jeudi 19 mai 2016

Alakamisy 19 May 2016 - Dan 4 : 1 - 15

1«Izaho Nebokadnetsara dia niadam-pinaritra tato an-dapako. 2Nanonofy zava-nampatahotra ahy aho ka nieritreritra teo am-pandriana; fa izay hitako dia nampitebiteby ahy. 3Ary nanome baiko aho mba hoentina eo anatrehako avokoa ny olon-kendrin'i Babilôna rehetra hampahafantatra ahy ny hevitry ny nofy. 4Vao niditra ny mpanao majika aman-tsikidy sy ny mpanandro ary ny ombiasy, dia nambarako teo anatrehany ny nofiko, nefa tsy nisy afaka nampahafantatra ahy ny heviny ireo. 5Nony farany, tonga teo anatrehako i Daniela izay atao hoe Beltesatsara araka ny anaran'ny andriamanitro sady entanin'ny fanahin'ireo andriamanitra–Ireo andriamanitra masina na ilay Andriamanitra masina. Mitovy amin'izany ny and 6.'> masina; dia ny nofiko no nambarako teo anatrehany hoe: 6‹Ry Beltesatsara, filohan'ny mpanao majika, fantatro fa entanin'ny fanahin'ireo andriamanitra masina ianao, ary tsy misy zava-miafina manahirana anao; koa ambarao ahy ny hevitr'izao zavatra hitako tamin'ny nofy izao. 7Fa rehefa nandry teo am-parafara aho, dia izao no hitako:

Indro nisy hazo iray teo afovoan'ny tany;
ary fatratra tokoa ny haavony.
8Nitombo sy nihanatanjaka io hazo io,
ka ny haavony nahatakatra ny lanitra;
ary tazana hatrany amin'ny faran'ny tany izy.
9Tsara tarehy ny raviny ary betsaka ny voany,
sady nisy sakafo ho an'ny rehetra teo aminy.
Tao ambaniny no nialokaloka ny bibidia,
ary tao amin'ny rantsany no nitoetra ny voro-manidina.
Ary ny miaina rehetra nahazo sakafo avy aminy.

10«Fa raha mbola nandry teo am-pandriako aho, dia nisy anjely* anankiray fatra-piahy hitako nidina avy tany an-danitra*. 11Niantso mafy izy ka nanao hoe:

Kapao io hazo io, dia rantsano;
ahintsano ny raviny, ary aparitaho ny voany!
Aoka ny biby handositra lavitra azy
ary ny voro-manidina hiala amin'ny rantsany.
12Kanefa avelao ao amin'ny tany,
eo anivon'ny ahi-maitso any an-tsaha,
ny fotony sy ny fakany,
ka hodidino fehy vy sy halimo.
Aoka ho kotsan'ny ando io foto-kazo io;
ary aoka izy hihinana ahitra tahaka ny biby '>.
13Aoka ny fisainan'olombelona ao aminy
hosoloina fironam-biby;
ary aoka izy hitoetra toy izany
mandritra ny fito taona!

14«Didin'ireo anjely fatra-piahy no anaovana izany zavatra izany mba hahafantaran'ny velona fa ilay Andriamanitra Avo Indrindra no manapaka amin'ny fanjakan'ny olombelona ka manome izany ho an'izay tiany; ary mety ny olona farany ambany aza no asandrany eo.

15«Izany no nofy hitako, izaho Nebokadnetsara mpanjaka; ary ianao, ry Beltesatsara, no milazà ny heviny, fa tsy nisy afaka nampahafantatra ahy ny heviny ireo olon-kendry rehetra tao amin'ny fanjakako; fa ianao kosa no afaka manao izany satria entanin'ny fanahin'ireo andriamanitra masina.› »

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12