jeudi 7 janvier 2016

Alakamisy 07 Janoary 2016 - Deo 11 : 8 - 17

8Koa tandremo avokoa ny didy izay ampitaiko aminareo anio mba hahery ianareo ka haka ho fanananareo ilay tany izay hiampitanareo sy hidiranareo, 9ary mba ho maro andro ianareo any amin'io tany io izay nianianan'ny TOMPO tamin'ny razambenareo homena azy sy ny taranany, dia tany izay tondra-dronono sy tantely.

10Ny tany izay hidiranareo mba halainareo ho fananana azy manko dia tsy mba tahaka an'i Ejipta izay nialanareo. Tany Ejipta, rehefa namafy voan-javatra ianareo, dia nampiasa ny tongotrareo hampidiran-drano hanondrahana azy tahaka ny fanao amin'ny voly anana. 11Fa ny tany, izay hiampitanareo mba halainareo ho fananana, dia tany be tendrombohitra sy lohasaha sady vonton'ny ranonoran-danitra, 12tany izay voakarakaran'ny TOMPO Andriamanitrareo sady tsinjovin'ny masony mandrakariva hatreo amin'ny fiandohan'ny taona ka hatrany amin'ny fiafaràny.

13Raha tena hankatoavinareo ny didy izay ampitaiko aminareo anio, ka ny fonareo manontolo sy ny fanahinareo manontolo no hitiavanareo sy hanompoanareo Ahy TOMPO Andriamanitrareo, 14dia halatsakohampanirîny toy izany hoe hampanirîko, eo amin'ny and manaraka.'> eo amin'ny taninareo ny ranonorana amin'ny fotoanandrony, izany hoe ny loha-orana sy ny fara-orana, mba hanangonanareo vary sy divay ary menaka. 15Hampanirîko ahitra koa ny sahanareo ho an'ny biby fiompinareo; ary hihinan-kanina ianareo ka ho voky.

16Mitandrema ianareo fandrao ho voafitaka ny fonareo ka hivily hanompo andriamani-kafa ianareo sy hiankohoka eo anatrehany. 17Dia hirehetan'ny fahatezeran'ny TOMPO ianareo, ka hanampina ny lanitra Izy mba tsy hisy ranonorana; ary tsy hahavokatra intsony ny tany, dia ho lany ringana ianareo any amin'ny tany soa izay homen'ny TOMPO anareo.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12