samedi 24 novembre 2018

Sabotsy 24 Novambra 2018 - Eks 40 : 1 - 8

1Niteny tamin'i Mosesy ny TOMPO hoe:

2–Ny andro voalohany amin'ny volana voalohany no hasainao hatsangana ny fonena-masina na hoe Tranolay fihaonana. 3Ao no hametrahana ny Vatamasina misy ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana ka ho takona ao am-badiky ny efitra lamba. 4Ao no haiditra ny latabatra voatokana ka halamina eo amboniny ny mofo fanolotra ho Ahy; ao koa no haiditra ny fitoeran-jiro ka harehitra ny jirony. 5Hapetraka eo anoloan'ny Vatamasina misy ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana ilay alitara volamena fandorana ditin-kazo manitra; ny efitra lamba dia hapetaka eo amin'ny fidirana mankao amin'ny fonena-masina. 6Ny alitara fisoronana dia hatao eo anoloan'ny fidirana ao amin'ny fonena-masina na hoe Tranolay fihaonana; 7hapetraka eo anelanelan'ny Tranolay fihaonana sy ny alitara kosa ny kovetabe fampiasa amin'ny fidiovana, ary hofenoina rano. 8Hatsangana ireo temitry ny kianja manodidina ny Toeramasina, ary hapetraka ny varavarana lamba eo amin'ny fidirana.

Ny fananganana ny tabernakely

Nanan-danja lehibe teo amin'ny Israely ny fihaonana amin'Andrianianitra. Mampiseho izany ny fomba natao tamin'ny nananganana ny tabernakely. Misy fandaminana sy fepetra avokoa ny fametrapetrahana ny zavatra rehetra:

1- Andriamanitra no mpanome ny toromarika.

Satria fihaonana amin'Andriamanitra izany, ka dia Izy Tompo mihitsy no manome ny lamina sy mahakasika ny fitaovana masina rehetra: ny andro hananganana ny tabernakely, ny fiaran'ny Vavolombelona, ny efitra lamba, ny latabatra, ny fanaovan-jiro, ny alitara volamena fandoroana ditin-kazo manitra sy ny fanaovana fanatitra, ny varavarana, ny kianja, sy ny maro hafa. Izany rehetra izany dia maneho amintsika fa masina Andriamanitra, mitaky fahamasinana sy fiomanana fatratra ny fihaonana Aminy. Ilaina ny fandaminana mialoha ny fanaka masina rehetra. Ny fanaovana ny asan'Andriamanitra rehetra dia tokony ialohavan'ny vavaka fiankinana Aminy.

2- Mosesy no mpitarika

Andraikitra goavana no ankinina amin'ny mpitondra Fiangonana. Amin'ny maha mpitarika azy, dia izy no mifandray mivantana amin'Andriamanitra ka mandray ny hafatra rehetra mialoha ny hanatanterahana ny asa. Raha maniry ahita fahombiazana amin'ny asa izay ataony ny mpitondra sy mpitarika ny vahoakan'Andriamanitra dia tsy maintsy ho olon'ny vavaka sy manam-pifandraisana marina amin'Andriamanitra aloha izy ireny.

Fanontaniana:
Voahaja tokoa ve ny fanaka masina rehetra ao am- piangonana?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12