lundi 29 juillet 2013

Alatsinainy 29 Jolay 2013 - Jao 6 : 25 - 33

25Rehefa nahita an'i Jesoa teny ampitan'ny farihy ny vahoaka, dia nanontany Azy hoe:

–Mpampianatra ô, oviana no tonga teto Ianao?

26Dia novalian'i Jesoa hoe:

–Lazaiko marina dia marina aminareo fa ny itadiavanareo Ahy dia tsy noho ianareo nahita famantarana*, fa noho ianareo nihina-mofo ka voky. 27Aoka hiasa ianareo, tsy hoe hahazoana ny sakafo mety levona, fa hahazoana ny sakafo matàna ho aina maharitra mandrakizay, dia ilay homen'ny Zanak'olona* anareo; fa Izy no efa nasian'Andriamanitra ny mariky ny fahefana nomeny Azy.

28Dia hoy ireo tamin'i Jesoa:

–Inona àry no tokony hataonay mba hanatontosanay ireo asan'Andriamanitra?

29Fa novalian'i Jesoa hoe:

–Izao no asa imasoan'Andriamanitra, dia ny hinoanareo Ilay nirahiny!

30Fa hoy ireo taminy:

–Inona àry no famantarana ataonao, mba ho hitanay ka hinoanay Anao? Inona no asa ataonao? 31Ireo razantsika dia nihinana ny mana* tany an-taniefitra, araka ny voalazan'ny Soratra Masina* hoe: «Mofo avy tany an-danitra no efa nomen'ny Tompo azy ireo hohanina!»

32Tamin'izay i Jesoa dia niteny taminy hoe:

–Lazaiko marina dia marina aminareo fa tsy i Mosesy no nanome anareo ny mofo avy tany an-danitra, fa ny Raiko no manome anareo ilay tena mofo avy any an-danitra; 33satria ny mofo omen'Andriamanitra dia ilay midina avy any an-danitra ka manome ny aina ho an'izao tontolo izao!

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12