samedi 9 janvier 2016

Sabotsy 09 Janoary 2016 - Dan 3 : 16 - 26

16Dia namaly i Sadràka sy i Mesàka ary i Habeda-Negao ka nanao hoe:

–Ry Nebokadnetsara, tsy misy tokony hamalianay anao akory momba izany. 17Fantaro fa afaka mamonjy anay ny Andriamanitray, dia ilay Andriamanitra izay tompoinay; eny, hanafaka anay amin'ny lafaoro misy afo mivaivay sy amin'ny fahefànao Izy, ry mpanjaka. 18Ary na tsy hataony aza izany, dia aoka ho fantatrao, ry mpanjaka, fa ireo andriamanitrao dia tsy hotompoinay ary ny sarivongana volamena izay natsanganao dia tsy hivavahanayRaha tàhiny ny Andriamanitray, dia ilay Andriamanitra Izay tompoinay, afaka mamonjy anay, ry mpanjaka ô, dia hanafaka anay amin'ny lafaoro misy afo mivaivay sy ny fahefànao koa Izy. Ary na dia tsy afaka hanao izany aza Izy. '>.

19Dia feno fahatezerana i Nebokadnetsara ka niova endrika tamin'i Sadràka sy i Mesàka ary i Habeda-Negao. Nasainy nafanaina impito mihoatra noho ny famana azy ny lafaoro. 20Ary ireo lehilahy matanjaka indrindra tamin'ny miaramilany no nasainy namatotra an'i Sadràka sy i Mesàka ary i Habeda-Negao sy nanipy azy tao anaty lafaoro misy afo mivaivay. 21Avy hatrany dia nafatotra niaraka tamin'ny lobany sy patalohany ary akanjony sy satrony ireo lehilahy ireo, ka natsipy tao amin'ny lafaoro misy afo mivaivay'>. 22Ary satria hentitra ny tenin'ny mpanjaka dia voafana izaitsizy ny lafaoro, ka matin'ny lelafo mbamin'ny miaramila izay nanipy an'i Sadràka sy i Mesàka ary i Habeda-Negao. 23Fa izy telo lahy ireto kosa dia voatsipy am-patorana tao amin'ny lafaoro misy afo mivaivay (and 24-45) sy ny hiran'ny sakaizan'i Daniela telo lahy (and 46-90).'>.

24Talanjona anefa i Nebokadnetsara ka nitsangana faingana, ary nanontany ireo mpanolotsainy hoe:
–Moa tsy lehilahy telo mifatotra va no natsipintsika tao anaty afo?

Dia hoy ny navalin'ireo'>:
–Izany tokoa, ry mpanjaka!

25Ary hoy indray ny mpanjaka:
–Koa nahoana àry aho no mahita lehilahy efatra tsy mifatotra, mandehandeha ao anaty afo, nefa tsy misy maratra akory; sady ilay fahefatra dia mitovy endrika amin'ny zanak'ireo andriamanitra?

26Dia nanatona ny varavaran'ny lafaoro misy afo mivaivay i Nebokadnetsara ka niantso hoe:
–Ry i Sadràka sy i Mesàka ary i Habeda-Negao mpanompon'Andriamanitra Avo Indrindra ô, mivoaha tao ianareo ka avia atỳ!

Niaraka tamin'izay dia nivoaka avy tao anaty afo i Sadràka sy i Mesàka ary i Habeda-Negao.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12