* hoe:
          «Ny vato nolavinareo mpanao trano
            no nanjary vato fehizoro!»

12Ao aminy no hany ahazoam-pamonjena; eny, tsy misy eto ambanin'ny lanitra anarana hafa nomen'Andriamanitra ny olona, izay hahazoantsika famonjena!

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12