mercredi 21 novembre 2018

Alarobia 21 Novambra 2018 - I Kor 4 : 1 - 5

1Aoka izahay hoheverina ho mpanompon'i Kristy sy ho mpitantana ireo tsiambaratelo momba an'Andriamanitra. 2Ny hany takîna amin'ny mpitantana dia ny ho hita fa olona mahatoky. 3Raha izaho dia tsy mampaninona ahy velively na hotsarainareo, na handia fitsaran'olombelona; fa na ny mitsara ny tenako aza tsy ataoko. 4Tsy manome tsiny ahy velively ny eritreritro, nefa tsy mahamarina ahy izany fa ny Tompo no mpitsara ahy. 5Noho izany, aza mitsara olona alohan'ny fotoana, dia mandra-piavin'ny Tompo: Izy no hampiharihary ireo zavatra afenina anatin'ny maizina sy hampiseho ireo hevitry ny fon'ny olombelona. Ka amin'izay dia samy homen'Andriamanitra ny dera tandrify azy avy ny tsirairay.

Ny maha Apostoly

"Aoka hataon 'ny olona ho mpanompon 'i Kristy sy mpitandrina ny zava-miafina izay an'Andriamanitra izahay ". (and 1)

Diso fihevitra ireo Kristiana tany Korinto ny amin'ireo Apostoly; fa ny sasany nanandratra loatra ny mpampianatra anankiray izay nofidiny ka nanevateva ny hafa izay tsy tiany. Nahitsin'i Paoly sy notoroany hevitra izy ireo, ka nambarany tamin'izany fa ny Apostoly dia:

1- Mpanompon'i Kristy.

Tsy sahala amin'i Kristy akory izahay, fa ambany noho izy. Toy ny olona rehetra ihany izahay: fa ny mpanompo tsy azo ampitoviana amin'ny tompony, ary tsy maintsy hekena ho ambany noho ny tompony izy. Izany no fanazavanv. Toe-tsaina toy izany no tokony hananan'ny mpitondra fívavahana, sy andraisantsika fiangonana azy mba tsy hahalatsaka azy amin'ny fanandratan-tena sy fiheverana ho ambony noho ny mpanompo namany.

2- Mpitandrina ny zava-miafina izay an' Andriamanitra.

Na dia manaikv ny tenany ho mpanompo aza i Paoly dia tsy mba tahaka ny hoe andevo akory, na mpanompon' olona ka hatao tsinontsinona, fa mpanompon'i Jesoa Kristy. Andraikitra sarobidy ny maha Apostoly sy ny maha mpitandrina. Izy no miahy izay rehetra ilain'ny Fiangonan'Andriamanitra mba hahatanteraka ny sitrapon'i Jesoa Kristy lohan'ny Fiangonana. Tombom-pahasoavana izany, nefa koa tsy izay tiany hatao no tanterahiny fa araka ny teny sy ny fahasoavana izay efa natolotry ny Tompo azy.

Fanontaniana:
Nahoana no vitsy ny mpiangona rehefa tsy eo ny Mpitandrina?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12