vendredi 23 novembre 2018

Zoma 23 Novambra 2018 - Mat 22 : 1 - 14

1Dia nampiasa fanoharana tamin-dry zareo indray i Jesoa ka niteny hoe:

2–Ny Fanjakàn'ny lanitra dia tahaka ity mpanjaka nanao fanasambe noho ny fampakaram-badin'ny zanany lahy. 3Nirahin'ity mpanjaka ireo mpiasany hiantso ny olona nasaina hankao amin'ny fanasambe, fa tsy nety ho avy ireo. 4Dia mpiasa hafa indray no nirahiny sady nataony hoe: «Izao lazaina amin'ireo olona nasaina: Indro ny sakafo efa voaomako, ny ombiko sy ny biby nafahy efa voavono ary ny zavatra rehetra efa vonona; koa tongava amin'ny fanasambe.» 5Kanjo tsy nahoan'ireo nasaina izany, fa samy lasa nandeha izy rehetra, ny anankiray any amin'ny saha voleny, ary ny anankiray any amin'ny varotra karakarainy; 6ary ny sasany dia nisambotra ireo mpiasa ka nisetrasetra taminy sy namono azy. 7Tezitra kosa ilay mpanjaka, hany ka nandefa miaramila handringana ireo mpamono olona ireo sy handoro ny tanànany. 8Ary hoy izy tamin'ny mpiasany: «Efa voaomana ny fanasambe, saingy ireo nasaina no tsy mendrika. 9Koa mankanesa any amin'ny fihaonan-dalana, ary izay hitanareo dia asao avokoa ho atỳ amin'ny fanasambe.» 10Dia niely eran'ny arabe ireto mpiasa ka namory izay rehetra hitany, na ratsy fanahy na tsara fanahy; ary dia hipoka ny mpihinana ilay trano nanaovana ny fanasambe.

11Niditra kosa ny mpanjaka hizaha ny mpihinana; ary hitany teo ity lehilahy anankiray tsy nanao ny akanjo fitondra amin'ny fampakaram-bady 12ka nilazany hoe: «Ry sakaiza, ahoana ianao no tafiditra eto, kanefa tsy manana ny akanjo fitondra amin'ny fampakaram-bady?» Fa tsy nahateny ilay olona. 13Dia hoy ny mpanjaka tamin'ireo mpanompony: «Afatory tongotra aman-tanana ilay io, dia ario any amin'ny maizina any ivelany; ka any izy no hitomany sy hikitro-nify.»

14Dia nofaranan'i Jesoa hoe:
–Eny, maro no voaantso, fa vitsy no voafidy!

Miomàna hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra!

Misy fepetra arahina ny fìdirana amin'ny fanjakan'ny lanitra:

1- Aza lavina ny fanasana.

Ireo mpitondra fivavahana jiosy sy mpitondra firenena no noharina amin' ireo nahazo fanasana kanefa nandà sy nanao tsinontsinona ny tompon'ny fanasana. Maro amin' ireo olona mahalala ny Soratra Masina no manao tahaka izany, mahafantatra sy mahay tsianjery ny sitrapon' Andriamanitra izy ireny kanefa tsy mety mibebaka. Tia anao Jesoa, manasa anao Izy anio mba hiditra amin'ny fanjakany. Ny famelanao Azy hanapaka sy hanjaka ao am- ponao no midika fa tsy mandà ny hiditra ianao. Ny fanaovana tsinontsinona sy fanevatevana ny mpitory filazantsara dia endriky ny fandavana sy fanaovana tsinontsinona an'Andriamanitra.

2- lakanjoy nv akanjo fitondra amin'ny fanasana.

Nisv anankiray tamin'ireo izay nasaina eto amin'nyfanoharana no tsy mba niomana akory. Fitafiana tsy mba fitondra amin'ny fampakaram-bady no teny an-kodiny (and. 11,12). Navoaka tsy ho ao amin'ny fanasana izy noho izany. Na dia efa nomena maimaim-poana ho antsika aza ny fahasoavan'Andriamanitra, mba hananantsika fiainana mandrakizay, dia takina amintsika kosa nv toetra sy ny fitondrantena mifanaraka amin'izany. Aoka hadio eo imason'Andriamanitra ny fontsika. Ny fibebahana sy fandraisana an'i Jesoa no ahamendrika antsika amin'izany. Mibebaha ianareo. fa efa akaiky ny fanjakan'ny lanitra! (Mat 4:17)

Fanontanìana:
Toe-panahy manao ahoana no mendrika handray ny fanasan'ny Tompo?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12