samedi 20 juillet 2013

Sabotsy 20 Jolay 2013 - II Kor 9 : 1 - 15

1Momba ny fanampiana ho an'ny vahoakan'Andriamanitra* any Jodea, dia tsy misy tokony hanoratako aminareo. 2Fantatro manko ny risi-ponareo ka nataoko rehareha ny aminareo teo anoloan'ny Masedônianina; fa hoy aho taminy: «Efa vonona hatry ny taona itsỳ ry zareo any Akaîa!» Nanaitaitra ny maro ny zotomponareo. 3Kanefa dia nalefako ho any aminareo ihany ireto rahalahy ireto mba tsy ho foana ilay reharehanay ny aminareo momba izany; sàtriko ho vonona tokoa ianareo, araka izay voalazako. 4Fa raha tàhiny misy tafara-dia amiko ny avy atỳ Masedônia, ka mahita anareo tsy mbola vonona, dia hahamenatra anay izany fahatokianay anareo izany! Aoka tsy hoteneniko ny hoe hahamenatra anareo! 5Noheveriko àry fa tena ilaina ny niangaviako ireto rahalahy ireto handeha hialoha ho any aminareo mba hampanomana rahateo ny fanomezana be nampanantenainareo teo aloha; dia ho vonona izany, ka ho fanomezana be tokoa fa tsy ho fanomezana mahihitra. 6Izao no tsarovy: izay mamafy kely dia hijinja kely; izay mamafy be dia hijinja be. 7Aoka samy hanome araka izay nokasain'ny fony avy, tsy amin'alahelo na an-terivozona, satria ny mpanome an-kafaliana no tian'Andriamanitra. 8Ary hain'Andriamanitra omena mitafotafo anareo ny soa isan-karazany, ka hanana ny ampy mandrakariva amin'ny zavatra rehetra ianareo, sady hanana mitafotafo hoentinareo manao asa soa isan-karazany, 9araka ny voalazan'ny Soratra Masina* hoe:

«Malala-tanana izy nanome ny mahantra; maharitra mandrakizay ny asa fiantrany.»

10Andriamanitra, Izay miantoka masomboly ho an'ny mpamafy sy hanin-kohanina, no hiantoka masomboly ho anareo sy hampitombo azy, ka hampamokatra be dia be ny asa fiantrana ataonareo. 11Hataon'Andriamanitra hanan-karena amin'ny zavatra rehetra ianareo mba hahafoy be amin'ny fanasoavana isan-karazany; ka hahatonga ny olona hisaotra an'Andriamanitra noho ny fanomezanareo entinay ho azy ireo. 12Satria ny fanaovana izao asa famoriam-bola izao dia tsy hoe mahafa-pahasahiranana ny vahoakan'Andriamanitra any Jodea fotsiny, fa mahabe ny fisaoran'ny maro an'Andriamanitra koa. 13Misy vidiny tokoa izao asa fanasoavana izao, ka maro no hanome voninahitra an'Andriamanitra noho ny fanoavana anehoanareo fa inoanareo ny Vaovao Mahafaly* nentin'i Kristy*; maro koa no hanome voninahitra an'Andriamanitra noho ianareo nahafoy be nizara harena tamin-dry zareo any Jodea sy tamin'ny olona rehetra. 14Hivavaka ho anareo izy rehetra, fa ankamamiany tokoa ianareo satria nihoa-pampana ny fahasoavana nomen'Andriamanitra anareo. 15Hisaorana anie Andriamanitra noho ny fanomezany tsy hay visavisaina!

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12