dimanche 13 septembre 2015

Alahady 13 Septambra 2015 - Lio 5 : 17 - 26

17Indray andro, raha nampianatra i Jesoa, dia nisy Farisianina* sy mpahay lalàna* nipetraka teo akaikiny; avy amin'ny tanàna any Galilea sy Jodea ary avy any Jerosalema ry zareo ireo. Ary niasa ny herin'ny Tompo mba hanasitranan'i Jesoa ny marary. 18Dia indreo nisy lehilahy nilanja malemy anankiray tamin'ny fandriana ka nitady hampiditra azy ao an-trano sy hametraka azy eo anoloan'i Jesoa. 19Tsy hitan'ireo mpilanja izay fomba hampidirana azy noho ny habetsahan'ny olona ka niakarany ny tafon-trano, nanesorany ny tafo tanimanga ary nampidininy ombàm-pandriana ilay malemy ho eo afovoan'ny olona, eo anoloan'i Jesoa.

20Hitan'i Jesoa ny finoan'ireo olona ka hoy Izy tamin'ilay marary:
–Andriamatoa, voavela ny helokao!

21Ireo mpahay lalàna sy Farisianina kosa nieritreritra anakampo hoe: «Mba iza ity manevateva an'Andriamanitra ity? Iza no mahavela heloka afa-tsy Andriamanitra irery ihany?»

22Takatr'i Jesoa ny eritreritry ny mpahay lalàna sy Farisianina ka notsenainy ry zareo nataony hoe:
–Inona izato eritreretinareo ao am-ponareo? 23Inona moa no tsotsotra kokoa, ny milaza hoe: «Voavela ny helokao», sa ny milaza hoe: «Mitsangàna ka mandehana»?

24Aoka ho fantatrareo fa ny Zanak'olona* eto an-tany dia manam-pahefana hamela heloka.
Dia hoy i Jesoa tamin'ilay malemy:
–Mandidy anao Aho, mitsangàna, batao ny fandrianao, ary modia any an-tranonao!
25Niaraka tamin'izay dia nitsangana teo imason'ny olona ralehilahy, nibata ny fandriany ary nody tany an-tranony sady nanome voninahitra an'Andriamanitra.

26Talanjona avokoa izay rehetra teo ka nanome voninahitra an'Andriamanitra sady raiki-tahotra nanao hoe:
–Zava-mahagaga ity hitantsika androany itỳ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12