lundi 4 décembre 2017

Alatsinainy 04 Desambra 2017 - Amo 9 : 11 - 15

11Hoy ny teny hentitry ny TOMPO hoe:
«Ilay tanànan'i Davida9.11 Ilay tanànan'i Davida: misy mihevitra hoe Ilay fianakavian'i Davida ka mampitodika any amin'ny 2 Sam 7.16. –Ny and 11-12 dia tanisaina ao amin'ny Asa 15.16-18 araka ny dkt tranainy grika. izao
dia toy ny tranobongo efa nianjera.
Fa ho avy ny andro izay hananganako indray
izany tanàna izany,
ka hofefeko ireo banga amin'ny màndany
hatsangako ny rava tao aminy,
ary haoriko indray ny tanàna ho tahaka ny taloha.
12Amin'izay no hakan'i Israely
ny tany sisa amin'i Edôma
sy amin'ny firenena hafa rehetra
izay nomarihina ny anarako hananako azy.
Izaho Tompo no hahatanteraka izany.»
13Hoy koa ny teny hentitry ny TOMPO hoe:
«Indro avy ny andro
izay hahavokatra ny vary
ka efa hasaina ny tany vao vita ny fijinjana,
sy hahavokatra ny voaloboka
ka efa hafafy ny voambary
vao vita ny fihosemboaloboka9.13 Ny fiasana tanimbary any Palestinina, raha ny tokony ho izy, dia eo amin'ny faramparan'ny ôktôbra eo, izany hoe enim-bolana aorian'ny fijinjana. Ny fikarakarana ny divay kosa dia vantany vao vita ny fiotazam-boaloboka, izany hoe amin'ny septambra; ary ny famafazana kosa dia eo amin'ny nôvambra na desambra eo ho eo. Ka ny fifanatonan'ireo asa fanaon'ny tantsaha ireo dia isan'ny sarin'ny fahavokarana mahagaga hanamarika ilay fotoanandro vaovao ambaran'i Hamôsa mpaminany..
Divay no hiboiboika eny an-tendrombohitra
sy hikoriana eny an-tampon-kavoana rehetra.
14Haveriko avy amin'ny fahababoana
ny Israely vahoakako,
ka ireo tanàna efa rava
hatsangany sy honenany indray.
Hamboly voaloboka izy
ka hisotro ny divay avy aminy,
ary hanao zaridaina
ka hihinana ny vokatra avy aminy.
15Hamboleko eo amin'ny tany izany nomeko azy izy,
ka tsy hongotana hiala eo intsony.
Izaho TOMPO Andriamanitrao no efa niteny.»

Fitiavana hafa kely

Amin'ny fomba hafakely no entin'Andriamanitra maneho sy manaporofo ny fitiavany eto. Tsy manam-paharoa izany fitiavan'Andriamanitra izany satria:

1- Mamela heloka sv manangana indrav Izv (and 11-12)
Asehon'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fananganana indray ny rava vokatry ny fahababoana ny famelan-keloka. Be fitiavana Andriamanitra ka tsy mamela antsika ho ravan'ny fahotana sy ny faharatsiana. Ny famelana ny helotsika no entiny maneho izany fitiavana izany sady hanarenany antsika hanana fiainam-baovao ao Aminy. Kristy no endrika fara-tampon'ny fitiavan'Andriamanitra sy fananganana antsika indray ka natolony ho famelana ny helotsika.

2- Manome fìtahiana (13-15)
Fitahiana no azo ilazana izay rehetra voalazan'ny Tompo eto amin'ireto andininy telo farany ireto. Anisan'izany ny fahasambaran'ny olona voavela heloka (Sal 32,1-2). Raha oharina amin'ny resaka fambolena ny fitahiana horaisin' izay vovela heloka dia hifanao tsy omby aloha izany satria mbola tsy voanjinja ny eo dia efa tonga indray ny fotoam- piasana manaraka. Midika izany fa manana amby ampy ho antsika ny fìtiavan'Andriamanitra sy ny fitahiany (Jer 31,3).

Fanontaniana:
Inona no mba heverinao fa endrika manokana isehoan 'ny fitiavan' Andriamanitra anao?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12