samedi 2 janvier 2016

Sabotsy 02 Janoary 2016 - Mat 08 : 23 - 27

23Ary niondrana an-tsambokely i Jesoa, ka niarahan'ireo mpianany*. 24Ary nisy tafio-drivotra mahery tonga tampoka teo amin'ny farihin'i Galilea, hany ka efa nila ho safotry ny alon-drano ny sambokely; i Jesoa anefa natory.

 25Dia nohatonin'ireto mpianany Izy, ka nofohaziny sady nataony hoe:
–Tompo ô, vonjeo fa ho faty isika!

26Ary hoy i Jesoa taminy:
–Nahoana no saro-tahotra ianareo, ry kely finoana?

Izay vao niarina i Jesoa, dia niteny mafy ny rivotra sy ny farihy, ary nanjary tony dia tony ny andro.

27Gaga ny olona ka vaky vava hoe:
–Avy aiza àry io Lehilahy io no manaiky Azy hatramin'ny rivotra sy ny farihy?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12