vendredi 22 mars 2013
Zoma 22 Martsa 2013 - Sal 69 : 1 - 12
1. Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira. Hampiarahina amin'ny gitara. Salamo nataon'i Davida. 2. Andriamanitra o, mba vonjeo aho, fa efa mby hatenda ny rano; 3. Milentika amin'ny fota-mandrevo aho sady tsy mahita izay hifaharana; tonga amin'ny rano lalina aho ary efa indaosin'ny riaka. 4. Sasatry ny miantso vonjy aho; ka maina ny tendako, vizana ny masoko, eo am-piandrasako Anao Andriamanitro. 5. Ireo mpankahala ahy tsy amin'antony dia maro kokoa noho ny volon-dohako; mahery ireo mitady hahafaty ahy, dia ireo mpandrafy ahy tsy an-drariny. Zavatra izay tsy nalaiko no indro asainy averiko. 6. Andriamanitra o, fantatrao ny hadalako; ny hadisoako tsy mba miafina aminao. 7. Ry TOMPO ANDRIANANAHARIN'izao rehetra izao o, aoka tsy ho menatra noho ny amiko ireo olona miantehitra aminao; aoka tsy hangaihay noho ny amiko ireo mitady Anao, ry Andriamanitr'i Israely! 8. Noho Ianao no izakako latsa sy mahasafo-kenatra ny tavako, 9. ka nanjary olon-kafa sy vahiny aho ho an'ireo mpiray tampo amiko. 10. Ny fitiavako an'ilay tranonao dia mandoro ahy toy ny afo . Ny latsa natao hihatra aminao no mifotitra aty amiko. 11. Mietry tena sady mifady hanina aho, kanefa dia andatsana ahy izany. 12. Fitafiam-pisaonana no nanaovako, dia tonga fanarabin'ny olona aho
-
13 Tamin'izay dia niseho i Jesoa; avy any Galilea Izy no nanatona an'i Johany teo amoron'i Jordana mba hataony batisa. 14 Nanda...
-
1Ny andro alahady, vao maraina mangiran-dratsy, dia lasa ireo vehivavy nankany amin’ny fasana nitondra ny zava-manitra efa voaomany. 2Tazan...