mardi 27 novembre 2018

Talata 27 Novambra 2018 - Lio 21 : 29 - 36

29Dia nilaza fanoharana tamin'ny mpihaino Azy i Jesoa nanao hoe:
–Jereo ny aviavy sy ny hazo rehetra. 30Raha vao tazanareo manaroka izy ireny, dia fantatrareo fa efa akaiky ny fahavaratra. 31Toy izany koa raha vao hitanareo miantomboka izany zavatra izany, dia fantaro fa efa akaiky ny Fanjakàn'Andriamanitra. 32Lazaiko marina aminareo fa mbola tsy ho tapitra akory ity taranaka ity, dia ho tanteraka izany rehetra izany. 33Ho levona ny tany amana habakabaka, fa ny teniko tsy mba ho levona.

34–Mitandrema tena ianareo, fandrao tonga mavesatra ny fonareo noho ny filibàna sy ny hamamoana ary ny fiahiana izao fiainana izao; ka ho avy tampoka tsy ampoizinareo izany andro izany, 35satria hiantonta tahaka ny fandrika harato amin'ny mponina rehetra manerana ny tany tontolo. 36Koa miambena sady mivavaha lalandava mba ho afa-miala amin'izany loza rehetra efa ho avy izany sy ho marim-pijoro eo anatrehan'ny Zanak'olona.

Ny andro farany

Raha mandinika izay voalazan'ny Soratra Masina isika, ka ekentsika ho marina izany, dia tsy isalasalana fa vanim- potoana manakaiky ny farany izao androntsika izao. Nambaran'i Jesoa tamin'ny mpianany fa ny andro farany dia:

1- Fotoana ialohavan'ny famantarana.

"Dia tahaka izany koa ianareo, raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia aoka ho fantatrareo fa akaiky ny fanjakan'Andriamanitra"(and.31). Ankehitriny dia efa miseho avokoa ny ankabeazan'ireo famantarana nolazain'ny Tompo ireo: mpaminany sandoka, ady sy tabataba, horohoron-tany sy mosary, fanenjehana, fisamborana, fanagadrana ,tondra-drano (and.25), tebiteby sy ahiahy... (and.8.9,11,12,25)

2- Fotoana fiambenana.

Tsy foin'Andriamanitra ho very isika ka nambarany tamintsika ireo famantarana mialoha ny andro farany ireo. Tsy ampy anefa ny hoe mahalala fotsiny, ka miandry izay hiseho, fa raha izany dia ho very ihany isika. Ambaran'ny Tompo amintsika izay tokony hatao: "Mitandrema tena ianareo, fandrao tonga mavesatra ny fonareo noho ny filibana sy ny hamamoana ary ny fiahiana izao fiainana izao... Koa miambena sady mivavaha lalandava mba ho afa-miala amin'izany loza rehetra efa ho avy izany..." (and.34, 36- DIEM). Anarina isika mba tsy hanao ny fanaon'izao tontolo izao, fa ahonon-tena sy ho marim-pijoro eo anatrehany; omeny toky isika mba tsy hanahy, taomina isika mba hivavaka mandrakariva.

Fanontaniana:
Ahoana ny fandraisanao ny hoe: "Marim-pijoro"?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12