mardi 22 septembre 2015

Talata 22 Septambra 2015 - II Sam 9 : 1 - 13

1Hoy i Davida indray andro:
–Mbola misy olona sisa velona ve amin'ny fianakavian'i Saoly? Mba tiako ny hanisy soa azy noho ny amin'i Jônatàna.

2Fa nanana mpanompo iray nantsoina hoe Tsibà ny fianakavian'i Saoly; ary nampanantsoina hankeo amin'i Davida izy, ka nanontanian'ity mpanjaka hoe:
–Ianao va no Tsibà?

Ary hoy izy namaly:
–Izaho, tompoko, no izy.

3Dia nanontany indray ny mpanjaka hoe:
–Mbola misy olona sisa velona ve amin'ny fianakavian'i Saoly mba hasiako soa araka ny fanaon'Andriamanitra?

Ka novalian'i Tsibà hoe:
–Mbola misy zanakalahin'i Jônatàna iray izay, nefa malemy tongotra izy.

4Ary hoy ny mpanjaka taminy:
–Aiza izy?

Dia hoy i Tsibà namaly ny mpanjaka:
–Ao an-tranon'i Makira zanakalahin'i Hamiela ao Lô-Debàra izy.
5Ary naniraka olona haka azy any an-tranon'i Makira zanakalahin'i Hamiela ao Lô-Debàra i Davida mpanjaka. 6Rehefa tonga teo amin'i Davida i Mefibôseta zanakalahin'i Jônatàna sady zafikelin'i Saoly, dia niankohoka tamin'ny tany ho fanajana azy.

Ary hoy i Davida taminy:
–Mefibôseta!

Ka novaliany hoe:
–Inty aho, tompoko.

7Dia hoy indray i Davida taminy:
–Aza matahotra fa te hanisy soa anao noho ny amin'i Jônatàna rainao aho, ka hamerina aminao ny tany rehetra izay an'i Saoly raibenao; ary ianao dia hisakafo isan'andro eo amin'ny latabatro.

8Dia niankohoka izy sady namaly hoe:
–Zinona moa aho izay toa fatin'amboa ity no mba itodihanao, tompoko?

9Nantsoin'ny mpanjaka i Tsibà mpanompon'i Saoly, ka nilazany hoe:
–Nomeko an'i Mefibôseta, zafikelin'ny tomponao avokoa izay rehetra nananan'i Saoly sy ny fianakaviany. 10Koa ianao sy ireo zanakalahinao ary ireo mpanomponao no hiasa ny tany ho azy ka hanatitra izay hiveloman'ny fianakaviany. Fa i Mefibôseta zafikelin'ny tomponao kosa dia hisakafo isan'andro eo amin'ny latabatro.

Nanana zanakalahy 15 sy mpanompo 20 i Tsibà, 11ka niteny tamin'ny mpanjaka hoe:
–Tompoko, araka izay rehetra nandidianao mpanjaka no hataoko. Kanefa i Mefibôseta dia hisakafo eo amin'ny latabatro toy ny anankiray amin'ireo zanakalahin'i Saoly mpanjaka.

12Nanan-janakalahy tanora nantsoina hoe Mikà i Mefibôseta, ary ny olona rehetra tao an-tranon'i Tsibà dia nanompo an'i Mefibôseta avokoa. 13Fa na dia nalemy aza ny tongony roa, dia nonina tany Jerosalema i Mefibôseta satria nisakafo isan'andro teo amin'ny latabatry ny mpanjaka izy.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12