vendredi 29 décembre 2017

Zoma 29 Desambra 2017 - II Tan 9 : 3 - 8

3Ary rehefa samy hitan'ny mpanjakavavin'i Sebà ny fahendren'i Salômôna sy ny trano izay naoriny, 4ny sakafo fihinana teo amin'ny latabany sy ny toeram-ponenan'ny tandapany ary koa ny fahamendrehana amam-pitafian'ireo mpandroso sakafo sy mpitondra divay, ny ambaratongan-tohatra izay niakaran'i Salômôna ho ao an-tranon'ny TOMPO, dia talanjona aoka izany izy 5-6ka nilaza tamin'ny mpanjaka hoe:

–Marina avokoa izay resaka reko tany amin'ny taniko momba ny teninao sy ny fahendrenao. Nefa tsy nino ny filàzan'olona aho, raha tsy tonga atỳ, ka ny masoko no mahita. Hay na dia ny antsasaky ny fahendrena anananao aza tsy voambara tamiko akory; indro mihoatra noho ny laza efa reko ianao. 7Sambatra ireo olonao sy ireo tandapanao, satria eo anatrehanao mandrakariva ka mandre ny fahendrenao! 8Hisaorana anie ny TOMPO Andriamanitrao, fa sitrany napetraka eo amin'ny sezafiandrianany ianao mba ho mpanjaka hanompo Azy TOMPO Andriamanitrao; fa ny fitiavan'Andriamanitrao an'i Israely ka hampitoetra azy mandrakizay no nanaovany anao ho mpanjaka mba hampihatra ny rariny sy ny fahamarinana.

Ny fahendrena avy amin'Andriamanitra

1 - Miseho ho hita etv ivelanv
Ny trano izay nataon'i Solomona. ny hanim-pihinany teo amin'ny latabatra, ny fihetsika sy fitafin'ireo mpanomponv, nv ambaratongan-tohatra iakarana ho ao an-tranon'i Jehovah... (and.6). Ireny rehetra ireny dia nampiseho tamin'ilay mpanjakavavy fa tena manam-pahendrena mihoatra lavitra noho izay efa nambara taminy tokoa izy. Ny lesona ho antsika amin' izany dia izao: tokony ho hita taratra amin'nv fitondran-tena asehontsika ny maha kristiana antsika mba ho fíjoroana ho vavolombelon'
I Jesoa Kristy: amin'ny fiteny, amin'ny fitafy, amin'ny sakafo fihinana, amin'ny fitondrantenan'nv ankohonana, amin ny fivavahana.

2 - Mampiseho nv fitiavan'Andriamanitra
Niaiky ny fahendrena nanan'i Solomona ilay mpanjakavavy ka nisaotra an'Andriamanitra. Tsapany koa fa noho ny ny fitiavan'Andriamanitra ny Israely no antony nametrahana an'i Solomona ho eo amin'ny seza fìandrianany, mba hikendry izay hahasambatra ny vahoaka entinv. "...Noho ny fitiavan' Andriamanitrao ny Isiraely hampitoetra azy mandrakizay no nanaovany anao ho mpanjakany mba hanao fitsarana sy fahamarinana" (and.8b). Misy antony ho fanasoavana ny hafa ireny fanomezam-pahasoavana omen'nv Tompo antsika ireny.

Fanontaniana:
Misy akony eo amin 'ny fìainan 'ny manodidina ve ny fahendrenao?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12