lundi 11 mars 2013
Alatsinainy 12 Martsa 2013 - Zef 3 : 9 - 13
9 Amin'izany, dia hovako ny firenena isan-tokony ka hodioviko ny molony; dia hivavaka amiko TOMPO izy rehetra ary hiray hina hanompo Ahy. 10 Eny fa hatrany an-dafin'ny onin'i Etiopia ireo mpivavaka amiko izay naeliko no ho avy hitondra fanatitra ho Ahy. 11 Amin'izany andro izany, ry vahoakako, dia tsy ho menatra intsony ianao tamin'izay ratsy rehetra nataonao ka nanotanao tamiko. Hoesoriko tsy ho eo aminao ny mpirehareha rehetra ary tsy hiavonavona intsony ianao eo an-tendrombohitro masina. 12 Nefa hisy olona ory sy malahelo hataoko sisa tavela eo aminao, dia olona hitady fialofana amiko TOMPO. 13 Ny sisa velona amin'ny vahoaka Israely dia tsy hanao heloka na hilaza lainga intsony, ary tsy hanao teny mamitaka intsony. Fa hihinana sy handry feizay izy ka tsy hisy hampatahotra azy.
-
13 Tamin'izay dia niseho i Jesoa; avy any Galilea Izy no nanatona an'i Johany teo amoron'i Jordana mba hataony batisa. 14 Nanda...
-
1Ny andro alahady, vao maraina mangiran-dratsy, dia lasa ireo vehivavy nankany amin’ny fasana nitondra ny zava-manitra efa voaomany. 2Tazan...